|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 8 Novambra 2009 |
N° 36 |
|
ALAHADY FAHA
32 MANDAVANTAONA – taona b |
|
|
IZAY TIA,
MAHAFOY Ataoko fa voafehin’io teny kely fa mafonja io ny
Vakiteny telo izay naroson’ny Fiangonana ho dinihintsika androany. Tsy
hodinihina fotsiny mantsy izy io fa ezahina hiainana amin’ny fiainana
an-davan’andro ary avy eo dia zaraina amin’ny hafa koa. Ny Vakiteny voalohany dia milaza fa na dia ny kely
eny an-tanantsika aza dia mbola angatahin’Andriamanitra amintsika. Mafy
amintsika izany hoe manome fa indrindra rehefa kely sisa no eo an-tanana, mahafaly
kosa anefa ny mandray ; izany hoe mahafaly antsika ny mahazao takalony
na tambiny. IZAY TIA anefa dia MAHAFOY na misy takalony na tsia. Hoy Md Paoly hoe : « TIAVA MARINA TOKOA DIA
ATAOVY IZAY TIANAO ATAO » . Tsy mora koa anefa ny mitia indrindra manoloana ny mpanenjika
isan-karazany ; dia hoy aho hoe izay manenjika anie ao aoriana foana e ary
izay enjehina lasa aloha mandrakariva ka noho izany dia tsy tokony ho kivy
manoloana izany fa tokony hiroso
hatrany hanompo ilay miantso antsika amin’ny fiainana lavorary. Mitaky ny
fahafoizantsika tena ny asa fanompoana, mitaky ny fahafoizana fotoana,
finiavana, talenta eny fa na dia izay
kely ananantsika aza. Rehefa mitia koa dia vonona ny ho mpanompo ary ny
fanompoana mitaky fandeferana, mitaky
fanetren-tena. Rehefa mahafoy dia tsy ilaina avonavona fa ao anatin’ny
fahanginana sy fanetren-tena tanteraka; tsy ilainy ny fisehosehoana fa
Andriamanitra mahita ny miafina no hamaly soa anao. Raha milaza aho fa
mandray andraikitra ao amin’ny
Fiangonana, mahafoy vola aman-karena , mandany fotoana amin’ny
asam-piangonana kanefa tsy misy fitiavana sy entina mihebohebo fotsiny dia
zava-poana izany rehetra izany. Koa raha tia marina ary isika dia mahaiza manome,
mahaiza mizara izay mahasoa fa tsy ny ratsy foana akory no tanisaina
isan’andro. Manam-pitiavana ve isika ? Mahaiza manampy ny namana hiala amn’ny
toen-tsaina tia mitsikera fotsiny satria ny manampy ny hafa hiroso amin’ny
tsaratsara kokoa dia fahafoizan-tena tena tsara. Ka izay TIA DIA MAHAFOY ary ny MAHAFOY koa
dia HENIKY NY FITIAVANA. |
|
|
Sœur
Olga HAINGONIRIANA |
|
|
|
|
DIMANCHE 8
Novembre 2009 – MESSE DU 32ème DIMANCHE
Année B – Couleur liturgique : VERT
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky voalohan’ny Mpanjaka |
1 Mpanj.
17, 10 – 16 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, dia niainga nankany Sareftà i Elia mpaminany. Nony mby eo
am-bavahadin’ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo
nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe : « Aza mahafady, mba
angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko ». Dia nandeha naka
rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary
nataony hoe : « Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho,
raha sitrakao ». Fa hoy ny navaliny : « Velona ny Tompo
Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko ; lafarîna eran-tanana ila
ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako. Ary indro
aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka
; hohaninay izany, dia ho faty izahay ». Fa hoy i Elia taminy :
« Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy
mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankaty amiko, vao manao ho anao sy
ny zanakao ianao. Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely : Ny
lafarînina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena
akory, mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranon’orana eto ambonin’ny
tany ». Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia, ka
nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa. Ny lafarînina tao
am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny
Tenin’Andriamanitra, nolazainy tamin’ny alalan’i Elia. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy ho an’ny
Kristianina Hebrio |
Heb. 9,
24 – 28 |
||
|
Ry Kristianina Havana,
tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no
nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo
anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny. Ary tsy mba toy ny Mpisorombe
niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa
Izy, ka hoe hanolo-tena matetika ; raha izany dia ho nijaly matetika Izy
hatrizay nanaovana izao tontolo izao ; fa indray mandeha monja Izy no
niseho tamin’izao andro farany izao, mba hanongotra ny fahotana tamin’ny
nanolorany ny Tenany ho sorona. Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty
indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany, no nanoloran’i Kristy ny
Tenany indray mandeha monja koa, mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola
hisehoany tsy amin’ota fanindroany, mba hamonjy izay miandry Azy. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina
nosoratan’i Md. Marka |
Mk. 12,
38 – 44 |
||
|
Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’I Jesoa tamin’ny fampianarana nataony tamin’ny vahoaka : « Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangatsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa ». Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny
fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro
ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray
tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’I Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe : « Lazaiko marina
aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra ; satria ireo
rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy,
dia izay rehetra nananany sy ivelomany ». |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
IZAY TIA
MAHAFOY I
Kristy no fakan-tahaka amin’ny fahadiovam-pitondrantena. Nanolotra ny tenany
Izy hamonjena antsika mpanota (Vakiteny faharoa). Nahafoy
ny lafarina sy ny diloilo kely an-tanana ho an’I Elia rahavehivavy nefa
tokony sakafo ho azy sy ny zanany (Vakiteny voalohany). Narotsak’ilay
mahantra ho rakitra daholo izay mba hany fananany (Evanjely Masina). Vokany
: honeran’Andriamanitra zato heny ireo fahafoizan-tena ireo. Ny
fahafoizan-tena nataon-drahavehivavy sy ilay mahantra dia mampahatsiahy avy
hatrany ny fampianarana nomen’I kristy ho an’ny olombelona mba tsy ho tia
harena diso tafahoatra. Hoy Izy: « Aza mihary harena ho anareo ety
an-tany…, fa miharia harena ho anareo any an-danitra…fa izay itoeran’ny
harenao no itoeran’ny fonao koa » (Matio 6, 19-21). Araka izany,
tsaroantsika ny teniny hoe « sambatra ny mahantra am-panahy fa hahita ny
Fanjakan’ny Lanitra » ary « moramora kokoa ho an’ny rameva ny
miditra ao amin’ny vodim-panjaitra noho ny mpanankarena ho ao amin’ny
fanjakan’ny lanitra ». Eto dia mampianatra antsika I Kristy mba hahay
hifampizara, hifanampy, hiala amin’ny fitiavantena satria… « Izay tia
mahafoy ». Noho izany tokony ho tia amin’ny fo sy fanahy
ary saina manontolo fa tsy hoe mody tia. « Tiavo ny namanao
tahaka ny tenanao » hoy izy. Ny fitiavana tokoa mantsy no fiantsoana
fototra izay hangatahan’I kristy antsika isan’andro. OHABOLANA
MALAGASY MOMBA NY FITIAVANA 4
« Fitia mifamaly
mahatsara ny fihavanana » (L’amitié
réciproque développe la concorde) 4
« Ataovy fitia
landihazo : ka ny madilana tentenana, ary ny maito tohizana » (Traitez vos amis comme on traite un fil de
coton : s’il est trop mince, on y ajoute, et s’il se casse, on rattache
les deux bouts) 4
« Tsy tia ka
manaratsy » (Quand on n’aime pas
quelqu’un, on en dit du mal) 4
« Maso sy orona,
ka alahelo no iraisana » (Les yeux
et le nez, c’est le chagrin qui les rapproche) 4
« Aza manao ahy sy
azy » (Ne dites pas « c’est à
moi », « c’est à lui ») 4
« Izay iray vatsy
iray aina » (Ceux qui ont les
mêmes provisions de voyage sont unis dans la vie) 4
« Ny iray tsy tia
mafana, ary ny iray tsy tia mangatsiaka ; ka ataovy marimaritra
hiraisana » (L’un n’aime pas
chaud, l’autre n’aime pas le froid ; donc faites tiède pour rester
d’accord) |
|
Lanto RAKOTOARIMANANA |
|
Vaomieran’ny KOLONTSAINA |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
FILAN-KEVITRA PASTORALY : Mbola hanao fivoriana manokana
ny Filan-kevitra Pastôraly ny Alahady 15 novambra izao handinihana eto
amin’ny Chapelle Saint Paul. §
Ny teti-bola 2009 – 2010. Koa
iangaviana ny Vaomiera sy Sampana tsirairay avy samy hanomana izany. |
|
|
2. |
FILAN-KEVITRA
IOMBONANA ANCMF :
|
|
|
3. |
FIANARANA KATESIZY : Ny
fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora
tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray
aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany. |
|
|
4. |
FIVAHIANIANA MASINA HATAON’NY TANORA Amin’ny
Asabotsy 28 sy Alahady 29 novambra 2009 dia hanao Fivahianiana
Masina any DOURDAN (91) ny tanorantsika miaraka amin’ny tanora ao amin’ny
Paroasy Saint Pierre de Montrouge. |
|
|
5. |
FANASANA – SOIREE CMZE AO MONTANA (94) : Ny
Catholiques Malgaches et Zanatany d’Evry (CMZE) dia manasa ny rehetra
amin’ny Dîner dansant hataon’izy ireo ny Asabotsy 14 novambra 2009,
manomboka amin’ny 9 ora alina. Ny toerana dia ao Montana (94) :
76 – 78, avenue Barbusse – Val Pompadour (N 6), 94460 VALENTON. Fandraisana
anjara : Ankizy : 12 € ,
Lehibe : 16 € na 26 € (araka ny sokajy taona). |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 15/11/2009 : Maintimolalin’ny
SAINT MICHEL |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 14/11/2009 : BIRAO |
|