“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 20 Desambra  2009

N° 42

ALAHADY FAHEFATRA AMIN’NY FIAVIANA – taona D

 

Masina Maria mamangy an’I Elisabeta : modely ho antsika

 

Afaka andro vitsivitsy dia hankalaza ny Noely isika, fahaterahan’I Jesoa. Entanin’i Lioka isika eto am-piandrasana io andro malaza io  handinika ny famangian’I Maria renin’I Jesoa an’I Elisabeta rahavaviny. Ohatra ho antsika  eo amin’ny fifanampiana sy ny fitiava-namana ary ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly  no ampisehoan’I Maria.

Raha tsahivintsika kely ny tantara  dia tao aorian’ny nilazan’ny anjely Gabriely fa hanan-janaka I Maria sy Elisabeta rahavaviny dia indro izy nandeha haingana nitety  tendrombohitra hiarahaba ny  rahavaviny. Tsy nitaraina vizaka kanefa lalana 150km no hatao an- tongotra. Tsy nisy ny train sy ny automobile tamin’izany. Feno herim-po sy herim-pinoana ary herim-pitiavana fa hamangy ny rahavavy. Tsapany fa mila azy I Elisabeta rahavaviny na ara-batana , na ara-tsaina , na ara-panahy. Tsy  nokoboniny ho azy samirery ny Vaovao Mahafaly nolazain’I Anjely Gabriely fa nozarainy tamin’ny rahavaviny. Miainga eo amin’ny samy mpiray tanàna, eo amin’ny fianankaviana, eo amin’ny mpirahavavy tokoa manko ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

Nandray anjara lehibe I Maria  eo amin’ny famonjena izay nomanin’Andriamanitra ho an’ny olombelona tsy ankanavaka. Avoitran’ny Konsily Vatikana II io  anjara toerana lehibe notazonin’I Masina Maria io teo amin’ny tantaram-pamonjena. Izy no fanaka voafidin’Andriamanitra hiarahany miasa mba hanatanterahany ny famonjena. Nanaiky izy hitondra ilay zanak’Andriamanitra.‘Zany hoe, miainaga avy amin’ny olombelona ny famonjana ny olombelona. Tonga olombelona tao an-kibon’I Masina Maria ilay Andriamanitra mba hanandratra antsika ho zanak’Andriamanitra ka hahafahantsika mandova an’Andriamanitra dia ilay lova maharitra mandrakizay.

Tsy mifarana hatreo ny fanampian’I Masina Maria ny olombelona. Raha nanampy an’I Elisabeta rahavaviny izy taloha dia afaka manampy antsika koa.  Raha miantso azy isika dia miazakazaka manatona antsika koa izy. Reny manko izy ka tsy hamela antsika zanany hijaly sy ho fadiranovana. Miaraka aminy isika no miomana handray ilay Mesia efa tonga sy mbola ho tongaMandritra izao fotoana kely sisa hiomanantsika amin’ny Noely izao àry dia aza hadinoana ny miantso an’I Maria mba hamanpy antsika hiaina tsara ilay Mesia efa tonga.

Izy no anisan’ny fototra nahatonga io Fety Noely io. Ka raha fototra izy dia tokony ho jerena matetika. Miaraka aminy isika dia samy hiazakazaka tsy hahalala vizana hotondra an’I Jesoa ho eo amin’ny manodidina antsika .Nentiny tao an-kibony I Jesoa kely fony izy namangy an’I Elisabeta fa ny antsika kosa dia entintsika amin’ny tenantsika , amin’ny asantsika , amin’ny fiainantsika manontolo I Jesoa ary ho zaraintsika sy ho hampisehoantsika amin’ny manodidina antsika. Izany rahateo moa no pastoraly iainantsika « Mission et Eucharistie ».

 Toa an’I Masina Maria namangy an’I Elizabeta koa isika , dia aza hadinoana ny mijery ireo sahirana mila fanampiana amintsika amin’izao fankalazana ny Noely. Topazo maso izy ireny, antsoy , arahabao fa mety ireny zavatra kely ireny no hampisokatra ny masoandrony. 

Mirary krismasy sambatra ho antsika rehetra

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier

 

 

DIMANCHE 20 décembre 2009 – MESSE DU 4ème  DIMANCHE DE L’AVENT

Année C – Couleur liturgique : VIOLET

 

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Mikea Mpaminany

Mik. 5, 1 – 4 a

Izao no lazain’ny Tompo : Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andron’ny fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay. Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka ; ary ny sisa amin’ny rahalahany dia hiverina amin’ny zanak’i Israely. Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony ; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany. Izy no ho fiadanana.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy ho an’ny kristianina tany Hebrio

Heb. 10, 5 – 10

Ry Kristianina havana, rehefa tonga tamin’izao tontolo izao I Kristy dia nanao hoe : “Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao ; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe : “Inty Aho tonga – fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky – hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô ! » Voalohany aloha nolazainy hoe : « Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, - dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny » - manaraka izany tohiziny hoe : « Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa, ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja. »

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 39 – 45

Tamin’izany andro izany, niainga I Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’I Zakaria ka niarahaba an’I Elizabeta. Nony vao ren’I Elizabeta ny fiarahaban’I Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina I Elizabeta, ka nanandram-peo niantso mafy hoe : « Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao ; ary nosoavina noho ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho ? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy ! »

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

AZA MANOME LAMOSINA AN’ANDRIAMANITRA !

 

Ny Vakiteny androany dia mahalasa eritreritra satria fahatongavan’ny Kristy Mpamonjy no andrasantsika. Andriamanitra tonga olombelona. Natera-behivavy. Mamangy ny rahavaviny I Maria. Betilehema dia tanàna kely. Ao anefa no hivoaka ny Mpanjakan’I Israely dia I Kristy. Izay indray ny toerana haterahan’ny Mpamonjy dia any an-tranon’omby araka ny efa fantatsika. Dia hoy aho hoe : olombelona mampiantrano Andriamanitra no hevitry ny Noely. Efa nifaly sahady isika tamin’ny alahady heriny, ka samy somebiseby manontany hoe : inona no hataonay ? Raha fintiniko ny hevitro dia finoana izay fanomezan’Andriamanitra no ilaintsika voalohany. Manaiky isika tahaka ny Masina Maria sy Elizabeta rahavaviny fa tena Andriamanitra ity hatera-behivavy ity, fa nanetry tena ho tonga olombelona : « Renin’ny Tompoko ». Ao anatin’ny fanetren-tena no ampiantranoana an’Andriamanitra. Mitana ny fampanantena nomeny Andriamanitra dia handefa ny Zanany hanavotra antsika. Fa amin’ny fomba tsy ampoizintsika. Fiezahana hibebaka no fomba tsara indrindra hampiantranoana an’Andriamanitra. I Kristy izay arahantsika anefa dia nanatanteraka ny Sitrapon’Andriamanitra. Koa raha ampifandraisiko amin’ny lohahevitra pastôraly eto amin’ny Diosezintsika sy amin’izao Matsom-panahy izao dia maniraka antsika ny Eokaristia mitondra famonjena izay raisintsika. Rehefa mandray ny Eokaristia isika dia mampiantrano koa an’Andriamanitra. Fanoloran-tena amin’Andriamanitra, ka manao hoe : « Vonona hanao ny Sitraponao aho tahaka an’I Kristy ! ». Ny Kristianina izany dia miezaka mitovy amin’I Kristy olombelona, izany hoe : mitodika amin’ ny  Ray. Ny kristianina miamboho adidy eo amin’ny asam-pamonjena anirahana azy izany dia manome lamosina an’Andriamanitra. Ampiantranoy Andriamanitra mba hahaizantsika mifampiantrano sy mifanampy. Satria ny hanao ny Sitrapon’Andriamanitra no tadidiavina amintsika fa tsy sorona dorana na ny fanatitra. Izahay Vaomieran’ny Fifandraisana dia manentana antsika hanefa ny Hasin’Andriamanitra am-pitiavana ho fanohanana ny ezaka pastôraly anirahana antsika eto amin’ny FKMP. Dia ho tratry ny Noely famonjena daholo isika mianakavy.

Emma RAKOTOMANANTSOA

Vaomieran’ny Fifandraisana

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY FKMP :

Alahady roa sisa dia hifarana ny fanaovanao ny adidy isan-taona dia ny Hasin’Andriamanitra na ny Denier de l’Eglise. Koa manainga ny tsirairay, ny isan-tokantrano, ny isam-pianakaviana amin’izany. Ny valopy dia azonao aterina miaraka amin’ny rakitra na homenareo ny Pretra na ny Birao. Misaotra mialoha fa ny fitia tsy mba hetra.

 

« Samia manao  araka izay izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa  mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra » 2 Kôr. 9, 7

 

2.

FANKALAZANA NY NOELY MISASAK’ALINA 24 DESAMBRA 2009 :

Ny toerana hankalazantsika ny Noely Misasak’alina 2009 dia etsy amin’ny Paroisse Saint Dominique16, rue de la Tombe-Issoire Paris 14ème. Metro Saint Jacques (ligne n°6) na RER B : Denfet Rochereau.

Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva.

 

NOELY ANTOANDRO ZOMA 25 DESAMBRA :

Chapelle Saint Paul, toerna mahazatra antsika. Ny Lamesa dia hanomboka amin’ny 4 ora hariva.

 

3.

FISAORANA VOARAY :

Ny tenako, Père Jean Christophe RAKOTOARISON, amin'ny anaran'ny fianakaviana manontolo dia maneho ny fisaorana sy fankasitrahana ho anareo Kristianina Katolika eto Paris (FKMP) sy ny Aumônier, noho ny fiaraha-miory nasehonareo tamin'ny fahalasanan'ny hava-malalanay Itompokovavy Jocelyne Randrianary. Andriamanitry ny Fiadanana anie homba anareo tsirairay avy sy ny isam-pianakaviana noho ny fitiavana nasehonareo. Fony izy narary teny amin'ny Hopitaly dia tonga ianareo nitsidika sy namangy, nitondra teny mamy sy fankaherezana, ary rehefa nodimandry izy dia tonga ianareo nitondra teny fampiononana sy vavaka. Avy eo dia mbola narahinareo vola aman-karena indray izany. Tena tsara levenana ny maty. Koa mankasitraka sy mankatelina, Tompoko. Ao Andriamanitra hamaly soa anareo ary izahay fianakaviana dia tsy hitsahatra ny hivavaka ho anareo.

 

RP Jean Christophe sy ny fianakaviana.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

27/12/2009 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA (alahady Fetin’ny FIANAKAVIANA MASINA)

2.

MANADIO FIANGONANA :

26/12/2009 : BIRAOM-PIANGONANA