“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 19 Jolay 2009

N° 25

ALAHADY FAHA 16 MANDAVANTAONA – TAONA B

 

« Il fut saisi de pitié envers eux, par ce qu’ils étaient comme des brebis sans berger »

 

« Où mènes-tu paître ton troupeau », ô bon pasteur qui le portes tout entier sur tes épaules ? Car la race humaine tout entière est une brebis unique que tu as prise  sur tes épaules. Montre moi le lieu de ton pâturage, fais moi connaître les eaux du repos, mène moi vers l’herbe grasse, appelle- moi de mon nom, afin que j’entende ta voix, mois qui suis ta brebis, et que ta voix soit pour moi la vie éternelle. Oui « dis-le-moi, toi que mon cœur aime. » C’est ainsi que je te nomme, car ton nom est au-dessus de tout nom, inexprimable et inaccessible à toute créature douée de raison. Mais ce nom-ci, témoin de mes  sentiments pour toi, exprime ta bonté. Comment ne t’aimerai-je pas, toi qui m’as aimée, alors que j’étais toute noire, au point de donner ta vie pour les brebis dont tu es  pasteur ? Il n’est pas possible d’imaginer de plus grand amour que d’avoir donné ta vie pour mon salut.

 

Enseigne –moi donc « où tu mènes paître le troupeau », que je suis trouver le pâturage du salut, me rassasier de la nourriture céleste dont tout homme doit manger s’il veut entrer dans la vie, courir vers toi, qui es la source, et boire à longs traits l’eau divine que tu fais jaillir pour ceux qui ont soif. Cette eau se répand de ton flanc depuis que la lance y a ouvert une plaie, et quiconque en goûte devient une source d’eau jaillissant en vie éternelle.

 

Saint Grégoire de Nysse (V. 335-395)

Moine et évêque


DIMANCHE 19 JUILLET 2009 – MESSE DU 16ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT

 

OLONTSAMBATRA – BIENHEUREUX

FRERE RAPHAËL – LOUIS RAFIRINGA (1856 – 1919)

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’I Jeremia  Mpaminany

Jer. 23, 1 – 6

Mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin’ny kijanako, - teny marin’ny Tompo. Koa izao no lazain’ny, Andriamanitr’Israely, ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako : ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo ; tsy niahy azy ireo ianareo. Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo, - teny marin’ny Tompo. Ary izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko, avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haveriko ho amin’ny kijanany izy ; ka hitombo sy hihamaro. Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho ; ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy ; sady tsy hisy diso tsy eo na dia iray aza, - teny marin’ny Tompo. Indro avy ny andro, - teny marin’ny Tompo, hananganako solofo marina ho an’I Davida ; hitondra tahaka ny mpanjaka ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. Amin’ny androny, I Jodà hovonjena, I Israely handry fehizay ; ary izao no anarana hanononana azy : “Tompo-fahamarinantsika”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Efezy

Efez. 2, 13 – 18

Ry Kristianina havana, ankehitriny, ao amin’I Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’I Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray. Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana ; tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany ; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. Ary tonga Izy, nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa, satria Aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !


& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’I Md. Marka

Mk. 6, 30 – 34

Tamin’izany andro izany, nony niverina teo amin’I Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy : « Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely” ; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy  hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina. Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo I Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-piandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

Izany àry no Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

Amin’izao ankatoky ny fialan-tsasatra eto amin’ny  FKMP izao dia indro misy hafatra nalaina tao amin’ilay Taratasin’ny Ray Masina Joany Paoly II ho an’ny tanora eran-tany nosaratany tamin’ny taona 1985.

 

HARENA TOKANA AMAN-TANY NY HATANORANA

(…) Tsy maintsy manontany tena anefa isika raha toa mampanalavitra antsika an’I Kristy io hatanorana io. Mazava loatra fa tsy miteny izany  ny mpanoratra ny Evanjey. Rahefa dinihana ny teniny dia hafa noho izany ny heviny. Raha ny tena izy dia ny harena eto ivelany no nahatonga ny fanapahan-kevitr’ilay tanora. Fa tsy ny maha-izy azy. Ny maha-izy azy araka maha-tanora azy, izany hoe ny harena anaty miafina ao amin’ny hatanorana, izany no nitondra azy ho any amin’i Jesoa. Ary izany ihany koa no nitondra azy hametraka ny fanontaniana ankarihary, momba ny hoaviny amin’ny fiainany manontolo. Inona no hataoko? “Inona no hataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay? ” Inona no hataoko mba hampisy hasina sy heviny ny fiainako ?

 

Ny hatanorantsika tsirairay avy, ry havako, dia harena miseho amin’ny alalan’ireo fanontaniana ireo. Mamakivaky ny fiainana amin’ny taranaka mifandimby ireo fanontaniana ireo. Fa manonja bebe koko izy mandritra ny hatanorana ary miverimberina aza. (…)

 

Io àry ny santionan-dresaka nataon’ny Papa ho an’ny tanora. Ny fampianarany dia niainga tamin’ilay resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanan-karena. Dinidiniho any am-pialan-tsasatra any  ( jereo Marka 10, 17 – 22)

Ray Masina Joany Paoly II

Papa 1978 - 2005

 

 

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

ZAIKAM-PARITRA

Efa fantatsika rehetra moa fa ny Asabotsy 03 sy ny 04 Oktobra 2009 no hatao any Lisieux Basilique Sainte Thérèse de l’Enfant Jésus ao amin’ny Carmel ny Zaikam-paritra Avaratra.

Manomboka ny fisoratana anarana ary mifarana ny Alahady 26 Jolay 2009. Koa manainga antsika rehetra amin’izany.

·          Mikarakara ny Fitaterana ny Vaomieran’ny Fitantanana

·          Miandraikitra ny fisoratana anarana ny Vaomieran’ny Fifandraisana

·          Vola azo amin’ny Hasin’Andriamanitra (Denier de l’Eglise) sy ny Koranam-pianakaviana dia manampy amin’ny enti-manana amin’itony Zaikam-paritra itony.

Ny fandraisana anjara takiana amin’ny tsirairay.

Ankizy, latsaky ny 12 taona : 10 €

Tanora, mihoatra ny 12 taona ka hatramin’ny 18 taona : 15 €

Lehibe, mihoatra ny 18 taona : 25 €

·          Vola aloha eo am-pisoratana anarana (arrhes) : 10 €

 

Ny fitanterana dia raisin’ny Fiangonana an-tanana tanteraka ny sarany.

 

 

ü VAOVAO NASIONALY

 

1.

FISAORANA

Faly miarahaba anareo rehetra,

Tsy ho ary voatanisa eto tsirairay avy ny anaran'ireo kristianina nandray andraikitra tamin'ny fanantontosana ny fety nataontsika ny 27 juin iny. Fisaorana feno sy fankasitrahana no atolotra azy ireo.

Misaotra manokana ny FKMP sy ny biraony tamin'ny fiaraha-miasa, Hisaorana manokana etoana ireo pretra miralahy, P. Edmond sy P. Alphonse nanara-dia sy nametraka fahatokisana tamintsika. Hita ary tsapa fa mila azy ireo mafy mihintsy isika hanilo sy hitari-dalana amin'ny anaran'ny Tompo. Hisaorana manokana ihany koa ireo izay rehetra nanome dons tamin'ny fomba maro samihafy.

Tery dia tery ny fotoana ka  hanao relecture miaraka isika  amin'ny fidirana amin'ny septembre amin'izay mahafaka anareo.

Koa ny Tompo anie hitahy antsika tsirairay avy.

Bonne vakansy daholo ê !

 

Raphaël ANDRIAMAHEFA, Filoha Nasionaly

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY

Androany Alahady 19 jolay 2009 no nanao ny fivoriany ara-potoana ny Filan-kevitra Pastôraly eto amin’ny Fiangonantsika. Ho lazaina amintsika eo amin’ny vaovaom-piangonana ihany ny ambangovangony amin’izany.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

26/07/2009 : BIRAO

2.

MANADIO FIANGONANA :

25/07/2009 : Vaomieran’ny KOLON-TSAINA

 

Rakitra sy vokatra samihafa

12/07/2009

90, 51 €