“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Asabotsy 03 Oktôbra sy Alahady 04 Oktôbra  2009

N° 31

IZAY NAKAMBAN’ANDRIAMANITRA

 

Nataon’Andriamanitra hihavana sy hifankatia ary hifamelona ny olombelona rehetra ; ka fianakaviana iray ao amin’ny Ray iombonana isika, tena iray ao amin’i Kristy Mpamonjy, aina iray ao amin’ny Fanahy Masina.

 

Ilaina ho tonga lafatra amin’izany indrindra ny mpivady kristianina, mba hampibaliaka ny hasin’ny fitiavana sy firaisam-po amam-panahy.

 

Ary antsoina sy omem-pahasoavana ny fianakaviana rehetra, hiara-hiasa amin’ny Ray mpahary, sy hiara-dia amin’i Jesoa Mpamonjy, ka hiombon-kasambarana ao amin’ny Fanahy mampiray.

 

ANDRON’NY TOMPO

MandavantaonaTaona B



 

 

ZAIKAM-PARITRA AVARATRA

Paris – Lille – Rouen –Evry – Reims

 

ANCMF

Lisieux 03 sy 04 Oktobra 2009

 


 

& VAKITENY MASINA Voalohany

Asabotsy 03 oktobra

Bokin’I Barôka

Ba. 4, 5 – 12. 27 – 29

Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an’I Israely ô ! Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena, tsy mba ny haringana ; fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra, no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory. Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo, tamin’ny demony, fa tsy tamin’Andriamanitra. Nanadino an’Ilay namela anareo ianareo, dia Andriamanitra mandrakizay, ary nampalahelo an’Ilay nitaiza anareo dia I Jerosalema. Fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe: “Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’I Siôna, fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho. Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy; sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo, fa tamin-dranomaso amam-pisaorana kosa no namelako azy handeha”.

Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondratena sy nilaozan’ny maro be ! Efa lao aho, noho ny fahotan’ireo zanako satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

Asabotsy 03 oktobra

Evanjely Masina nosoratan’I Md Lioka

Lk. 10, 17 – 24

Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe : “Tompo ô, na dia demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao !” Dia hoy I Jesoa taminy : “ Nahita an’I Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio”. Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe : “Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa manambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambara Azy”. Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe : “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo ; fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita ary handre izay renareo, fa tsy nandre”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !


DIMANCHE 04 Octobre 2009 – MESSE DU 27ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT



 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 



& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Jenezy

Jen. 2, 18 – 24

Hoy ny Tompo Andriamanitra : « Tsy tsara raha irery ny olona ; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy ». Ary ny Tompo Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka, dia nampiavy azy hankeo amin’I Adama mba hahitany izay hanononany azy avy, hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen’I Adama azy avy. Dia nomen’I Adama anarana avokoa ny biby fiomby rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an’I Adama mitovy aminy. Ka nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso I Adama, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray, fa nofo no nakombony ho solony. Ny taolan-tehezany nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin’I Adama dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin’I Adama. Ary hoy I Adama : « Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy (ish) ». Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny ; ary ho nofo iray ihany izy ireo.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy ho an’ny Kristianina Hebrio

Heb. 2, 9 – 11

Ry Kristianina Havana, Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia I Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany ; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy. Fa mendrika an’ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo. Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’I Md. Marka

Mk. 10, 2 – 12 (fohy)

Tamin’izany andro izany, nanatona an’I Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe : « Mahazo misao-bady va ny lehilahy ? » Ary izao no navaliny azy ireo : « Ahoana no nandidian’I Môizy anareo ? »” Dia hoy izy :”Nomen’I Môizy lalàna hanao taratasy fisaora-bady sy hisao-bady ny lehilahy”. Fa hoy kosa I Jesoa : « Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandoahan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra ; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahan’olombelona ». Nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy : « Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary rah any vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga ».

 

Izany àry no Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !


           ZAIKAM-PARITRA AVARATRA
LISIEUX
3 - 4 OKTOBRA 2009


FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

11/10/2009 : Vaomieran’ny FINOANA sy ireo hatao CONFIRMATIONS.

Ny Sorona Masina dia tarihan’I Mgr Eric de MOULINS-BEAUFORT, Eveka mpanampy eto Paris. Hatao eny amin’ny Paroasy Saint Dominique  16, rue de la Tombe-Issoire, Paris 14ème , Métro Saint Jacques (Ligne N° 6), manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro tsy diso.

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

10/10/2009 : Vaomieran’ny FIFANDRAISANA