“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 06 Desambra  2009

N° 40

ALAHADY FAHAROA AMIN’NY FIAVIANA – taona D

 

Ao anatin’ny tantaram-piainantsika olombelona no isehoan’Andriamanitra sy idirany mba hamonjena antsika.  Tsy eny amin’ny volana na masoandro fa eo amin’ny  fiainantsika an-davanandro : fiainana ara-politika, fiainana ara-toekarena, fiainana ara-tsosialy. Asongadin’i Md Lioka amintsika amin’ity Evanjely androany ity ny fiainana ara-politika sy ara-pivavahana  tamin’izany fotoana izany fony i Joany Batista nitory ny hahatongavan’i Mesia  sy ny tsy maintsy hibebahana eo am-piandrasana Azy.

 

Teo amin’ny lafiny ara-pinoana dia i Kaifa sy Ana no mpisorona. Teo amin’ny ara-politika kosa dia ny Rômanina no nanjanaka an’Israely . I Tibera Sezara sy ny namany no mpitondra nampijaly sy namoritra ny olona. Fahoriana tsy roa aman-tany no niainan’ny Jody, indrindra fa ireo Jody nanohitra io fitondrana mpanjanaka io. Tao anatin’io tontolo politika tsy milamina, politikan’olona tsy mpivavaka io no indro miditra Andriamanitra amin’ny alalan’i Joany Batista.

 

Nambaran’i Joany Batista fa ho avy ny Mpamonjy ary tsy maintsy homanina ny fahatongavany. Ny batemim-pibebahana no fanomanana izany. Tany an’efitra sy tany amin’ny manodidina an’i Jordany no nitoriany izany. Faritra tsy mahalala na mahalala fa kely ny momba an’i Kristy ireo faritra ireo. Noho izany dia tsy maintsy itoriana satria tsy natokana ho an’ny Jody irery ny famonjena fa ho an’ny olon-drehetra.

 

Mitondra antsika handinika ny batemy noraisintsika io Evanjely io amin’izao fiomanana ny  fankalazana ny misterin’ny fahatongavan’Andriamanitra ho nofo izao. Efa nandray ny batemim-pibebahana isika tamin’ny batemy noraisintsika. Nanambara ny finoantsika isika fa « mino an’i Kristy ary mandà an’i satana ». Tsy mora anefa ny fiainana io toky nomena tamin’ny batemy io. Maro ireo mandrirotra antsika tsy hitodika tanteraka amin’i Kristy na eo amin’ny lafiny ara-politika na eo amin’ny lafiny ara-toekarena….Koa manentana antsika  hanao jery todika ny fiainam-panahintsika.  Misy ny recollection  isan-karazany hanampy antsika amin’izany.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier

 


 

DIMANCHE 06 décembre 2009 – MESSE DU 2ème  DIMANCHE DE L’AVENT

Année C – Couleur liturgique : VIOLET

 

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Barôka Mpaminany

Bar. 5, 1 – 9

Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema ; fa ny fanamiam-boninahitra avy aman’Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy, mihodidîna ny kapaotim-pahamarinana avy aman’Andriamanitra, ataovy ao an-dohanao ny hamaman’ny voninahitr’Ilay mandrakizay. Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra. Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao : « Fiadanam-pahamarinana », « Famiratam-pitiavam-bavaka ». Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoana, mitazàna miantsinanana, ka jereo irery zanakao noho ny tenin’Ilay Masina, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana, miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo. Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo ; fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao, hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka. Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa rehefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola ary hotototra rehefa mety ho lohasaha, hahamarin-tampona ny tany, mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana ho an’ny voninahitr’Andriamanitra. Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza, nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa noho ny didin’Andriamanitra. Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely, amin’ny fahazavan’ny voninahiny, hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md. Paoly Apostôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 1, 4 – 6. 8 – 11

Ry Kristianina havana, mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny ; sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’I Jesoa Kristy. Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’I Kristy Jesoa indrindra aho. Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo, mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’I Kristy ianareo, ary ho feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’I Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 3, 1 – 6

Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, I Herôda no tetrarka tany Galilea, I Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, I Lisania no tetrarka tany Abilena, ary I Ana sy Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’I Joany zanak’I Zakaria tany an’efitra ny Tenin’Andriamanitra. Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’I Jorodany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’I Izaia mpaminany hoe : Re ny feon’ilay niantso avy an’efitra hoe : amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany ; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havona rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

Samy manaiky isika kristianina fa tsy fiomanana amin’ny fahatsiarovana fe fahatsiarovana ny nahaterahan’ny Kristy fotsiny ny “Fiaviana”, ka hanaovana  ny Noely ho toy ny “tsingerin-taona” hanararaotana hanaovana fetibe, fa fahaterahan’I Jesoa Mpamonjy indray eo amin’ny fiainantsika.

 

Ny Evanjely anio dia manainga antsika hanamboatra ny lalan’ny Tompo. Mazava ho azy fa tsy arabe akory ny halehany fa ny fontsika raha toa ka vonona ny handray Azy isika.

 

Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hidirany ao amintsika raha mbola iainantsika ny hambo-po sy avonavona (lohasaha rehetra) ? raha mbola manjaka amintsika ny ny lainga sy ny fitaka (lalana mikitoantoana) ? raha mbola tsy hialantsika ny tsy fahatsoram-po sy ny hafetsifetsena (ny melomeloka rehetra) ? raha mbola ifikirantsika ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra tafahoatra (tendrombohitra sy havoana) ?

 

Miantso antsika ny Fiangonana amin’izao fiomanana izao mba hibebaka sy hidio, hiala amin’ny fahotana rehetra, mba ho mendrika ny famonjena efa nampanantenainy dia ny hanafaka ny olombelona amin’ny gadran’ny satana mba hihavanana indray amin’Andriamanitra sy amin’ny samy olombelona.

 

Toa nofinofy izany raha ny zavatra hiainantsika ankehitriny no jerena, mila tsy hino izany famonjena izany isika indraindray raha mijery ny manodidina; kanefa manome toky antsika Andriamanitra fa tsy miova omaly, anio ary mandrakizay tahaka ny efa nataony sy nasehony tamin’i Adama sy Eva, tamin’ny zanak’Israely tany Ejipta … ary mbola mandefa indray ny Zanany hiara-honina amintsika.

 

Koa “amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.Lk 3, 1 – 6.

Fabien RAVELOMANDA

Antoko Mpihira “FEON’ANJOMARA”

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

MATSOM-PANAHY : ALAHADY 20 DESAMBRA 2009 :

Ny Matsom-panahy ataon’ny Fiangonantsika iomanana amin’ny Noely dia hatao ny Alahady 20 desambra 2009. Ny toerana dia eny amin’ny Sœurs Aveugles de Saint-Paul – 88, avenue Denfert-Rochereau – Paris 14ème. Ny fandraisana dia hanomboka amin’ny 9 ora maraina. Misy ny fisoratana anarana mba hanamboarana ny giropy amin’ny fifampizarana. Tsy misy fandraisana anjara ara-bola akory. Manasa antsika rehetra amin’izany fiomanam-panahy izany.

2.

HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY FKMP :

Efa nanomboka tamin’ny alahady 15 novambra teo ny fanentanana antsika mianakavy amin’ny adidy fanao isan-taona eo amin’ny Hasina’Andriamanitra na « Denier de l’Eglise ». Tsapatsika tokoa fa mila enti-manana ny asa fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka notanterahanareo ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay…. » 2 Kôr. 5, 14. Fitia tsy mba hetra, mari-pitiavana, fifanohanana satria izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary e, hoy isika Malagasy. Samy manome izay foiny, fa izay tia mahafoy e. Koa manainga antsika rehetra isam-batan’olona, isan-tokantrano, na tanora na lehibe araka izay vitantsika, araka izay fointsika satria izay no mahafaly an’Andriamanitra, ary mari-pitiavana asehonao ny Fiangonana ;

« Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra » 2 Kôr. 9, 7.

3.

FIANARANA KATESIZY SY FANOMANA NY NOELY :

Ny fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany. Ny Alahady voalohan’ny volana dia an’ny Vaomieran’ny Kolontsaina, fampitana ny Kolontsaina sy ny teny malagasy.

Efa manomboka koa ny fanomanan’ny zanatsika ny Noely : hira sy tsianjery.

4.

FRAT 2010 :

Le FRAT est un pèlerinage voulu et animé par les évêques d’Ile de France. Temps de rassemblement des jeunes chrétiens des huit diocèses, il est aussi un lieu de rencontre des autres pèlerins, dont des personnes handicapées et malades.

En 2010, le Frat donne rendez-vous aux lycéens (15 – 17 ans) à Lourdes, sur le thème « Seigneur, apprends nous à prier » du 21 soir au 26 avril matin !

La FKMP va constituer un groupe pour y participer.

Antsoina am-pitiavana ny ray aman-dreny manan-janaka (anatin'ireo taona voalaza ireo na any amin'ny lycée kilasy 2nd –1ère – Terminales) hijanona aorian'ny Lamesa hifampidinika momba izany miaraka amin'ny mpanabe.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

13/12/2009 : VAOMIERAN’NY FITANTANANA (alahady faha 3 amin’ny Fiaviana)

2.

MANADIO FIANGONANA :

12/12/2009 : VAOMIERAN’NY TANORA