|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/
|
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 18 Oktôbra 2009 |
N° 33 |
|
ALAHADY FAHA 29 MANDAVANTAONA – TAONA B |
|
|
Mandalo fijaliana ny voninahitra tena izy. Eny an-dalana mandeha mankany Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany amin’ity Evanjely nosoratan’i Md Marka ho
antsika androany ity. Handeha ho any Jerosalema izy ireo ary ho faty
any i Jesoa, hatolotra ny mpisorona sy ny loholona. Tsy mitsahatra mananbara izany hahafatesany izany amin’ny mpianany Izy. Teo anatrehan’izany
fanambaran’i Jesoa Azy ho faty izany
no mangataka Aminy i Jakoba sy
Joany zanak’i Zebede mba hipetraka
eo an-kavia sy an-kavanana. Fantratr’izy roalahy fa hitsangana amin’ny maty i Jesoa ary
handray ny voninahiny satria Mesia afaka mandresy
an’izao tontolo izao. Tanteraka ara-bakiteny eto ny atao hoe « fitadiavan-tseza » ho azy roalahy. Araraotin’i Jesoa
hampianarana ny mpianany io fangatahana
seza tadiavin’izy roalahy io. Ataony
mazava fa tsy maintsy mandalo
fijaliana vao Ny fijaliana
angatahi’i Jesoa amin’ireo mpianany dia tsy fijaliana
miafara amin’ny hazo fijaliana toy ny nataony fa
ny fanompoana ny namana. « Izay
te ho lehibe aminareo no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te ho ambony
indrindra aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra ». Io
fanompoana ny namana io no lalana hitan’i Jesoa hitondrantsika ny
hazofijaliana sady mampilamina ny fiainantsika an-davanandro. Ny fiadiana
voninahitra sy seza manko dia mety mampikorontana indraindray. Hita izany
tamin’ireto mpianatra ireto. Tezitra tamin’i Jakoba sy Joany izay nangataka
ny hipetraka eo an-kavia sy an-kavanana ny folo lahy. Tsy ny fangatahan’izy
roalahy no diso fa ny folo lahy mba te hahazo toerana no olana. Velom-pialonana
ny folo lahy satria samy mba maniry ny hahazo ny toerana eo an-kavia sy
an-kavanana. |
|
|
Père
Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier |
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786
– 1859 |
TAONAN’NY PRETRA ANNEE SACERDOTALE Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010 Ho
fahatsiarovana ny
faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera
Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny
Pretra rehetra tsy ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Izaia
Mpaminany |
Iz. 53, 10 – 11 |
||
|
Sitraky ny Tompo
ny nanorotoro ny Mpanompony tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry
ny fanahiny ny sorom-panorenana, dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo. Noho ny
fijalian’ny fanahiny, dia
nahita izy, ka ho afa-po. Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarinana olona betsaka, ary ny tenany hivesatra
ny helok’ireo. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny
Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy ho an’ny Kristianina Hebrio |
Heb. 4, 14 – 18 |
||
|
Ry Kristianina havana, manana Mpisorombe lehibe isika izay lasa
namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, koa aoka hotanantsika mafy ny finoana
efa nekentsika. Satria tsy Mpisorombe
tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika ;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pitokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro hilàntsika izany. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka |
Mk. 10, 35 – 45 |
||
|
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i
Zebede ka nanao hoe : « Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay
aminao ». Ary hoy Izy : « Inona no tianareo hataoko aminareo ? »
Dia hoy ireo :
« Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray
eo ankavianao any amin’ny voninahitrao ».
Ary hoy i Jesoa taminy : « Tsy fantatrareo izay angatahinareo, moa mahasotro ny kapoaka izay
hosotroiko va ianareo, na
mahazaka ny batemy izay hanaovana
batemy Ahy ? » Hoy ireo : « Zakanay ». Fa hoy kosa i Jesoa : « Raha ny kapoaka
hosotroiko, dia hosotroinareo
ihany tokoa, ary ny batemy
hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa ; fa raha ny hipetraka
eo ankavanako sy eo anakaviako
kosa, dia tsy Ahy ny hanome
izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany ». Nony nandre izany
izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany ; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany
hoe : « Fantatrareo
fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba
tahak’izany ; fa izay
te ho lehibe indrindra no
aoka ho mpanompo anareo, ary izay
te ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny
ainy ho fanavotana ny maro ». |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny
Tompo |
- |
Dera anie ho Anao,
ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
IZAY TE
HO LEHIBE NO MPANOMPO Matetika manelingelina antsika ity tenin’ny Tompo ity hoe : “Izay
te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo”. Te azo zavatra
anefa tsy te hisahirana. Mora ho antsika ny mangataka noho ny manome. Nefa
efa voalaza koa fa sambatra kokoa ny manome. Mifanohitra amin’ny hevitsika
andavandro ny fampianaran’ny Evanjely. Mitady toera-malemy anorenam-pangady
matetika ny olona fa tsy te hisahirana. Miandry tolorona fa tsy miasa
ets…Isika vita batemy izay mpanara-dia an’I Kristy anefa tsy maintsy mahafoy
tena, mahafoy andro amin’ny asa fanompoana. Satria “I Kristy (ny
Zanak’olona) dia tsy tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”. Maro ny asa sahanina eto amin’ny Fiangonantsika. Tsy tokony hisalasala isika ny hirotsaka.
Samy manana ny toerana anefàny
izany araka ny safidim-po sy talentan’ny tsirairay. Tsy mitady toerana, na mitady voninahitra fa
mianatra manetry tena. Ary ny toerana dia mitaky asa fanompoana. I Kristy dia
tonga nanatanteraka ny Sitrapon’Andriamanitra, isika koa dia ho torak’izany. Raha
voninahitra no tadiavintsika ato am-piangonana dia ho kivy vetivety isika
satria ny Hazofijaliana no rehareha ato am-piangonana. Io no famantarana ny
famonjena antsika. Ny fanetren-tena no mampifanatona sy mampifankatia satria
mandray ny hafa toy ny tena ka mahay mifanompo. Miezaka ny Vaomieran’ny Fifandraisana
manampy antsika amin’izany. Mirary
herinandro vaovao antsika rehetra indray. |
|
Emma RAKOTOMANANTSOA
|
|
|
Vaomieran’ny FIFANDRAISANA |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
MIARAHABA :
Miarahaba
an’izy 11 mianadahy ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile de France (FKMP) iray manontolo tamin’ny nandraisan’izy ireo ny Sakramentan’ny Konfirmasio ny alahady 11 oktobra 2009 teo : Haingo, Erica, Hanitra, Mitsoa, Nampoina, Aude, Typhanie, Diana, Anja, Faly ary
Lanto. Androm-pahasoavana
izany. Hahefa be eo amin’ny
asa fanompoana sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly
anie izy ireo. Mahereza, soava dia. |
|
|
2. |
FILAN-KEVITRA IOMBONANA
ANCMF : Ny Asabotsy 31 oktobra
sy alahady 1 novambra 2009 izao no hatao any Nice ny Filan-kevitra Iombonana ato amin’ny ANCMF. Izany dia hatao any Nice. Telo isam-piangonana no solontena amin’izany : Ny pretra, ny
Prezidà na ny solontenany, ny Prezidàn’ny tanora na ny solontenany. Nantsoina manokana koa moa ireo
rehetra izay afaka ho any fa tsy manan-jo handatsa-bato. |
|
|
3. |
FIANARANA KATESIZY : Ny fianrana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady
amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika
ny ray aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany. Ny alahady voalohany volana kosa dia natokana
ho an’ny Vaomieran’ny Kolontsaina. |
|
|
4. |
NY FOTOANANTSIKA MANARAKA : Dia ny alahady 25 Oktobra 2009 any amin’ny Chapelle Saint Paul toy
ny mahazatra isan’alahady. Ny Sorona Masina dia manomboka amin’ny 4 ora tolak’andro. |
|
|
5. |
FIANTSOANA FIVORIANA : Ny Filan-kevitra Pastôraly
dia hantsoina hivory hamonjy ny fivoriana
ara-potoana izay hatao ny Alahady
25 Oktôbra 2009 izao,
manomboka amin’ny 2 ora tolak’andro. Izany dia hatao eto amin’ny Chapelle Saint
Paul. §
Ho dinihana amin’izany ny lamin’asa pastôraly 2009 –
2010 eto amin’ny FKMP §
Ny teti-bola 2009 – 2010. §
Ny fivoriana hataon’ny Filan-kevitra iombonana ao amin’ny ANCMF any Nice ny Asabotsy 31 Oktobra sy Alahady 1 Novambra 2009 izao. |
|
|
FIZARANA
ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORIZIA : 25/10/2009 : Vaomieran’ny
FIARAHA-MONINA |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : 24/10/2009 : Vaomieran’ny TANORA |
|