|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
||
|
Alahady 01 Febroary
2009 |
N° 03 |
|
|
ALAHADY FAHA 4 – TAONA B |
||
|
IZA I JESOA ? |
|
Samy manana ny valinteniny ny olona eo anatrehan’io fanontaniana io. Ny valinteny omen’ny Evanjely ho antsika anio alahady faha 4 no andeha hasiantsika resaka fohy. Teny I Jesoa . Teny tonga nofo. Sarotra ho an’ny olombelona manko ny mino an’Andriamanitra tsy hita maso, ka mba hahamora ny finoan’ny olombelona an’Andriamanitra dia naka nofo Izy, nanaiky hitovy amin’ny olombelona (teraka, nitombo , maty…). Tsy nitsahatra nanazava tamin’ny olona anefa I Joany Batista fa io teny Tonga nofo io dia Zanak’Andriamanitra. Nomanin’I Joany Batista ny fahatongavany.Nataony batemy teo amin’ny ranon’I Jordany , ary teo no naharenesana feo manao ho :” ity no Zanako Malala ankasitraho Izy”. Teny hahafahantsika miresaka amin’Andriamanitra Ray I Jesoa. Izy no mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra. Ampandalovintsika Aminy ny vavaka ataontsika :”amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay no angatahanay izany” hoy ny pretra na ny lahika rehefa mamarana vavaka. Teny mahery , Teny manandanja, Teny tsy hay toherina I Jesoa : “Inona ity ? Fampianarana vaovao inona ity ? Fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky azy”, hoy ny vahoaka nahita ny famoahany ny demony tamin’ny olona iray tao amin’ny Sinagôga. Satria nataon’I Jesoa tsy nanan-kalahatra ny fanahy ratsy teo anatrehany. Nampangininy tsy hiteny. Raha te handresy ny ratsy sy ny
sarotra koa isika dia tsy maintsy manaiky sy mino io Teny tonga nofo io. Io
no ampinga entintsika hiadiana amin’ny fanahy ratsy. Tadidio fa tsy
mitsahatra ny mitady tetika hahazoana antsika koa ny fanahy ratsy. “Tsy kely
lalana ny ratsy” hoy ny fiteny mahazatra antsika. Koa nya min ampinga hiadiana aminy. Ary
matokia fa handresy satria miaraka amin’ilay Teny tonga nofo efa naharesy
an’izao tontolo izao. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
|
DIMANCHE 01 FEVRIER 2009 – MESSE
DU 4ème DIMANCHE – Année B Couleur liturgique : Vert
|
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky Deterônômy |
Det. 18, 15 – 20 |
||
|
Tamin’izany andro izany,
I Môizy niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe : “Hanangana Mpaminany
anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny iray firenena aminao, ny Tompo
Andriamanitrao ; hohenoinareo izy. Izany no nangatahinao tamin’ny Tompo Andriamanitrao tany Hôreba, tamin’ny
andro nivoriana, nataonao hoe :’ Aoka tsy ho feon’ny Tompo Andriamanitro
intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho,
fandrao maty”. Dia hoy ny Tompo tamiko : “ Tsara ny voalazan’izy ireo.
Hananganako Mpaminany anankiray tahaka anao , avy eo amin’ny iray firenena
aminao izy ; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy
ireo ny zavatra rehetra handidiako azy. Ka raha misy tsy mihaino ny teniko,
izay holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany. Fa
ny Mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny
teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’ andriamani-kafa, dia
ho faty izany Mpaminany izany”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty |
1 Kôr. 7, 32 – 35 |
||
|
Ry kristianina Havana,
tsy tiako ho maro ahîna ianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny
Tompo, mba hahafaly ny Tompo ; fa lehilahy izay manam-bady kosa, miahy
ny momba izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. Toy izany
kosa ny vehivavy ; izay tsy manam-bady sy ny virijiny, dia miahy ny
momba ny Tompo, mba ho Masina ny vatana aman-panahiny ; fa ny vehivavy
iza manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny
lahy. Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo
e ! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md Marka |
Mk. 1, 21 – 28 |
||
|
Tamin’izany andro izany,
I Jesoa sy ny mpianany nankany Kafarnaôma, ka ny sabata voalohany ihany, dia
niditra tao amin’ny Sinagôga Izy ary nampianatra ny olona. Dia gaga izy ireo
tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy , fa
tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Ary tao amin’ny Sinagôgany dia nisy
lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao
hoe : “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta ?
Tonga hampahita loza anay va Ianao ? Fantatro raha Ianao, dia ilay
Masin’Andriamanitra”. Fa nandrahona azy I Jesoa nanao hoe : “Mangina, ary
mivoaha amin’io lehilahy io”. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra ka
nifampilaza hoe : “Inona ity ? Fampianarana vaovao inona re
ity ? Fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy”, Dia niely
eran’I Galilea rehetra ny lazany. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
« Enga anie
ianareo anio ka mba hihaino ny feony, fa aza manamafy fo ! ». Izany lohahevitra nalaina tamin’ny Salamo 94 izany
no entin’ny vaomieran’ny Fifandraisana hifampizarana amin’ny kristianina
katolika malagasy eto Paris sy ny manodidina. Isika kristianina vita batemy dia tokony
hanatanteraka ny asa fitoriana nanirahan’i Jesoa antsika tsirairay. Tsy afaka
mampita ny finoana kristianina anefa isika raha tsy mahay mihaino izay
tian’Andriamanitra hanirahana antsika. Koa izany indrindra no tokony
hanokafana ny fontsika, handre sy hahafantatra izany antso izany, ka
ahafantsika milaza hoe : “Inty aho Tompo, lazao ahy izay tianao hataoko”. Ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra dia tsy
voatery hitety firenena hafa sy fandehanana nya min’ny toerana lavitra toy ny
nataon’ireo Apostoly taloha. Ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy eo amin’ny
toerana misy anao, sy ny fomba hiainanao izany andavanandro dia efa anisan’ny
fanatanterahana ny iraka izay nifidianany antsika. Inona moa no ahafantarana fa mpanara-dia an’i
Kristy tokoa isika ? Tsotra dia tsotra ny valiny : “Mahaiza mifankatia”
satria iray vatsy sy iray aina amin’i Kristy isika ao anatin’ny Fiangonana ! |
|
|
Jeannot RASOLOFOARISON |
|
|
Vaomieran’ny Fifandraisana |
|
|
( DECLARATION
DE LA NONCIATURE A TANA |
|
|
Nous nous sommes réunis aujourd'hui, le 28 janvier
2009, pour discuter et faire une évaluation de la situation qui prévaut
actuellement à Madagascar. Nous voulons réaffirmer notre déclaration du 25
janvier, en ce qui concerne, notamment, l'importance du dialogue et la
nécessité d'éviter la violence. Trouver une solution à la crise actuelle n'a jamais été plus
nécessaire pour Madagascar et son peuple. Nous regrettons la poursuite de la
crise, l'absence de dialogue apparent, les lourdes pertes en vies humaines et
les destructions de biens et d'infrastructures qui sapent et font régresser
le développement et la prospérité du peuple Malagasy. De fait, d'importants investissements, de
nombreux emplois et des partenariats internationaux à Madagascar, existants
et futurs, seront de plus en plus menacés si cette crise se poursuit. Nous
demeurons donc très préoccupés par la situation et voulions vous faire part
de cette préoccupation. En conclusion, nous voudrions aussi exprimer nos
condoléances les plus sincères à l'égard des familles des Malgaches qui ont
perdu leurs proches dans cette crise. |
|
|
Déclaration lue par le Nonce
Apostolique, Son Excellence Mgr Augustine KASSUJA |
|
|
Le 28 janvier 2009 |
|
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
KATESIZY : Ny fianarana katesizydia mitohy ny Alahady 08 febroary
2009 izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro eto
am-piangonantsika. |
|
|
2. |
HASIN’ANDRIAMANITRA : Mamerina ny fisaorana sy fankasitrahana ho antsika rehetra
tamin’ny fanefana ny adidy Masina eo amin’ny enti-manana ny asa pastôraly
diany Hasin’Andriamanitra na “Denier de l’Eglise”. Vokatra azo
dia mhafa-po, honera be ny lany; F Valopy
niverina : 101 * F Vola voaray : 6480 € |
|
|
¦ soritr’asa
manaraka |
|
|
|
1. |
KORANAM-PIANANKAVIANA : Hanao Koronam-pianakaviana eny Vert-Saint Denis (77240)
ny FKMP, ny asabotsy 18 avrily 2009, ao amin'ny efitrano « PACHA ».
Koa mampiomana anao dieny izao. |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORZIA : F 08/02/2009 (Alahady faha-5 tsotra / Taona
B) : Vaomieran’ny Fiaraha-Monina F 15/02/2009 (Alahady faha-6 tsotra / Taona
B) : Vaomieran’ny Tanora |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : F 07/02/2009 : Vaomieran’ny Tanora |
|
|
ü vaovao
samihafa |
|
|
|
1. |
VAOVAOM-PIRENENA : Efa mafy ny rivo-doza mihatra
amin’ny tanindrazantsika, dia tonga indray ity ny hotakotakota ara-politika
namoizana ain’olona maro sy fandravam-pananana. Ny herin’ny
Tenin’Andriamanitra anie hampiova ny toe-tsain’ny Malagasy. |
|
|
€ Rakitra farany |
25/01/2009 |
273,53 € |
|
Janoary 2009 |
871,25 € |