“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 08 Febroary 2009

N° 04

ALAHADY FAHA 5 – TAONA B

 

Misy antony ny fijaliana

 

Tsy mamporisika antsika hiaritra fijaliana  ny Tenin’Andriamanitra androany, indrindra ny Vakiteny voalohany fa entin’Andriamanitra hampandinika antsika ka hitodiantsika any Aminy. Ny tantaran’I Joba no ahazoantsika ny hevitry ny fijaliana izay mianjady amintsika indraindray  eo amin’ny fiainana andavan’andro.

 

Maty ny biby fiompy sy ny zanaka rehetra ary ny mpiasan’I Joba .  Ny olona nanodidina dia naneso azy ary nihevitra fa matoa iharan’izao fahoriana izao izy dia nanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra. I Joba anefa olo-marina. Tsy nanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra. Tsy takatry ny sainy ny antony. Vokany ?   Kivy tanteraka tamin’ny fiainana teto an-tany izy. Tsy nahita izay  fahasambarana intsony . Very fanantenana mbola velona: “andro fanompoana ny fiainan’ny olona eto an-tany, ary toy ny mpikarama ny androny”, “mandry an-driran’antsy”, hoy izy. Inona no hataony ? Hamono tena ve?

 

Teo anatrehan’ny fahakiviana, tao anatin’ny misasakalina iny  no nahatisaro an’Andriamanitra izy  ary nivavaka nanao hoe “Andriamanitra ô,  tsarovy fa fofona kely foana ny aiko” azo adika hoe” Andriamanitra, jereo ny fahosako fa kely sy bitika aho”. Nitsiry hatreo ny fanantenan’I Joba. Niaiky izy fa Andriamanitra no afaka mamaha ny olana misy eo aminy.Olana izay tsy takatry ny sainy  satria mifanohitra amin’ny lojikam-piainan’ny Jody.( Olo-marina nefa iharam-pahoriana).

 

Io fanantenan’I Joba io koa no entin’ny Vakiteny hankaherezana antsika eo amin’ny andro sarotra sy mangidy mety miseho eo amin’ny fiainantsika.  Ambaran’I Joba eto fa akaiky antsika Andriamanitra. Tsy manary antsika Izy eo amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny  fahakiviana. Lalan- tokana ahafahantsika miala amin’ny hakiviana Izy.  Porofoin’ny Evanjely izany tsy fialan’Andriamanitra amintsika izany eo anatrehan’ny fijaliana toy ny aretina . Manolo-tanana antsika Andriamanitra eo amin’ny fijaliana iainantsika.Toy izany no nataon’I Kristy raha nanasitrana ny rafozambavin’I Simôna izay voan’ny tazo Izy.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 08 FEVRIER 2009 – MESSE DU 5ème DIMANCHE – Année B

Couleur liturgique : Vert

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Jôba

Jôb. 7, 1 – 4. 6 – 7

Tamin’ny izany andro izany, niteny i Jôba nanao hoe: “Andro fanompoana, ny fiainan’ny olona eto an-tany, ary toy ny an’ny mpikarama ny androany. Toy ny mpanompo maniry alokaloka, toy ny mpikarama miandry ny karamany, mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory, sy nana izay anjara volana mampijaly. Fa nony handry aho manao hoe  : “ Rahoviana aho no hifoha  ? Rahoviana ny alina no ho tapitra?” Dia mandry an-driran’antsy foana eo aho, mandra-pahazavan’ny andro. Mihelina faingana toy ny  famahanan-tenona ny androko, dia lany : tsy misy fanantenana intsony ! Andriamanitra ô! Tsarovy fa fofona kely foana ny aiko! Ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 6, 16 – 19. 22 – 23

Ry kristianina havana, raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely. Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho ; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. Inona àry ny valisoa azoko ? Izao ihany : mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely ? Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon’iza na iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa. Tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy , mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra. Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 1, 29 – 39

Tamin’ny izany andro izany, raha nivoaka avy tao amin’ny Sinagôga i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany, dia nakany an-tranon’ i Simôna sy Andre. Ary ny rafozambavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo tamin’ny niaraka tamin’izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,, ary ny tao an-tànana rehetra nitangorrona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy. Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany , ka nony nahita Azy dia nilaza tamin’ny hoe : « Tadiavin’ny olona rehetra Ianao ». Fa izao no navaliny : «  Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa ; fa izany no nivoahako ». Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona sy eran’ny Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

“Mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely”, hoy ny Vakiteny faharoa anio. Sarotra ho antsika olombelona ny manatanteraka izany. Nefa moa va tsy fandalovana ihany eto an-tany ? Ny ahiahy, ny hafaliana, ny fijaliana, mifamahofaho ao avokoa. Koa mandry ivohan’ny vato izay mametraka ny fiainany amin’Andriamanitra. “Ny Reny anie ka tambitamby foana e! Ny Reny tsy mamela ny kibo kely ho noana”. Toy izany koa ny Tompo Andriamanitsika miahy sy mitsimbina antsika isan’andro.

Fanja ZOARIMAMY

Vaomieran’ny Fiaraha-Monina

 

( COMMUNIQUE DE L’ANCMF

 

Aumônerie Nationale des Catholiques Malgaches de France (ANCMF)

 

Lille 05 février 2009

 

A toutes les communautés catholiques malgaches de France,

 

Chers frères et sœurs,

*

Vu les circonstances chaotiques à Madagascar, L’ANCMF convie  chaque communauté de consacrer un dimanche ou une journée de prière autour de l’Eucharistie pour la paix à Madagascar.

 

Au cours de cette célébration nous ne manquerons pas de porter notre attention sur les victimes et leurs proches, les personnes qui ont perdu leur emploi, les personnes complètement démunies de leurs biens en ce temps de crise.

 

Nous prions aussi pour nos dirigeants pour que l’intérêt de la nation prime dans leur ambition et que l’Esprit Saint les aide à mieux dialoguer pour l’unité et le bien du pays.

N’hésitez pas à inviter à cette prière les autres communautés de votre diocèse, ainsi que les mouvements (secours catholique), le collectif chrétiens (CCFD), les services (la pastorale des migrants par exemple…).

 

L’ANCMF exprime avec force sa solidarité auprès des personnes victimes de ces évènements violents et a foi à notre chaîne de prière. Nous pourrions nous tenir au courant du jour et de l’heure de nos célébrations, pour que constamment nous restions unis dans la prière autour du corps du Christ pour que la paix revienne à Madagascar.

 

Une prière œcuménique pourrait être une démarche en sus de ce que l’ANCMF vous propose.

 

Toute notre unité avec vous dans la prière.

Raphaël ANDRIAMAHEFA

Président de l’ANCMF

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

KATESIZY :

Ny fianarana katesizy dia mitohy ny Alahady 15 febroary 2009 izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro eto am-piangonantsika.

2.

Matsom-panahy :

Ny Antoko Mpihirantsika « Feon’Anjomara dia hanao Matsom-panahy ny asabotsy 21 sy alahady 22 febroary 2009 izao. Izany dia hatao eny amin’ny Basilique du Sacré Cœur eny Montmartre (Paris 18ème).

3.

ANCMF :

Nisy fanovana kely ny Birao Nasionaly satria nametra-pialana ny Filoha Lefitra Mbola RATSIMAHATAHODRIAKA, ka nosoloana an’i Christian RAHAJARIZAFY Mpitantsoratra Nasionaly, ary i Jocelyn RABARIJAONA indray no lasa Mpitantsoratra Nasionaly.

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mainakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Holazaina tsy ho ela ny fizaran-draharaha.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORZIA :

F 15/02/2009 (Alahady faha-6 tsotra / Taona B) : Vaomieran’ny Tanora

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 14/02/2009  Birao

 

 

ü vaovao samihafa

 

1.

NAHOMBY NY FANDIDIANA :

Vita soa aman-tsara ny fandidiana fanasarahana an’izy mirahalahy Imahagaga sy Imahalatsa, izay natao tao amin’ny hopitaly Necker – fitsaboana zaza marary, ny alarobia  04 febroary 2009 lasa teo. Naharitra ora enina ny fandidiana izay nataon’i Profesora Yann REVEILLON, nampian’i Profesora Lalaina izay nanaraka azy hatrany Madagasikara. 8 volana izy mirahalahy ireto no nikambana, teraka ny 16 jona 2008. Mitohy moa ny fitsaboana taorian’iny fandidiana iny. Ny fanampiana ny reniny eo amin’ny ara-pivelomana no anentanana ny Malagasy rehetra sy ireo olona tsara sitrapo.

 

Rakitra farany

01/02/2009

277,28 €

Raki-pisaorana nataona fianakaviana iray (01/02/09)

95,00 €