|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 22 Novambra 2009 |
N° 38 |
|
I JESOA KRISTY
MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO – taona b |
|
|
Ity no Alahady tsotra mamarana ny taona litorjika
amin'ny taona B. Amin'ny alahady manaraka isika manomboka ny taona D sady
miditra amin'ny vanim-potoanan'ny AVENT na
FIAVIANA . Sady mamarana ny vanim-potoana tsotra mandavan-taona ny
Fiangonana anio no mankalaza an' i KRISTY MPANJAKA (CHRIST ROI). Ao amin'ny Vakinteny Masina voalohany àry dia
ambaran'i Daniela Mpaminany (Dan.7,13 –
14) fa nahita famantarana izy dia ny Zanak'olona izany, niseho teny
amin'ny rahon'ny lanitra ; dia nomena Azy ny fahefana sy ny voninahitra
amam-panjakana, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny izany Fanjakana
izany. Dia hoy koa i Joany Apôstôly ao amin'ny Boky Fanambarana (Apok.1, 5 – 8) hoe: “Indro Izy avy , eo amin'ny rahona, ka
hahita azy ny maso rehetra ... Eny Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy
fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra.” Ary ny Evanjely dia i Jesoa
mihitsy no manambara tena amin'ny mpisorona, amin'i Pilaty eto fa Mpanjaka
Izy.Tsy misalasala Izy milaza izany fa kosa fa tsy fanjakan'izao tontolo izao
ny azy. Rehefa dinihintsika akaiky ity Evanjely ity dia
toa tsy zakan'ny olona mihitsy ny nilazan'i Jesoa mivantana fa izy no
Mpanjaka, valaketra i Pilaty ary dia lasa nivoaka ny trano mba haka toky
amin'ny vahoaka. Ny filazana ny marina toy izany matetika dia tsy zakan'ny
olombelona, rehefa ny tena marina no mipoitra dia sahirankirana daholo ny
olona, dia mifampitodika sy mifampiresaka hoe fa nahoana no nolazaina !!!
Izany no mihatra amin'i Jesoa eto. Nihorohoro avokoa ireo mpanora-dalana sy
mpisorona satria voasongona ny toerany. Nipoitra ny tena marina fa i Jesoa no
Mpanjaka. Dia matetika isika eo amin'ny fiainana
andavan'andro, indrindra eo amin'ny toeram-piasana na any am-pianarana rehefa
misy hafa toa manelingelina na toa lasalasa noho isika dia matahotra isika
sao dia ho voasongona ka ho lasany ny toerana ambony sy tsara. Mitodika
amin'ny zava-misy eo amin'ny Firenena Malagasy isika ankehitriny : inona no
mitranga? Toa samy mitady seza ny ankamaroany. Nihorakoraka ny vahoaka maro mba hofantsihana sy
hovonoina i Jesoa fa sao dia lasany ny toerana ambony. Ko izany àry no
ivavahantsika ho an'ny tenantsika aloha, ho an'ireo mpitondra Fiangonana,
mpitondra fanjakana isan'ambaratonga mba samy ho tonga saina ny olona rehetra
ka ifandefitra sy ifanaja mba hisian'ny fandriam-pahalemana sy fiadanana dia
ho foana miandalana ny toe-tsaina miady toerana. |
|
|
Soeur
RASOAMAMPIONONA Clarisse |
|
DIMANCHE
22 Novembre 2009 – MESSE DU CHRIST, ROI DE L’UNIVERS
Année B – Couleur liturgique : BLANC
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Daniela Mpaminany |
Dan. 7,
13 – 14 |
||
|
Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny
Zanak’olona tamy, teny ambonin’ny rahon’ny lanitra ; nandroso Izy nankeo
amin’ilay Anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany ; dia nomena Azy ny fahefana
sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka
amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana
ny fahefany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny Fanjakany. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Boky Fanambaràna
nosoratan’i Md. Joany |
Apok. 1,
5 – 8 |
||
|
Homba anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’I Jesoa
Kristy Ilay vavolombelona mahatoky, Lahy matoa amin’ny maty, ary Filohan’ny
mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia
antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany, sy nanao antsika ho fanjakana
ama-mpisoron’Andriamanitra Rainy, eny, ho Azy anie ny voninahitra
amam-pahefana mandrakizay. Amen. Indro Izy avy, eo amin’ny rahona, ka hahita
Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza ; ary handon-tratra
ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen. Izaho no
Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay
ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i
Md. Joany |
Jo. 18,
33b – 37 |
||
|
Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao
hoe : « Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao ? » Jesoa namaly
hoe : « Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza
Ahy taminao ? » Dia namaly I Pilaty nanao hoe : “Fa izaho angaha Jody ? Ny firenenao sy ny
mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao ?” Jesoa namaly hoe
: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako ; fa raha anisan’izao tontolo
izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho ; fa
tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako”. Dia hoy I Pilaty taminy : “Koa
Mpanjaka izany Ianao ?” Ary novalian’I Jesoa hoe : “ Efa voalazanao :
Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, dia
mihaino ny feoko”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
MPANJAKA IZANY IANAO RY JESOA ?
Ary hoy ny Tompo hoe :
Fa ny mahavariana anefa dia ireo olona tsy nampoizina no nahalala
tamin’izany andro izany hoe iza i Jesoa :
Ary hoantsika,
iza i Jesoa ? Tamin’ny
Alahady tsotra faha 24, 13 septambra 2009, dia efa nipetraka tamintsika io
fanontaniana io : Ataonao ho iza i Jesoa ? Amin’izao
fotoana famaranana ny taona litorzika izao dia manaitra antsika ny fiangonana
amin’ireo boky « apocalyptiques » : Ny bokin’i Daniela mpaminany
izay azo lazaina hoe « Apocalypse de l’Ancien Testament » ary ny
boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany moa dia efa hoe « Apocalypse du
Nouveau Testament ». Hoantsika ary : Iza I Jesoa Kristy ? Mpanjaka eo amin’ny
fiainantsika ve Izy ? Fanontaniana
tsy hitsahatra hipetraka eo amintsika kristianina, izay mpanara-dia azy, ireo
fanontaniana ireo. Amin’inona ary no hamaliantsika ireo fanontaniana ireo ? |
|
Rivo RASOLOFOMANANA |
|
Birao FKMP |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
ASSEMBLEE PAROISSIALE – ANKOHONAM-PIANGONANA : Araka ny torimarika pastôraly eto amin’ny Diosezy dia samy
hanao Assemblée Paroissiale indroa amin’ity taona 2009 – 2010 ity ny Paroasy
tsirairay. Ka ny antsika Malagasy eto amin’ny FKMP dia ny ALAHADY 29 NOVAMBRA
2009 izao, manomboka amin’ny 2 ora tolak’andro. Tongava daholo fa sady
fibeazana io no no fampisehoana ny maha-mpianakavy antsika atambatry ny
Eokaristia ary samy irahana eo anivon’ny mpiara-belona : « EUCHARISTIE ET MISSION ».
|
|
|
2. |
HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY
FKMP : Efa nanomboka tamin’ny alahady 15
novambra teo ny fanentanana antsika mianakavy amin’ny adidy fanao isan-taona
eo amin’ny Hasina’Andriamanitra na Denier de l’Eglise. Tsapatsika tokoa fa
mila enti-manana ny asa fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka
notanterahanareo ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika
izahay…. » 2 Kôr.5, 14. Fitia tsy mba hetra, mari-pitiavana, fifanohanana satria
izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary e, hoy isika Malagasy. Samy manome
izay foiny, fa izay tia mahafoy e. Koa manainga antsika rehetra
isam-batan’olona, isan-tokantrano, na tanora na lehibe araka izay vitantsika,
araka izay fointsika satria izay no mahafaly an’Andriamanitra, ary
mari-pitiavana asehonao ny Fiangonana ; « Samia
manao araka izay izay efa nokasainy
tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no
sitrak’Andriamanitra” 2
Kôr. 9, 7 |
|
|
3. |
FIANARANA
KATESIZY SY FANOMANA NY NOELY : Ny
fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora
tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray aman-dreny
hitondra sy handefa ny zanany. Efa manomboka koa ny
fanomanan’ny zanatsika ny Noely : hira sy tsianjery. |
|
|
4. |
FIVAHIANIANA
MASINA HATAON’NY TANORA Amin’ny Asabotsy 28
sy Alahady 29 novambra 2009 dia hanao Fivahianiana Masina any DOURDAN
(91) ny tanorantsika miaraka amin’ny tanora ao amin’ny Paroasy Saint
Pierre de Montrouge. |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 29/11/2009 : VAOMIERAN’NY
FINOANA |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 28/11/2009 : SAMPANA ANTOKO MPIHIRA « Feon’Anjomara » |
|