“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady13 Desambra  2009

N° 41

ALAHADY FAHATELO AMIN’NY FIAVIANA – taona D

 

« QUE DEVONS-NOUS FAIRE ? »


Convaincues par la proclamation de Jean Baptiste sur le
baptême de conversion pour le pardon des péchés, les foules paysannes, simples et réalistes de Palestine lui demandent ce qu’elles doivent faire, car elles veulent vivre la logique de leur baptême. « Que devons-nous changer de notre vie ? », « Que devons- nous faire ? »  C’est une question simple qui demande une réponse simple, claire et précise. C’est une question qui mérite aussi d’être posée par nous à Dieu car nous avons déjà reçu notre baptême de conversion. Lors de notre baptême nous avons proclamé notre foi en disant « je crois en Dieu et je renonce à Satan »

La réponse de Jean Baptiste est simple, claire, et précise comme la question.  Il n’a pas besoin d’aller feuilleter la Bible ni des doctrines dans de gros livre .C’est dans le plus banal, le plus « terre à terre » de la vie de tous les jours que doit se manifester corporellement la « conversion ». Ainsi, pour les foules, il suffit d’aller regarder leur garde-robe, leur placard, leur tiroir, leur compte chèques, leur garde-manger ; si elles ont deux vêtements et de quoi manger jusqu’à posséder des surplus, qu’elles les partagent avec ceux et celles qui n’en ont pas. Que l’égoïsme ne soit plus leur dieu, que leur dieu soit le Dieu de l’amour. Il s’adresse aussi aux publicains et aux soldats qui sont à cette époque là, les plus mal placés pour accueillir Jésus, des pécheurs par excellences. A ces deux catégories de personne Jean Baptiste ne demande pas de changer de métier mais seulement de s’y comporter de manière nouvelle : respecter la justice, ne pas abuser de la force qu’on a entre les mains ; c’est s’en tenir au droit, aux lois. Tous ces conseils sont d’ordre professionnel. Ils visent les péchés dans lesquels tombaient habituellement les publicains et les soldats de ce temps là : s’enrichir coûte que coûte…. Profiter de ce qu’on est plus fort.

Bref, le partage, la justice, la paix (sans force), en un mot, l’amour du prochain sont les réponses données par Jean Baptiste à la question « Que devons nous-faire ? ».

Nous ne sommes ni des publicains véreux, ni des soldats grossiers. Mais tout de même la prédication de Jean reste bien actuelle. Il existe malheureusement un monde où l’argent est toujours roi, où le profit immédiat est la règle, où les écarts entre les riches et les pauvres se creusent toujours davantage.

Nous sommes au cœur du temps de l’Avent. Le Christ attend de nous que nous soyons des prophètes du comportement... Et les prophètes ne sont pas ceux qui prédisent l’avenir, mais ceux qui s’efforcent de comprendre comment la Parole de Dieu s’applique dans les situations et les problèmes du quotidien.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier

 


 

DIMANCHE 13 décembre 2009 – MESSE DU 3ème  DIMANCHE DE L’AVENT

Année C – Couleur liturgique : VIOLET ou ROSE

 

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Sôfonia Mpaminany

Sôf. 3, 14 – 18a

Mihobia, ry zanakavavin’ i Siôna ! Manaova feo firavoravoana, ry Israely ! Mifalia sy miraharehà amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema. Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo, ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao. Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao. Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema : « Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana ! Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery ! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao ;  hangina Izy amin’ny fitiavany ; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana. Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md. Paoly Apostôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 4, 4 – 7

Ry Kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo ; eny, averiko indray mifalia e ! Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo : efa akaiky anie ny Tompo e ! Aza manahy na inona na inona ; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonanana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’I Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 3, 10 – 18

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe : « Inona àry no hataonay ? » Dia namaly izy ka nanao hoe : « Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana ; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa ». Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe :  « Inona no hataonay, ry mpampianatra ô ? » Dia hoy izy taminy : « Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo ». Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe : « Ary izahay kosa, inona no mba hataonay ? » Dia hoy ny navaliny azy : « Fadio ny fanaovana an-keriny sy fitorahana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo ». Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izay  rehetra hoe : « Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho : Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo ; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty ». Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

 

Inona àry no hataonay ?

 

Iza moa i Joany ? anisan’ny olona iray manana ny toerany manokana eo amin’ny tantaram-pamonjena izy. Izy no Mpaminany lehibe indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha. Izy no mamarana ny tantaran’ny Testamenta Taloha ary mampita ireo vahoakan’Andriamanitra ho amin’ny Testamenta Vaovao na fanekem-pihavanana vaovao izay miorona ao amin’i Jesoa. Azo ambara koa aza hoe mpisava lalana izy. Amin’ny Vaovao Mahafaly anio dia manontany azy ny olona hoe “inona àry no hataonay?, Miantefa amintsika koa izany fanontaniana izany. Inona no ataontsika handraisana ny famonjena ? Toe-panahy manao ahoana no takian’Andriamanitra amintsika ? Andriamanitra dia fitiavana, tiany hovonjena avokoa isika olombelona satria tiany isika, ka dia tonga teto amintsika izy tao anatin’ny fanetren-tena lehibe mba hamonjy antsika. Ka anisany andrasany amintsika dia ny hanana toe-panahy manetry tena, vonona hibebaka ary hiandrandra ny famindram-pony. Amin’ny maha Fitiavana Azy anefa dia tsy mitsahatra ny mandefa iraka mpitondra ny hafany amintsika olombelona Izy, mba hiverenantsika Aminy. Ny olona anefa tsy ampy finoana hany ka tsy mandray azy ireo, ary manidy ny fony tsy handray ny fitiavan’Andriamanitra, tsy vonona ny hiova ka dia indro fa faly mitsikera sy mitsaratsara amin’ny zavatra tsy marina na tsy mitombina amin’ireo izay lazain’ny irak’Andriamanitra. Angataho àry Andriamanitra hanampy antsika mba tsy ho mafy fo fa hahay misokatra amin’ny fahasoavany izay ampahafantariny antsika amin’ny alalan’ny olona sy ny zava-misy samihafa eo amin’ny fiainantsika isan’andro.

 

“Amin’izao fotoanan’ny Fiaviana izao, inona no ezaka ataoko mba hahatonga ahy ho olom-baovao?”

 

 “Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo

Izaia 12 : 2

 

 

 

 

Haingo – zandry kelin’I Jesoa Kristy

 

 

Vaomieran’ny FITANTANANA

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

MATSOM-PANAHY : ALAHADY 20 DESAMBRA 2009 :

Ny Matsom-panahy ataon’ny Fiangonantsika iomanana amin’ny Noely dia hatao ny Alahady 20 desambra 2009. Ny toerana dia eny amin’ny Sœurs Aveugles de Saint-Paul – 88, avenue Denfert-Rochereau – Paris 14ème. Ny fandraisana dia hanomboka amin’ny 9 ora maraina. Misy ny fisoratana anarana mba hanamboarana ny giropy amin’ny fifampizarana. Tsy misy fandraisana anjara ara-bola akory. Manasa antsika rehetra amin’izany fiomanam-panahy izany.

2.

HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY FKMP :

Efa nanomboka tamin’ny alahady 15 novambra teo ny fanentanana antsika mianakavy amin’ny adidy fanao isan-taona eo amin’ny Hasina’Andriamanitra na « Denier de l’Eglise ». Tsapatsika tokoa fa mila enti-manana ny asa fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka notanterahanareo ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay…. » 2 Kôr. 5, 14. Fitia tsy mba hetra, mari-pitiavana, fifanohanana satria izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary e, hoy isika Malagasy. Samy manome izay foiny, fa izay tia mahafoy e. Koa manainga antsika rehetra isam-batan’olona, isan-tokantrano, na tanora na lehibe araka izay vitantsika, araka izay fointsika satria izay no mahafaly an’Andriamanitra, ary mari-pitiavana asehonao ny Fiangonana ;

« Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra » 2 Kôr. 9, 7.

 

Koa manentana antsika mianakavy eo amin’ny famerenana ilay valopy misy ny anjaram-pitiavantsika ho fanohanana ny asa pastôraly fanirahana ny FKMP dia isika mianakavy izany.

3.

NOELY 2009 :

Ny fankalazana ny Noely amin’ity taona 2009 ity dia hatao any amin’ny Paroasy Saint Dominique – 16, rue de la Tombe-Issoire (Paris 14ème). Mialoha ny Sorona Masina Misasak’alina dia misy ny fety hataon’ireo zanatsika sy ny tanora. Aorian’ny Sorona Masina kosa dia hisy ny sakafom-pianakaviana sy fiaraha-mizara hafaliana. Ho lazaina amintsika amin’ny manaraka ihany ny antsipiriany.

4.

FIANARANA KATESIZY SY FANOMANANA NY NOELY :

Ny fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany. Ny Alahady voalohan’ny volana dia an’ny Vaomieran’ny Kolontsaina, fampitana ny Kolontsaina sy ny teny malagasy.

Efa manomboka koa ny fanomanan’ny zanatsika ny Noely : hira sy tsianjery.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

20/12/2009 : VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA (Alahady faha 4 amin’ny Fiaviana)

2.

MANADIO FIANGONANA :

19/12/2009 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA