“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 1 Novambra  2009

N° 35

ALAHADY FETIN’NY OLOMASINA REHETRA

 

Mifanandrify indrindra amin’ity  andron’ny Tompo anio ity no ankalazantsika ny Fetin’ireo Olomasina efa any an-danitra dia anoloran’ny Fiangonana ho an’ny zanany rehetra  ny Vakiteny Masina telo , izay samy hita ao amin’ny Testamenta vaovao. Ifampizarako  fohifohy aminareo ny anambaran’i Jesoa mombanny FAHASAMBARANA (Mt. 5, 1-12a).

 

Eny e ! mety hahavaka ny saintsika ihany ny mandray ireo tenin’i Jesoa ireo eto amin’ity toko sy andininy ity satria lazainy fa : « Izay mahantra  no hahazo ny fanjakan’ny lanitra. Izay noana indray no ho voky. Izay mitomany no ho faly… ». Ahoana tokoa moa no ahafahantsika mino an’izany  sy ho resy  lahatra raha  tsy amin’ny  masom-pinoana sy am-panetren-tena no andraisana izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Zavatra iainana ao anaty manko ireo, azo tsapain-tanana ary hitan’ny maso. Mihatra amin’ ny vatana ny hanoanana . mianjady amin’ny isam-pianankaviana ,isan-tokantrano, isam-pirenena ny fahantrana ; re manako any anaty any ny alahelo ary miseho amin-dranomaso na fahanginana matetika. Hita maso ny fanilihana sy ny fanavakavahana rehefa tsy tiana ianao anatin’ny fikambanana misy anao. Dia amin’ireny fisehoan-javatra ireny no ilazan’i Jesoa amin’ny mpianany fa misy ny HASAMBARANA . Dia hoy aho amin’ny fizarako hoe : HASAMBARANA ARA-PANAHY E ! Miaritra fijaliana  ara- batana toa an’i Jesoa isika raha te ho sambatra miaraka Aminy  ary mahafoy izay heverina ho tsara  eto an-tany mba handray izay mendrika indrindra any an-danitra.

 

Dia izany  no ampifandraisantsika ny fety izay ankalazain’ny Fiangonana anio . Matoa ireo OLOMASINA any an-danitra ireo efa sambatra eo an-kavanan’ny Mpahary dia inoantsika fa niharitra ny mafy sy ny mangidy izy ireo teto an-tany , nijoro ho vavolombelon’ny Tompo tamin’izay niainany .Ary ankehitriny dia efa mivavaka ho antsika izy. Isika izay mbola miezaka hanova ny fijaliana ho hafaliana ; ny fahantrana ara-batana mba hahazoana ny fanjakan’ny lanitra ; ny fanilihana sy ny fankahalana hanjary fihavanana ka  hifankahazo resaka ireo mpifahavalo dia ho tanteraka ny tenin’i  Jesoa fa HO SAMBATRA isika. Ho sambatra isika amin’ izay toerana misy antsika any fa hiaritra fijaliana, ahatsapana fankahalana sy fanilihana, hamindra fo an’izay mangata-pamelana amintsika raha nisy ny tsy fifankazahoana dia ho tonga olomasiana koa indray andro anyrehefa ho avy ny andro iantson’ny Tompo antsika.

 

Ny andro rahampitso 02 Novembre koa moa dia hahatsiarovana NY MPINO NODY MANDRY  na hoy isika hoe ireo havana efa nialoha lalana antsika dia hitondra am-bavaka azy ireo isika : ny tapaka sy namana , zoky sy zandry , ray aman-dreny, havan-tiana efa nody mandry rehetra . Akambantsika ny vavaka miaraka amin’i Masina Maria Reny ary izy izeo hametraka ny hetahetantsika ao amin’Andriamanitra.

Sœur Clotilde

 


DIMANCHE 1ER Novembre 2009 – MESSE DE LA TOUSSAINT

Année B – Couleur liturgique : BLANC

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.




& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Fanambarana nosoratan’i Md Joany

Apôk. 7, 2 – 4 . 9 – 14

Izaho Joany dia nahita Anjely iray hafa, niakatra avy amin’ny fiposahana ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina hanimba ny tany aman-dranomasina, nanao hoe : « Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay fitomboka eo amin’ny handrin’ny mpanompon’ny Andriamanitsika ». Ary reko ny isan’izay voaisy fitomboka tamin’ny fokon’i Israely rehetra, ka efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izy. Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia. Niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe : « An’Andriamanitra izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry ny famonjena ! » Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra, ny Anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianina, nitsaoka an’Andriamanitra nanao hoe : « Amen ! An’Andriamanitra mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana ary ny hery ! » Tamin’izany ny iray tamin’ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe : « Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no niaviany ? » Dia hoy ny navaliko azy : « Ianao no mahalala, Tompoko ». Ary hoy izy tamiko : « Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy nanadio ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy Voalohan’i Md Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 1 – 3

Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady tena zanany tokoa isika ! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika ; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany mba ho madio tahaka Azy.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mk. 5, 1 – 12a

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, nony nahita ny vahoaka nanaraka Azy, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe : « Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampaingana lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko : mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !



( fifampizarana

 

 

Andro fety izao alahady 1 novambra izao : fetin’ny Olomasina rehetra. Raha vao maheno ny teny hoe Olomasina isika dia ny hasambarana any an-danitra no tonga ao an-tsaina. Manamafy izany i Md Matio ao amin’ny Evanjely (Mt 5, 1-12a) raha miresaka ny hasambarana valo izy (les béatitudes) amin’ny fampanantenana ny valisoa any an-danitra. Manomboka ety an-tany koa anefa ny Paradisa ; manomboka ety an-tany ny fiomanana ho olomasina. Isika tsirairay avy dia samy manana, farafaharatsiny, hasambarana iray amin’ireo voasoratr’i Md Matio ireo. Ao ny malemy fanahy ; misy ny noana fahamarinana ; ao ny tia fihavanana ; tsy vitsy ny madio fo, sns. Marina fa toa takon’ny toetra ratsy izy ireo saingy andramo ange ny mieritreritra fa manana hasambarana isika ary raha mampamokatra ny talentantsika dia ho lehibe ny valisoantsika any an-danitra …

 

Hajanirina RAKOTOZAFY

Vaomieran’ny TANORA



¦ soritr’asa manaraka

 

1.

FILAN-KEVITRA PASTORALY :

Mbola hanao fivoriana manokana ny Filan-kevitra Pastôraly handinihana :

§          Ny  teti-bola 2009 – 2010. Koa iangaviana ny Vaomiera sy Sampana tsirairay avy samy hanomana izany

 

2.

FILAN-KEVITRA IOMBONANA ANCMF :

Omaly Asabotsy 31 oktobra sy androany alahady 1 novambra 2009 no hatao any Nice ny Filan-kevitra Iombonana ato amin’ny ANCMF. Dimy ny solontena avy eto amin’ny FKMP dia ELIASY Liva, RANAIVOSON Nary , RASOLOFOMANANA Rivo avy ao amin’ny Birao, RAZAFIMAHATRATRA Pierre avy amin’ny Vaomieran’ny Finoana ary  RAKOTOHARISON Hasina, mpandrindran’ny Vaomieran’ny Tanora.

 

3.

FIANARANA KATESIZY :

Ny fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany.

 

Ny alahady voalohany volana kosa dia natokana ho an’ny Vaomieran’ny Kolontsaina. Nanomboka izany izy ireo androany ary mbola mamporisika antsika ray aman-dreny hitondra ny zanatsika hianatra teny Malagasy.

 

4.

FIVAHIANIANA MASINA HATAON’NY TANORA :

Amin’ny Asabotsy 28 sy ny Alahady 29 Novambra 2009 dia hanao Fivahianiana Masina any DOURDAN (91) ny tanorantsika miaraka amin’ny tanora ao amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge.

 

5.

NY FOTOANANTSIKA MANARAKA :

Dia ny Alahady 8 Novambra 2009 eto amin’ny Chapelle Saint Paul toy ny mahazatra isan’alahady. Ny Sorona Masina dia manomboka amin’ny 4 ora tolak’andro.

 



FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

08/11/2009 : Vaomieran’ny KOLON-TSAINA

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

07/11/2009 : Maintimolalin’ny Saint Michel