|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 06 Desambra 2009 |
N° 40 |
|
ALAHADY
FAHAROA AMIN’NY FIAVIANA – taona D |
|
|
Ao anatin’ny tantaram-piainantsika olombelona no
isehoan’Andriamanitra sy idirany mba hamonjena antsika. Tsy eny amin’ny volana na masoandro fa eo
amin’ny fiainantsika
an-davanandro : fiainana ara-politika, fiainana ara-toekarena, fiainana
ara-tsosialy. Asongadin’i Md Lioka amintsika amin’ity Evanjely androany ity ny
fiainana ara-politika sy ara-pivavahana
tamin’izany fotoana izany fony i Joany Batista nitory ny
hahatongavan’i Mesia sy ny tsy
maintsy hibebahana eo am-piandrasana Azy. Teo
amin’ny lafiny ara-pinoana dia i Kaifa sy Ana no mpisorona. Teo amin’ny ara-politika
kosa dia ny Rômanina no nanjanaka an’Israely . I
Tibera Sezara sy ny namany no mpitondra nampijaly sy namoritra ny olona. Fahoriana tsy roa
aman-tany no niainan’ny Jody, indrindra fa ireo Jody nanohitra io fitondrana
mpanjanaka io. Tao anatin’io tontolo politika tsy milamina, politikan’olona
tsy mpivavaka io no indro miditra Andriamanitra amin’ny alalan’i Joany
Batista. Nambaran’i Joany Batista fa ho avy ny Mpamonjy ary
tsy maintsy homanina ny fahatongavany. Ny batemim-pibebahana no fanomanana
izany. Tany an’efitra sy tany amin’ny manodidina
an’i Jordany no nitoriany izany. Faritra tsy mahalala na mahalala fa kely ny momba
an’i Kristy ireo faritra ireo. Noho izany dia tsy maintsy itoriana satria tsy
natokana ho an’ny Jody irery ny famonjena fa ho an’ny olon-drehetra. Mitondra antsika handinika ny batemy noraisintsika
io Evanjely io amin’izao fiomanana ny
fankalazana ny misterin’ny fahatongavan’Andriamanitra ho nofo izao.
Efa nandray ny batemim-pibebahana isika tamin’ny batemy noraisintsika.
Nanambara ny finoantsika isika fa « mino an’i Kristy ary mandà an’i
satana ». Tsy mora anefa ny fiainana io toky nomena
tamin’ny batemy io. Maro ireo mandrirotra antsika tsy hitodika tanteraka amin’i Kristy na
eo amin’ny lafiny ara-politika na eo amin’ny lafiny ara-toekarena….Koa
manentana antsika hanao jery todika
ny fiainam-panahintsika. Misy ny
recollection isan-karazany hanampy
antsika amin’izany. |
|
|
P.
Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier |
|
DIMANCHE
06 décembre 2009 – MESSE DU 2ème
DIMANCHE DE L’AVENT
Année C – Couleur liturgique : VIOLET
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Barôka Mpaminany |
Bar. 5, 1
– 9 |
||
|
Avelao ny
akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema ; fa ny
fanamiam-boninahitra avy aman’Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no
iakanjoy, mihodidîna ny kapaotim-pahamarinana avy aman’Andriamanitra, ataovy
ao an-dohanao ny hamaman’ny voninahitr’Ilay mandrakizay. Fa Andriamanitra
haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.
Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao :
« Fiadanam-pahamarinana », « Famiratam-pitiavam-bavaka ».
Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoana, mitazàna miantsinanana,
ka jereo irery zanakao noho ny tenin’Ilay Masina, hatrany andrefana ka
hatrany atsinanana, miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.
Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo ; fa entina
amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao, hoatra ny seza
fiandrianan’ny mpanjaka. Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa rehefa
mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola ary hotototra rehefa mety
ho lohasaha, hahamarin-tampona ny tany, mba handehanan’i Israely tsy
voasembantsembana ho an’ny voninahitr’Andriamanitra. Ny ala aman-kazo
mamofona manitra aza, nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa noho ny
didin’Andriamanitra. Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely,
amin’ny fahazavan’ny voninahiny, hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy
aminy ihany. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’i Md. Paoly
Apostôly ho an’ny kristianina tany Filipy |
Fil. 1, 4 – 6. 8 – 11 |
||
|
Ry
Kristianina havana, mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra
aho, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro
voalohany ka mandraka ankehitriny ; sady matoky aho fa izay nanomboka izany
asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny
andron’I Jesoa Kristy. Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo
rehetra ao am-pon’I Kristy Jesoa indrindra aho. Ary izao no angatahiko aminy,
dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana
rehetra ny fitiavanareo, mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho
madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’I Kristy ianareo, ary ho
feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’I Jesoa Kristy, ho voninahitra sy
fiderana an’Andriamanitra. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina
nosoratan’i Md. Lioka |
Lk. 3, 1
– 6 |
||
|
Tamin’ny
taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy
Pilaty no governora tany Jodea, I Herôda no tetrarka tany Galilea, I Filipo
rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, I Lisania no tetrarka tany
Abilena, ary I Ana sy Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’I Joany
zanak’I Zakaria tany an’efitra ny Tenin’Andriamanitra. Dia nankany amin’ny
tany rehetra amoron’I Jorodany izy, nitory batemim-pibebahana ho
famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’I Izaia
mpaminany hoe : Re ny feon’ilay niantso avy an’efitra hoe : amboary ny
lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany ; ny lohasaha rehetra hototofana, ny
tendrombohitra sy ny havona rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny
lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny
nofo rehetra. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
Samy manaiky isika
kristianina fa tsy fiomanana amin’ny fahatsiarovana fe fahatsiarovana ny
nahaterahan’ny Kristy fotsiny ny “Fiaviana”, ka hanaovana ny Noely ho toy ny “tsingerin-taona”
hanararaotana hanaovana fetibe, fa fahaterahan’I Jesoa Mpamonjy indray eo amin’ny
fiainantsika. Ny Evanjely anio dia manainga antsika hanamboatra ny lalan’ny Tompo.
Mazava ho azy fa tsy arabe akory ny halehany fa ny fontsika raha toa ka
vonona ny handray Azy isika. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hidirany ao amintsika raha mbola
iainantsika ny hambo-po sy avonavona (lohasaha rehetra) ? raha mbola
manjaka amintsika ny ny lainga sy ny fitaka (lalana mikitoantoana) ?
raha mbola tsy hialantsika ny tsy fahatsoram-po sy ny hafetsifetsena (ny
melomeloka rehetra) ? raha mbola ifikirantsika ny fitiavan-tena sy ny
fitiavam-boninahitra tafahoatra (tendrombohitra sy havoana) ? Miantso antsika ny Fiangonana amin’izao fiomanana izao mba hibebaka
sy hidio, hiala amin’ny fahotana rehetra, mba ho mendrika ny famonjena efa
nampanantenainy dia ny hanafaka ny olombelona amin’ny gadran’ny satana mba
hihavanana indray amin’Andriamanitra sy amin’ny samy olombelona. Toa nofinofy izany raha ny zavatra hiainantsika ankehitriny no
jerena, mila tsy hino izany famonjena izany isika indraindray raha mijery ny
manodidina; kanefa manome toky antsika Andriamanitra fa tsy miova omaly, anio
ary mandrakizay tahaka ny efa nataony sy nasehony tamin’i Adama sy Eva,
tamin’ny zanak’Israely tany Ejipta … ary mbola mandefa indray ny Zanany
hiara-honina amintsika. Koa “amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.” Lk 3, 1 – 6. |
|
Fabien RAVELOMANDA |
|
Antoko Mpihira “FEON’ANJOMARA” |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
MATSOM-PANAHY :
ALAHADY 20 DESAMBRA 2009 : Ny Matsom-panahy ataon’ny
Fiangonantsika iomanana amin’ny Noely dia hatao ny Alahady 20 desambra 2009. Ny toerana dia eny amin’ny Sœurs Aveugles de Saint-Paul – 88, avenue Denfert-Rochereau – Paris 14ème. Ny
fandraisana dia hanomboka amin’ny 9 ora maraina. Misy ny
fisoratana anarana mba hanamboarana ny giropy amin’ny fifampizarana. Tsy misy fandraisana anjara ara-bola akory. Manasa
antsika rehetra amin’izany fiomanam-panahy izany. |
|
|
2. |
HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY FKMP : Efa nanomboka tamin’ny alahady 15 novambra teo ny fanentanana antsika
mianakavy amin’ny adidy fanao isan-taona eo amin’ny Hasina’Andriamanitra na
« Denier de l’Eglise ». Tsapatsika tokoa fa mila enti-manana ny asa
fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka notanterahanareo ny
tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay…. » 2
Kôr. 5, 14. Fitia tsy
mba hetra, mari-pitiavana, fifanohanana satria izay tsy mahay sobika mahay
fatam-bary e, hoy isika Malagasy. Samy manome izay foiny, fa izay tia mahafoy
e. Koa manainga antsika rehetra isam-batan’olona, isan-tokantrano, na tanora
na lehibe araka izay vitantsika, araka izay fointsika satria izay no mahafaly
an’Andriamanitra, ary mari-pitiavana asehonao ny Fiangonana ; « Samia manao
araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa
mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra » 2 Kôr. 9, 7. |
|
|
3. |
FIANARANA KATESIZY SY FANOMANA NY NOELY : Ny fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky
ny alahady amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa
mamporisika ny ray aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany. Ny Alahady
voalohan’ny volana dia an’ny Vaomieran’ny Kolontsaina, fampitana ny Kolontsaina
sy ny teny malagasy. Efa
manomboka koa ny fanomanan’ny zanatsika ny Noely : hira sy tsianjery. |
|
|
4. |
FRAT 2010 : Le FRAT est un pèlerinage voulu
et animé par les évêques d’Ile de France. Temps de rassemblement des jeunes
chrétiens des huit diocèses, il est aussi un lieu de rencontre des autres
pèlerins, dont des personnes handicapées et malades. En 2010, le Frat donne rendez-vous aux lycéens (15 – 17
ans) à Lourdes, sur le thème
« Seigneur, apprends nous à prier » du 21 soir
au 26 avril matin ! La FKMP va constituer un groupe
pour y participer. Antsoina am-pitiavana ny
ray aman-dreny manan-janaka (anatin'ireo |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORIZIA : 13/12/2009 :
VAOMIERAN’NY FITANTANANA (alahady faha 3 amin’ny Fiaviana) |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : 12/12/2009 :
VAOMIERAN’NY TANORA |
|