“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 20 Septambra  2009

N° 29

ALAHADY FAHA 25 MANDAVANTAONA – TAONA B

 

« Ny marinA tsy maty »

 

Inona ny Marina ?

Zavatra manahirana ny ny olon-dratsy ny marina. Satria hita miharihary ny ratsy ataony eo anatrehan’io marina io . Manalabaraka ny olon-dratsy ny marina satria ny marina mahasahy miteny sy mamotsipotsitra izay tsy rariny. Ialonan’ny olon-dratsy ny marina satria mahavery  ny tombotsoan’izy ireo, « manohitra ny fomba fanaony », fomba fanao ratsy.

Sarotra tadiaviana io marina io. I Pilaty teo anatrehan’ireo olona niampanga an’i Jesoa dia very hevitra teo am-pitadiavanana ny marina ka nahatonga azy hametra-panontaniana hoe : « Inona no marina ?». Very hevitra izy, tsy hitany izay heloka iampangana an’i Jesoa nefa ny vahoaka manery azy hanameloka Ilay tsy manantsiny. Toa  saron’ny fahatahorana ny vahoaka mankahala an’i Jesoa ny marina. Tsy hita ny marina hatreo.

Samy manana ny heveriny ho fahamarianana koa ny tsirairay sy ny firenana tsirairay. Ny marina any amin’ny firenena iray mety ho fahadisoana any amin’ny firenena hafa. Ny marina hoan’ny olona iray mety tsy ho marina ho an’ny olona hafa. Inona no tena marina ? Iza no manana ny marina ? Sarotra tadiavina ny marina.

Fa na dia sarotra tadiavina toy izany aza ny marina dia tsy maintsy karohina sy ampanjakaina. Satria ny tsy fisian’ny mariana dia mampikorotana ny fiarahamonina. Hita izany eo amin’ny fiainana an-davan’andro. Tsy gaga isika raha mahita atokon’olona mitsangana sy miteny mba hitady sy hiaro ny marina eo amin’ny firenena iray, eo amin’ny orinasa iray , eo amin’ny Fiangonana iray. Misy ny savorovoro mandram-pahita ny marina. Ekena fa mety hisy  ny fifandirana maherivaika eo amin’ny vondron’olona na atokon’olona eo am-pitadiavana izay marina ; ka izany indrindra no mahatonga an’i Md Jakoba (Vak 2) hanentana ny olona handray ny Fahendrena ; Fahendrena  mampisy fifandeferana, tsy mihatsara velatsihy, tia fihavanana, tsy miangatra, be indrafo, tsy hanao fifampiandaniana na fialonana … Ary ho.tsotra  tahakan’ny zazakely (Evanjely).

I Krisy io Fahendrena io. Niady hatramin’ny farany ny Marina Izy. Tsy nanaiky ny tsy marina teo  amin’ny fiainanany. Sahiny ny niteny ampahibemaso sy namotsipotsitra ny zavatra tsy ara-drariny teo amin’ny fiarahamonina. Nialonan’ny olona Izy satria « tsy zakan’ny olombelona novesaranota ny marina ka novonoiny tsy ho anilanay ny Tompo. »

Tsy maty anefa ny marina. Noporofoin’i Kristy izany. Na dia novonoin’ny olona tamin’ny fahafatesana mahafabaraka aza Izy dia nadresy . Resiny ny asan’ny ratsy izay tandindon’ny fahafatesana. Nitsangana tamin’ny maty izy.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


DIMANCHE 20 Septembre 2009 – MESSE DU 25ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.



& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Jakôba Apôstôly

Jak. 3, 16 – 4, 3

Ry Kristianina Havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indra fo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana. Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo ? Moa tsy avy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va ? Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana ; mifanditra sy miady ianareo ; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo ; ka tsy mahazo ianareo.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’I Md. Marka

Mk. 9, 29 – 36

Tamin’izany andro izany, I Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’I Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe : “ Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany ”. Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany I Jesoa nanao hoe : “ Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany ?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe : “ Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”. Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe : “ Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy”.

Izany àry no Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !



( fifampizarana

 

 

Fanolorana ny hiran’ny antoko Mpihira :

 

Tompo ô, manoloana ny lalan-tsarotra izay diavinay, eo foana ianao mitantana sy manazava ny fiainana... Ny andronay malia tsy mba navelanao haratra fa notoloranao fitia ka nahatsiaro tena faly sy sambatra hatrany izahay. Koa manomboka androany dia tononkalo vao no atolotray :  Tompo ô Ianao no tanjakay sy herinay.

 

Holy Miora RANDRIAMANAMIHAGA

Sampana Antoko Mpihira « FEON’ANJOMARA »



ZAIKAM-PARITRA AVARATRA
LISIEUX
3 - 4 OKTOBRA 2009


¦ soritr’asa manaraka

 

1.

ZAIKAM-PARITRA

 

Ny Asabotsy 03 sy ny Alahady 04 oktobra 2009 no hatao any Lisieux ny Zaikam-paritra Avaratra. Fotoana iray lehibe izany eo amin’ny Fiainam-piangonana. Mila fiomanana ara-panahy sy ara-batana ary ara-pitaovana izany. Eo amin’ny 178 eo ho no isan’ny mpizaika handray anjara avy amin’ireto tanàna ireto : Evry, Lille, Rouen, Reims ary Paris. Isika eto Paris dia mahatratra 139, ka misy Pretra roa sy Relijiozy vavy telo.

 

« FA EFA NAPETRATSIKA AO AMIN’ANDRIAMANITRA VELONA NY FANANTENANTSIKA »

Io no lohahevitra hodinihana sy hifampizarana any. Mizara indroa miantohana izany.

 

1)      Fifampizarana voalohany :

·        Ny Kristianina navotan’I Kristy

·        Ny Kristianina tonga Olombaovao

·        Ny sehatra iainana sy ikatrohana amin’izany.

 

Miainga amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fandalinana. Ny asan’ny Sakramenta omen’ny Fiangonana.

 

2)      Fifampizarana faharoa :

·        Fijerena ny asa pastoraly misy any amin’ny Fiangonana tsirairay avy

·        Fihadian-kevitra ny vinavin’asa atolotry ny Birao Nasionaly

·        Amin’ny fiharetan-tory (veillée) ny asabotsy alina dia omena toerana manokana ny ankizy. Korana faranana amin’ny vavaka. Koa samy miomana ny tanàna.

 

Hisy Sorona Masina ny andro fanombohana sy famaranana.

 

FKMP MIATRIKA IZANY ZAIKAM-PARITRA IZANY

·        Fiomanana farany : Alahady 27 septambra 2009 aorian’ny Lamesa. Fanomezana ny torimarika rehetra. Aoka ho avy daholo ireo mpizaika.

·        Fotoana : Eo amin’ny statue Général Leclerc, Porte d’Orléans, toy ny mahazatra, amin’ny 5 ora sy fahefany maraina (05 h 15). Fiantsoana anarana sy fampidirana ny entana. Mandamina izany ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Fitantanana

·        Fiaingana Asabotsy 03 oktobra : amin’ny 6 ora tsy diso (06 h 00) no miainga ny cars.

·        Fizarana ny Efitrano: indraiketan’ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Fitantanana

·        Fitaovana :

o       Samy mitondra fihirana sy Baiboly izay manana ary taratasy sy fanoratana.

o       Samy mitondra fitaovana fidiovana

o       Ny drap sy ny firakotra dia misy

 



FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

27/09/2009 : Vaomieran’ny FITANTANANA

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

26/09/2009 : Vaomieran’ny FINOANA