|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/
|
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 12 Jolay 2009 |
N° 24 |
|
ALAHADY FAHA 15
MANDAVANTAONA – TAONA B |
|
|
“Miara-dalana amintsika isan’andro
isan’andro ny Tompo (…) Koa mamindrà ary matokia. Ny Fitiavany tsa mba ho
afaka amintsika !!!” Koa androany dia ireto
hevitra roa ireto no hifampizarana amintsika : fiombonam-piainana
amin’Andriamanitra sy fahavononana hitory ny Vaovao Mahafaly. 1.
Fiombonam-piainanana amin’i Jesoa : nantsoin’i Jesoa aloha ireo
Apôstôly hiombom-piainana aminy, hiara-hiaina
aminy, ho iray Fianakaviana aminy. Avy eo vao nirahiny ireo. Araka izany dia tsy ny hitory
an’Andriamanitra aloha no mahamaika fa ny hiara-miaina aminy : mifanerasera
amin’Andriamanitra, miaraka aminy, mametraka
Azy ho eo amin’ny fiainana manontolo. Raha atao teny tokana, Apôstôly
miara-miaina amin’i Jesoa. Ho antsika, Kristianina miara-miaina tanteraka
amin’Andriamanitra. 2. Fahavononana ny
hitory ny Vaovao Mahafaly : zava-dehibe ny
fiombonam-piainana amin’Andriamanitra, fa adidy lehibe sy masina koa ny
fitoriana Azy. Nirahina tsiroaroa ireto Apôstôly. Midîka inona moa ny hoe
tsiroaroa ? Manambara izany fa tsy an’olon-tokana ny fitoriana ny
Evanjely. “Taon-trano tsy vitan’ny irery”, ary “Asa vadi-drano tsy vita tsy
ifanakonana”, “Soroka miara-milanja ary tongotra miara-mamindra”. Ilaina ny fifanampian’ny samy mpanara-dia an’i Kristy. Manaraka izany,
dia ilaina koa ny fahavononana sy ny finiavana. Rehefa nomen’i Jesoa fahefana
ny Apôstôly dia nirahiny ary nilazany mba tsy hitondra n’inon’inona akory eny an-dalana. Tena ireo zavatra
ilaina rehetra eo amin’ny fiainana no nambaran’i Jesoa hoe aza entina: “tsy
mitondra mofo” midîka hoe aza miasa saina amin’ny sakafo ; “aza mitondra
kitapo” : ny kitapo famatrarana izay fananana ; “aza mitondra vola” : tsy
afa-mividy izay ilaina rehefa tsy misy vola. “Tsy mitondra akanjo hisoloana”. Fa inona ihany no
entina ? “Aza mitondra afa-tsy tehina sy
kiraro. Ny tehina manambara fahavononana, iny no
tohan’aina amin’ny lalana. Ny kiraro midîka fa afaka handeha lavitra araka
izay tratra. Raha tsorina, ny
tian’I Jesoa hambara dia ny fananana FAHAVONONANA sy FINIAVANA. Tsy manahy
amin’izay mety hilaina ety ivelany aloha. Fa araka ny Tenin’I Jesoa dia hoe :
“ Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Fahamarinany dia homena anao
ny sisa rehetra”. Tsy mitady tambiny na mila takalo isika fa vonona
mandrakariva, fa mahalala izay mahasoa sy ilaintsika Andriamanitra.. Mifampitondra am-bavaka àry
isika mianakavy mba samy ho afaka hiezaka hiombona aina amin’Andriamanitra,
ary vonona ny hitory amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fiainantsika manontolo. |
|
P. RANDRIAMANANTENASOA Jean Liset (ELISEE) |
DIMANCHE 12 JUILLET 2009 – MESSE DU 15ème
DIMANCHE
Année B – Couleur liturgique : VERT
|
|
OLONTSAMBATRA – BIENHEUREUX FRERE RAPHAËL – LOUIS RAFIRINGA (1856 –
1919) |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’I
Amôsy Mpaminany |
Amôs.
7, 12 – 15 |
||
|
Tamin’izany andro izany, hoy I
Amasiasa, mpisoron’I Betela, tamin’I Amôsy : “ Ry mpahita ô, mandehana
mandositra any amin’ny tanin’I Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina ; any
ianao no maminania. Fa aza
maminany aty Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny aty, ary
tranom-panjakana”. Izao no navalin’I Amôsy an’I Amasiasa : “Tsy mba Mpaminany
aho na zanaky ny Mpaminany ; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy. Ary
nalain’ny Tompo tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’ny Tompo tamiko
hoe : Mandehàna ianao, maminany any amin’I Israely vahoakako”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’I
Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Efezy |
Efez.
1, 3 – 14 |
||
|
Ry Kristianina havana, hisaorana anie Andriamanitra, Rain’I Jesoa Kristy Tompontsika, izay nitsodrano antsika tao amin’I Kristy amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra, sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’I Jesoa Kristy isika ; nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasaoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany. Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro : dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’I Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony, mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’I Kristy rahateo. Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina, Izay nampanantenainy sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’I Md. Marka |
Mk. 6, 7 – 13 |
||
|
Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy I Jesoa, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto. Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahaina amin’ny fihikibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy : « Na aiza na aiza alehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy ». Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro ary nanasotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy. |
|||
|
Izany àry no Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho
anao ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
Nofidin'Andriamanitra isika mba hirahiny Izany no lohateny atolotrin'ny Eglizy ho saintsainina ary mitovy amin'izany koa no voalazan'i Md Marka ao amin'ny Evanjely androany. Heno matetika ankehitriny ny teny hoe
« IRAKA ». Voafono ao anatin'izany TENY izany : ny MPANIRAKA, ny
HIRAHINA ary ny asa aman-draharaha izay tsy maintsy hataon'ireo VOAHIRAKA. Eo amin'ny lafim-piainana andavanandro
ankehitriny : ny mpaniraka dia miandrandra, manantena VOKATRA, FAHOMBIAZANA
avy amin'ireo nirahina. Satria tokoa tany am-piandohana raha vao handeha ireo
hirahina dia efa novokisana hevitra maro, na hafetsena koa aza. Hirahin'Andriamanitra isika hanoy ny asan'ny
Apostoly am-panetre-tena, matoky ny fahasoavany amponbainy antsika, tsy mila tambatambazana
amin'ny fitaovana na vola. Tsapan'i Jesoa ny fahamafisan'izay
nangatahiny tamin'ny mpianany hany ka nirahiny tsiroaroa izy ireo. Isika koa : izaho, ianao dia nanaiky, rehefa
avy nandray ireo sakramenta, hanoy ny asan'ny Apostoly miaraka amin'ny Eglizy
; ny akaiky antsika indrindra amin'izany dia ny FKMP izay mankatoa indrindra,
isan'andro, isan'ora ny foto-piainana kristianina : mifankatia tahaka ny
nitiavan'i Jeso antsika, Dia mirary fiadanam-po ho antsika mianakavy. |
|
|
Paulin
RAKOTOMAVO |
|
|
Vaomieran’ny
FIARAHA-MONINA |
|
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
ZAIKAM-PARITRA Efa fantatsika rehetra moa fa ny Asabotsy 03 sy ny 04 Oktobra
2009 no hatao any Lisieux Basilique Sainte Thérèse de l’Enfant Jésus
ao amin’ny Manomboka ny fisoratana anarana ary mifarana ny Alahady 26 Jolay 2009. Koa manainga antsika rehetra
amin’izany. ·
Mikarakara
ny Fitaterana ny Vaomieran’ny Fitantanana ·
Miandraikitra
ny fisoratana anarana ny Vaomieran’ny Fifandraisana ·
Vola azo
amin’ny Hasin’Andriamanitra (Denier de l’Eglise) sy ny Koranam-pianakaviana
dia manampy amin’ny enti-manana amin’itony Zaikam-paritra itony. Ny fandraisana anjara takiana amin’ny tsirairay Ankizy, latsaky ny 12 taona : 10 € Tanora, mihoatra ny 12 taona ka hatramin’ny 18 taona : 15 € Lehibe, mihoatra ny 18 taona : 25 € ·
Vola
aloha eo am-pisoratana anarana (arrhes) : 10 € Ny fitanterana dia raisin’ny Fiangonana an-tanana tanteraka ny sarany. |
|
|
ü VAOVAO
NASIONALY |
|
|
|
1. |
FISAORANA Faly
miarahaba anareo rehetra, Tsy ho ary
voatanisa eto tsirairay avy ny anaran'ireo kristianina nandray andraikitra
tamin'ny fanantontosana ny fety nataontsika ny 27 juin iny. Fisaorana feno sy
fankasitrahana no atolotra azy ireo. Misaotra
manokana ny FKMP sy ny biraony tamin'ny fiaraha-miasa, Hisaorana manokana
etoana ireo pretra miralahy, P. Edmond sy P. Alphonse nanara-dia sy nametraka
fahatokisana tamintsika. Hita ary tsapa fa mila azy ireo mafy mihintsy isika
hanilo sy hitari-dalana amin'ny anaran'ny Tompo. Hisaorana manokana ihany koa
ireo izay rehetra nanome dons tamin'ny fomba maro samihafy. Tery dia
tery ny fotoana ka hanao relecture
miaraka isika amin'ny fidirana amin'ny
septembre amin'izay mahafaka anareo. Koa ny
Tompo anie hitahy antsika tsirairay avy. Bonne
vakansy daholo ê ! |
|
|
|
Raphaël
ANDRIAMAHEFA, Filoha Nasionaly |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY Ny fivorian’ny
Filan-kevitra pastoraly ara-potoana eto amin’ny Fiangonantsika dia hatao ny
Alahady 19 Jolay izao. Hisy fiantsoana ho an’ireo mpikambana amin’izany. |
|
|
” FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 19/07/2009 : Vaomieran’ny TANORA |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : 18/07/2009 :
BIRAO |
|
|
Rakitra sy vokatra samihafa |
05/07/2009 |
189, 27 € |
|
Vokatra
: Antsam-panahy nataon’ny Antoko Mpihira ny 20/06/2009 |
1896, 28 € |