“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 06 Septambra  2009

N° 27

ALAHADY FAHA 23 MANDAVANTAONA – TAONA B

 

Misokafa amin’Andriamanitra sy ny namana dia hahita fahasambarana

 

Any  Dekapaoly tanàna sady tsy mino no tsy mahalala an’Andriamanitra I Jesoa no mahita ity moana marenina ity.   Raha araka lalàn’I Moizy dia tsy tokony hifampikasokasoka amin’Io tanàna io I Jesoa ( Jody) satria tanàna tsy mino an’Andriamanitra. Noravan’I Jesoa anefa izany lalàna izany. Tsy tiany ny hisian’ny efitra manasaraka ny Jody sy ny tsy Jody. Ny firenena rehetra no natao hitoriana , hahalala ny fisian’Andriamanitra. Tsy natokana ho an’ny olombitsy ny famonjena avy amin’Andriamanitra fa natao ho an’ny firenena sy ny foko rehetra. Manentana ny kristiana mba tsy hampisy rindrina mapisaraka eo amin’ny mahantra sy ny mpanankarena ny Vakiteny faharoa  manamafy izany tarigetran’i Jesoa izany.

Manambara ny fomba fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona manodidina antsika io aretina “moana sy marenina “io. Moana sy marenina isika rehefa tsy te hahalala ny Tenin’Andriamanitra ka manao azy ankilabao. Moana sy marenina isika rehefa tsy te hifandray amin’ny hafa sy amin’Andriamanitra. Moana sy marenina isika raha tsy mivelatra amin’ny manodidina antsika. Mila tsaboana izany aretina ara-panahy izany.

I Jesoa no afaka manasitrana antsika amin’io aretina mampalahelo io. Miantso antsika izy satria te hanasitrana antsika. Izy no manao dingana voalohany amin’izany. Izy no mampianatra antsika hahalala an’Andriamanitra sy ho tia ny manodidina antsika. Tsy afaka hanao inona na inona amintsika anefa Izy raha tsy manaiky ho tsaboina isika.

Ary ho antsika mahatsiaro tena ho efa sitrana : tsy moana tsy marenina,  mitana sy mino mafy ny Tenin’Andriamanitra, mpikatroka mahafatrapo ato amin’ny FKMP, anjarantsika no mampatsiahy sy mapahalala ireo manodidina antsika. Manomboka izao ny taona pastoraly,ianareo Vaomiera isan-karazany, tanora , Sampana, ny olon-drehetra no entanina  hijoro ho vavolombelona manambara ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny andraikitra sahanintsika.

Tsy misy faly  sy sambatra amin’ny aretina “moana sy marenina”. Mazotoa mifandray sy mivelatra amin’Andriamananitra sy amin’ny hafa. Dingano ny rindrim-panavakavahana misy eo aminao sy ny mpiara-mivavaka. Atsaharo ny fanaovana lolom-po sy valifaty, mahaiza mifamela heloka.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


DIMANCHE 06 Septembre 2009 – MESSE DU 23ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT

 

Isaïe annonçait un messie qui ouvrirait les yeux des aveugles et les oreilles des sourds (première Lecture). Cette parole du prophète s’accomplit en Jésus Christ (l’Evangile), pour chacun des baptisés. Le peuple nouveau des baptisé, sauvé de l’aveuglement et de la surdité qu’entraine le péché, retrouve sa dignité première (deuxième Lecture). La dignité des pauvres dans l’Eglise. S’ouvrir pour se détacher de ses certitudes et accueillir la nouveauté de l’Evangile : LA FORCE DE L’AMOUR.



& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’I Izaia Mpaminany

Iz. 35, 4 – 7a

Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe : Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, Tenany no avy, dia hamonjy anareo. Amin’izany dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an’efitra ; ary sakeli-drano eny an-tany lemaka lava volo. Ny tany hay hanjary farihy, ary ny tany mangetana ho loharano.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Jakôba Apôstôly

Jak. 2, 1 – 5

Ry kristianina Havana, aza asiana fizahan-tavan’olona ny finoana an’I Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra. Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo : ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe : “Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha” ; fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe : “Mitsangàna ery”, namipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro” ;  moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra ? Henoy ange, ry kristianina havako malala : Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy ?

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’I Md. Marka

Mk. 7, 31 – 37

Tamin’izany andro izany, I Jesoa niala amin’ny faritanin’I Tira, ary namaky ny faritanin’I Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’I Galilea, amin’ny faritanin’I Dekapôly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahiny mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe :Efetà !”, izany hoe “misokafa !” Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy. Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza ; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza ; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe : “Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana”.

Izany àry no Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !



( fifampizarana

 

 

TIA TSY MANAVAKA ANDRIAMANITRA

Fitiavana maimaim-poana sy tsy misy fanavahana no itiavan'Andriamanitra antsika.

Fitiavana mitsinjo ny madinika indrindra. Moa và tsy firenena faran'izay madinika sy nijaly no nofidiany ipoiran'ny famonjena antsika ?

Ny masontsika mazàna azo lazaina fa jamban'ny endrika ivelany ka tsy mahita ny fahantrana ara-panahy mety afenin'izany.

Ny fitiavana an'Andriamanitra no tena harena maharitra mandrakizay ary izany no takian'ny Tompo amintsika ary itsaràny antsika.

Amin'izao fanombohan'ny taona pastoraly izao, dia mangataka amin'Andriamanitra isika mba hanana izany fitiavana lehibe izany, fitiavana hanenika ny fiainantsika ka hampanjakaintsika manodidina antsika.

 

MESSE D’ENVOI DES CATECHISTES

 

Ny Asabotsy 12 Septambra 2009 izao no hitarika ny Lamesa fanirahana ny mpampianatra Katesizy rehetra eto amin’ny Diosezin’i Paris ny Kardinaly André VINGT-TROIS, Arsevekantsika. Ao amin’ny Paroasy Saint Germain des Prés (Paris 6ème) – 3, Place St Germain des Prés, manomboka amin’ny 10 ora maraina.

 

Métro : St Germain des Prés (Ligne n° 4).

Koa manainga ny mpampianatra Katesizy rehetra eto amin’ny FKMP  hanatrika izany.

 

Fara RASOLOJAONA

Vaomieran’ny FINOANA



¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

TAONA PASTORALY VAOVAO :

Manomboka taona pastoraly vaovao isika mianakavy rehefa avy niala sasatra, nanovo hery vaovao. Dia ho vao hatrany ny ezaka rehetra hataontsika ato amin’ny FKMP. Vakio tsara ny fanentanana ataon’ny Aumônier-ntsika sy ny fifampizarana atolotry Vaomieran’ny Finoana. Miezaka manao tsaratsara kokoa noho ny  tamin’ny taon-dasa. Mangataka ny Fahasoavan’Andriamanitra mba tsy ho moana fa sahy manambara ny Teniny amin’ny olon-drehetra. Atongilano ny sofina mba ho afaka mifampihaino tsara isika. Mizara sy miaina ny Tenin’Andriamanitra. Ho resy lahatra fa Tenim-pitiavana izany ka mamelona antsika mianakavy. Samia mirotsaka amin’ny asam-panompoana takiana aminao eto amin’ny FKMP fa aza mialangalana. Ho tsara taona daholo ary soava dia hahefa be hamokatra eo amin’ny Sahan’ny Tompo.

 

2.

TAONAN’NY PRETRA :

Rehefa avy nankalaza ny taonan’I Md Paoly isika, dia mankalaza indray ny taonan’ny Pretra amin’ity taona pastoraly vaovao ity araka ny fanambarana nataon’ny Papa Benoît XVI. Nanomboka ny Zoma 19 jona 2009 ary mifarana ny Asabotsy 19 jona 2010 izany. Ao anatin’ny faha - 150 taona  nahafatesan’I Md Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars ary sady mpiahy ny Pretra. Mandritra izao fankalazana izao no hambara amin’ny fomba ofisialy fa mpiaro ny Pretra rehetra I Md Jean-Marie VIANNEY.

 

3.

FAMPIANARANA KATESIZY :

Hanomboka koa ny fampianarana katesizy eto amin’ny Fiangonantsika. Ny finoana no antom-pisian’ny Fiangonana koa noho izany fanabeazana fototra ny katesizy. Ny Fiangonana no toerana voajanahary iveloman’ny Finoana. Manainga ny ray aman-dreny rehetra handefa ny zanany amin’izany. Sokajiana araka ny taona ny ankizy amin’izany.

 

4.

FIOMANANA AMIN’NY SAKRAMENTA :

Misy koa ny fiomanana amin’ny fandraisana ny Sakramenta : Batemy, Komonio Voalohany, Konfirmasio ary Mariazy. Manatona ny Pretra ireo te handray ny Sakramentan’ny Fampihavanana.

 

5.

NIOVA ENDRIKA NY SITE-NY FKMP :

Isan’ny ainga vao teto amin’ny FKMP ny fanavaozana ny Site. Marobe isika no nitsidika sy nijery izany tamin’iny taona pastoraly lasa iny. Ankehitriny dia endrika vaovao indray no isehoiany amintsika mianakavy. Koa mahazotoa mitsidika ao.

 



¦ soritr’asa manaraka

 

1.

ZAIKAM-PARITRA :

Efa tapitra tamin’ny alahady 26 Jolay 2009 ny fisoratana anarana ho any amin’ny Zaikam-paritra izay hatao any Lisieux ny 03 sy 04 Oktobra 2009. Misaotra antsika rehetra nivonona handeha.  Androany sy amin’ny heriny isika no tsy maintsy manefa ny ambony amin’ny fandraisana anjara  (10 euros efa naloantsika). Koa manatona ny mpiandraikitra isika.