|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy
Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 20 Septambra 2009 |
N° 29 |
|
ALAHADY FAHA 25
MANDAVANTAONA – TAONA B |
|
|
« Ny marinA tsy
maty » Inona ny Marina ? Zavatra manahirana ny ny
olon-dratsy ny marina. Satria hita miharihary ny ratsy ataony eo anatrehan’io
marina io . Manalabaraka ny olon-dratsy ny marina satria ny marina mahasahy
miteny sy mamotsipotsitra izay tsy rariny. Ialonan’ny olon-dratsy ny marina
satria mahavery ny tombotsoan’izy
ireo, « manohitra ny fomba fanaony », fomba fanao ratsy. Sarotra tadiaviana io marina io. I Pilaty teo anatrehan’ireo olona
niampanga an’i Jesoa dia very hevitra teo am-pitadiavanana ny marina ka
nahatonga azy hametra-panontaniana hoe : « Inona no
marina ?». Very hevitra izy, tsy hitany izay heloka iampangana
an’i Jesoa nefa ny vahoaka manery azy hanameloka Ilay tsy manantsiny. Toa saron’ny fahatahorana ny vahoaka mankahala
an’i Jesoa ny marina. Tsy hita ny marina hatreo. Samy manana ny heveriny ho fahamarianana koa ny tsirairay sy ny
firenana tsirairay. Ny marina any amin’ny firenena
iray mety ho fahadisoana any amin’ny firenena hafa. Ny marina hoan’ny olona iray mety tsy ho marina ho an’ny olona hafa. Inona
no tena marina ? Iza no manana ny marina ? Sarotra tadiavina ny
marina. Fa
na dia sarotra tadiavina toy izany aza ny marina dia tsy maintsy karohina sy
ampanjakaina. Satria ny tsy fisian’ny mariana dia mampikorotana ny
fiarahamonina. Hita izany eo amin’ny fiainana an-davan’andro. Tsy gaga isika
raha mahita atokon’olona mitsangana sy miteny mba hitady sy hiaro ny marina
eo amin’ny firenena iray, eo amin’ny orinasa iray , eo amin’ny Fiangonana
iray. Misy ny savorovoro mandram-pahita ny marina. Ekena fa mety hisy ny fifandirana maherivaika eo amin’ny
vondron’olona na atokon’olona eo am-pitadiavana izay marina ; ka izany
indrindra no mahatonga an’i Md Jakoba (Vak 2) hanentana ny olona handray ny
Fahendrena ; Fahendrena mampisy
fifandeferana, tsy mihatsara velatsihy, tia fihavanana, tsy miangatra, be
indrafo, tsy hanao fifampiandaniana na fialonana … Ary ho.tsotra tahakan’ny zazakely (Evanjely). I Krisy io Fahendrena io. Niady hatramin’ny farany ny Marina Izy. Tsy
nanaiky ny tsy marina teo amin’ny
fiainanany. Sahiny ny niteny ampahibemaso sy namotsipotsitra ny zavatra tsy
ara-drariny teo amin’ny fiarahamonina. Nialonan’ny olona Izy satria « tsy
zakan’ny olombelona novesaranota ny marina ka novonoiny tsy ho anilanay ny
Tompo. » Tsy maty anefa ny marina. Noporofoin’i Kristy izany. Na dia novonoin’ny olona tamin’ny fahafatesana mahafabaraka aza Izy dia nadresy . Resiny ny asan’ny
ratsy izay tandindon’ny fahafatesana. Nitsangana tamin’ny
maty izy. |
|
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier |
|
|
Jean-Marie VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana
ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny
Pretra rehetra tsy ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’I Md Jakôba
Apôstôly |
Jak. 3, 16 –
4, 3 |
||
|
Ry Kristianina
Havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy
fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. Fa ny fahendrena
avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia
fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indra fo
amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Ary izay mampihavana
dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana
amin’ny fihavanana. Avy aiza ny
ady amam-pifandirana ao aminareo ? Moa tsy avy
amin’ny filàn-dratsinareo
izay miady ao anatin’ny nofonareo va ? Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ; mamono sy mialona
ianareo, nefa tsy mety manana
; mifanditra sy miady ianareo ; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka
ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny
filan-dratsinareo ; ka tsy
mahazo ianareo. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’I Md. Marka |
Mk. 9, 29 –
36 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, I Jesoa sy ny mpianany,
dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’I Jesoa
ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy
hoe : “ Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka
hateloana aorian’ny nahafatesany ”. Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny
izany, sady tsy sahiny nanontaniana
Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma
izy ireo, ary nony mby
tao an-trano, dia nanontany
ny mpianany I Jesoa nanao hoe
: “ Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany ?” Fa tsy niteny tsy nivolana
izy ireo, satria ny amin’izay
ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny
roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe : “ Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”. Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny
mpianany hoe : “ Na iza na iza handray
anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay
mandray Ahy dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy”. |
|||
|
Izany àry no Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho anao ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|
Fanolorana ny hiran’ny antoko Mpihira : Tompo ô, manoloana ny lalan-tsarotra izay diavinay, eo foana ianao mitantana
sy manazava ny fiainana... Ny andronay malia
tsy mba navelanao haratra fa notoloranao fitia ka nahatsiaro tena faly sy
sambatra hatrany izahay. Koa manomboka androany dia tononkalo vao no
atolotray : Tompo
ô Ianao no tanjakay sy herinay. |
|
Holy Miora
RANDRIAMANAMIHAGA
|
|
|
Sampana Antoko Mpihira « FEON’ANJOMARA » |
|

|
¦ soritr’asa
manaraka |
|
|
|
1. |
ZAIKAM-PARITRA
Ny Asabotsy 03 sy ny
Alahady 04 oktobra 2009 no hatao any
Lisieux ny Zaikam-paritra Avaratra. Fotoana iray lehibe izany eo amin’ny
Fiainam-piangonana. Mila fiomanana ara-panahy sy ara-batana ary
ara-pitaovana izany. Eo amin’ny 178 eo ho no isan’ny mpizaika handray anjara
avy amin’ireto tanàna ireto : Evry, Lille, Rouen, Reims ary Paris. Isika
eto Paris dia mahatratra 139, ka misy Pretra roa sy Relijiozy vavy telo. « FA EFA NAPETRATSIKA AO AMIN’ANDRIAMANITRA VELONA NY
FANANTENANTSIKA » Io no lohahevitra hodinihana sy hifampizarana
any. Mizara indroa miantohana izany. 1)
Fifampizarana voalohany
: ·
Ny Kristianina navotan’I Kristy ·
Ny Kristianina ·
Ny sehatra iainana sy ikatrohana amin’izany. Miainga amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fandalinana. Ny asan’ny
Sakramenta omen’ny Fiangonana. 2)
Fifampizarana faharoa
: ·
Fijerena ny asa pastoraly
misy any amin’ny Fiangonana tsirairay avy ·
Fihadian-kevitra ny vinavin’asa atolotry ny Birao Nasionaly ·
Amin’ny fiharetan-tory (veillée) ny asabotsy
alina dia omena toerana manokana ny ankizy. Korana faranana amin’ny vavaka. Koa samy miomana ny
tanàna. Hisy Sorona Masina ny andro fanombohana sy famaranana. FKMP
MIATRIKA IZANY ZAIKAM-PARITRA IZANY ·
Fiomanana
farany : Alahady 27
septambra 2009 aorian’ny Lamesa.
Fanomezana ny torimarika rehetra. Aoka ho avy daholo ireo mpizaika. ·
Fotoana : Eo amin’ny statue Général
Leclerc, Porte d’Orléans,
toy ny mahazatra, amin’ny 5 ora sy fahefany maraina (05
h 15). Fiantsoana
anarana sy fampidirana ny
entana. Mandamina izany ny Vaomieran’ny
Fifandraisana sy ny Fitantanana ·
Fiaingana
Asabotsy
03 oktobra : amin’ny 6 ora
tsy diso (06 h 00) no miainga ny cars. ·
Fizarana
ny Efitrano: indraiketan’ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Fitantanana ·
Fitaovana : o
Samy mitondra fihirana sy Baiboly izay
manana ary taratasy sy fanoratana. o
Samy mitondra fitaovana fidiovana o
Ny drap sy ny
firakotra dia misy |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : |
|