“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy
Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 27 Septambra 2009 |
N° 30 |
|
ALAHADY FAHA 26
MANDAVANTAONA – TAONA B |
|
|
Mila fanapahan-kevitra hentitra ny
misafidy ny tena fiainana. Hentitra i Jesoa ao amin’ny Evanjely raha
miresaka ny safidy momba ny tena fiainana. Hoy Izy : « Raha ny tananao no
manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny
fiainana ianao (...) Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao… ». Amin’ny fijery tsy miangatra dia tsy tsara ny
tapa-tanana sy ny tapa-tongotra. Ny kilemaina aza efa tsy fidiny. Toa
manosika antsika hilaza fa « inhumain » i Jesoa. Na farafaharatsiny , hilaza fa tsy miraharaha loatra ny fiainana eto ambonin’ny tany Izy.
Manampy trotraka izany toa tsy firaharahiana ny fiainana ambonin’ny tany
izany ny tenin’i Md Jakoba
Apostoly izay toa mamely mafy ny
mpanankarena : « Anareo mpanankarena indray zao : Mitomania sy migogogogoa fa indro ny
lozanareo efa midona.(...) Efa nanangona hatezerana ho anareo any amin’ny
andro farany ianareo. » Teny feno fangorohoroana ho an’ny mpanakarena
ary manome vahana ny tsy fananana. Tsy izany anefa no tian’i Jesoa ho lazaina. Tsy
« inhumain » na tsy miraharaha ny fiainana eto ambonin’ny tany Izy raha
miteny ireo teny ireo. Ho Azy rehefa nisafidy ny tena fiainana dia tsy
maintsy mahay miendaka amin’izay rehetra mety manelingelina izay safidy izay.
Ny harena sy ny bika dia natao hanampy hanamafy izay safidy
momba ny tena fiainana izay fa tsy natao hanakana azy. Tsy tanjona ny harena
fa fitaovana hanatratrarana ny tena fiainana. Azontsika hiainana eo amin’ny fiainantsika
an-davanandro io fampianaran’i Jesoa io. Samy nisafidy ny fiainantsika isika
tsirairay. Ao ny nisafidy ny hanorina tokatrano ao amin’Andriamanitra, ao ny
nisafidy ny ho tokan-tena ho
an’Andriamanitra. Ao ny nisafidy ny ho mpitsabo, ao ny nisafidy ho
mpampianatra, ao ny nisafidy ny ho mpitandro filaminana, ao ny nisafidy ho «
livreur » … Hajao izay safidintsika izay ary hifalio. Mety hampijaly izay
safidy izay indraindray satria tsy maintsy misy foana ny lalàna mba
hanarahana izay safidy izay mba tsy hivaona. Saingy « izay tiana hijaliana ; tsy higafiana
fa hifaliana ». |
|
|
Père Edmond
RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier |
|
|
Jean-Marie VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE SACERDOTALE Du
19 Juin 2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana
ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny
Pretra rehetra tsy ankanavaka izy. |
|||
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
|||
|
Boky Fanisana |
Fanis. 11, 25
– 29 |
|||
|
Tamin’izany andro
izany, nidina teo amin’ny rahona
ny Tompo dia niteny tamin’i Môizy ; nangalany ny Fanahy izay
tao amin’I Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha
vao tonga tao aminy ny Fanahy,
nefa tsy notohiziny izany. Nisy olona roa
lahy, atao hoe Eldada ny
anankiray, ary i Medada ny anankiray,
nijanona teo an-toby ; ary tonga tao amin’izy ireo ny Fanahy ;
anisan’ny voasoratra izy ireo nefa
tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany
teo an-toby izy. Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray,
nanao hoe : « Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada ». Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony
tanora, ka nanao hoe : « Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa
lahy ». Fa hoy ny navalin’I Môizy azy : “Noho ny amiko
va no ialonanareo ? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny
Tompo, ary hataon’ny Tompo ao amin’ny Fanahiny”. |
||||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
||
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’I Md
Jakôba Apôstôly |
Jak. 5, 1 – 6 |
||
|
Anareo mpanan-karena
kosa indray izao : Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa
midona. Ny harenanareo efa lo ; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao, ny
volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina ; ary ny harafesiny dia
hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo, toy ny afo. Efa nanangona
hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo. Indro, mitaraina ny
karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo ; ary efa mby ao
an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany. Nivelona teto an-tany tamin’ny
hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana ; namoky ny
fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo. Nanameloka sy namono ny
olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’I Md. Marka |
Mk. 9, 37 –
49 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, namaly ny tenin’I Jesoa
i Joany ka nanao taminy hoe : “ Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay ; nefa tsy namantsika ka noraranay”. F hoy I Jesoa : “Aza raranareo izy ; fa tsy misy olona
hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra
antsika dia momba antsika. Na iza na iza hanome rano
eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’I Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo
fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana
vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny
tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana
ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny
gehena, dia any amin’ny afo tsy
azo vonoina. Ary raha ny
tongotrao no manafintohina
anao ; tapaho izy, afa aleo
tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny
fiainana ianao toy izay manana
tongotra roa avarina any amin’ny
gehen’afo tsy azo vonoina. Raha ny masonao
no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny
fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny
gehen’afo, izay tsy mety maty
ny olitr’izy ireo ary tsy
azo vonoina ny afo”. |
|||
|
Izany àry no Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho anao ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|
Iza avy no tena an'i Tompo ? Izay tsy manohitra antsika dia momba
antsika Ny
tiana ifampizarana momba ny hafatry ny Eglizy amin'izao Alahady faha-26 B
izao dia ny hoe : izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no vahoaka sy iraka
voafidiny. Ny Fanahy izay mitarika amin'ny fanarahana ny didin'Andriamanitra
mba tsy hahatongavan'ny loza isan-karazany toy ny miandry ireo mpanankarena
tsy marina mpametsifetsy. Izay tsy manohitra antsika dia momba
antsika.Tsy sanatria mamporisika amin'ny fiandaniana na fizarazarana atsy sy
aroa izany. Fa kosa niantsoan'i Kristy ireo mpanao soa sy tsara toetra
rehetra tsy manaratsy azy.Toa miantso sy mitarika any amin'ny fiombonana
aza.Raha naharay ny Fanahin'ny Tompo tokoa isika, nahazo izany tamin'ny
batemy, ka miaina sy manaiky ho tarihiny dia lasa iray ihany ao amin'ny
Tompo. Fianakaviana. Izany rahateo indray no tohin'ny hafatry ny Fiangonana
amin'ny Alahady faha-27 B. Ho
vonona mandrakariva hiaina miaraka amin'ny Fanahin'ny Tompo ary isika. |
|
Rakoto Dominique ANDRIAMANAMIRIJA
|
|
|
Vaomieran’ny FITANTANANA |
|
|
¯ FIFAMPIZARANA
AN-KIRA |
|
|
« izay mamboly e » Hira mitarika
antsika hametraka tanteraka ny fitokisantsika amin’ Andriamanitra. Izy ilay mahefa ny zava-drehetra. Ny ezaka ataontsika,
raha ny herin’ny tenantsika irery dia tsy mahavita inoninona, toy ny mpamboly,
raha tsy misy Azy Tompo
mampitsimoka ny voa. Fa raha mametraka
ny fiainantsika, ny asa ataontsika eo-pelatanan’Izy Tompo mpiahy isika dia, na eo am-pandriana aza dia hotolorany sakafo. |
|
Fara RASOLOJAONA
|
|
|
Sampana Antoko Mpihira « FEON’ANJOMARA » |
|
|
¦ soritr’asa
manaraka |
|
||||||||||||
|
1. |
ZAIKAM-PARITRA
Ny Asabotsy 03 sy ny Alahady 04 oktobra 2009 no hatao any
Lisieux ny Zaikam-paritra Avaratra. Fotoana iray
lehibe izany eo amin’ny Fiainam-piangonana. Mila fiomanana ara-panahy sy
ara-batana ary ara-pitaovana izany. Eo amin’ny 178 eo ho no isan’ny
mpizaika handray anjara avy amin’ireto tanàna ireto : Evry, Lille,
Rouen, Reims ary Paris. Isika eto Paris dia mahatratra 139, ka misy Pretra
roa sy Relijiozy vavy telo. « FA EFA NAPETRATSIKA AO
AMIN’ANDRIAMANITRA VELONA NY FANANTENANTSIKA » Io no lohahevitra
hodinihana sy hifampizarana any. Mizara indroa miantohana izany. 1) Fifampizarana voalohany : ·
Ny Kristianina navotan’I Kristy ·
Ny Kristianina ·
Ny sehatra iainana sy ikatrohana amin’izany. Miainga amin’ny
Tenin’Andriamanitra ny fandalinana. Ny asan’ny Sakramenta omen’ny
Fiangonana. 2) Fifampizarana faharoa : ·
Fijerena ny asa pastoraly
misy any amin’ny Fiangonana tsirairay avy ·
Fihadian-kevitra ny vinavin’asa atolotry ny Birao Nasionaly ·
Amin’ny fiharetan-tory (veillée) ny asabotsy
alina dia omena toerana manokana ny ankizy. Korana faranana amin’ny vavaka. Koa samy miomana ny
tanàna. Hisy Sorona Masina ny andro
fanombohana sy famaranana. FKMP MIATRIKA IZANY ZAIKAM-PARITRA IZANY ·
Fiomanana farany : Alahady 27 septambra 2009 aorian’ny Lamesa.
Fanomezana ny torimarika rehetra. Aoka ho avy daholo ireo mpizaika. ·
Fotoana
:
Eo amin’ny statue Général Leclerc, Porte d’Orléans, toy ny mahazatra, amin’ny 5 ora sy fahefany
maraina (05 h 15). Fiantsoana anarana sy fampidirana ny entana.
Mandamina izany ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Fitantanana ·
Fiaingana Asabotsy 03 oktobra : amin’ny 6 ora
tsy diso (06 h 00) no miainga ny cars. ·
Fizarana ny Efitrano: indraiketan’ny
Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Fitantanana ·
Fitaovana : o
Samy mitondra fihirana sy Baiboly izay manana ary taratasy sy fanoratana. o
Samy mitondra fitaovana fidiovana o
Ny drap sy ny
firakotra dia misy |
|
|||||||||||
|
2. |
FIHAONAN’NY
FILAN-KEVITRA PASTORALY – DIOSEZY
Vita
soa aman-tsara, omaly Asabotsy 26 septambra 2009, ny Fihaonan'ireo mpikambana rehetra ao min'ny Filan-kevitra Pastoraly manerana ny Diosezin'i Paris notarihan'i Mgr André VINGT-TROIS, Arsevekan'i
Paris, notronin'ireo Eveka
mpanampy azy. Nanana solontena tamin'izany isika FKMP notarihan'ny P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier. |
|
|||||||||||
|
|
|||||||||||||