|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 05 Jolay 2009 |
N° 23 |
|
ALAHADIN’NY
FAHA- 14 MANDAVANTAONA – TAONA B |
|
|
NY MPAMINANY TSY MASINA AN-TANINY |
|
Madiva ho tapitra ny tao-pikatrohana ara-pastoraly. Ny alahady 26
Jolay no lamesa farany iarahantsika
amin’ity taona 2008 -2009 ity. Maro ireo efa lasa nandao ny toerana mahazatra mba hiataka kely hialasasatra. Maro koa ireo vao handeha atsy ho atsy. Tsy
vitsy koa anefa ireo hijanona eo amin’ny fonenana mahazatra.
Mirary fialantsasatra mahafinaritra ho
anareo rehetra ; na ho anareo
izay handeha lavitra na ho
anareo izay hijanona ao an-trano ny tenako. Natokana handinihantsika ny tantaran’I Jesoa teo amin’ny tany nahabe
Azy ny alahady androany. Tantara manambara ny tsy finoan’ny mpiaramonina ny
maha Andriamanitra Azy. Hany ka nahatonga azy ireo hankahala: “Moa tsy io va
ilay mpandrafitra zanak’I Maria….”hoy izy ireo maneso Azy. Fantatry ny mpiaramonina taminy tokoa manko ny tantaran’I Jesoa: teraka
tao Betlehema Izy tamin’ny adron’ny fanisam-bahoaka. Nandany ny fahazazany sy
ny fahatanorany tao Nazareta ilay tananakely ambanivohitra . Nivelona
tamin’ny fambolena (oliva, voaloboka ary varimbazaha) sy fiompiana osy ny mponina tao amin’io tanana io . Samy
manao izay hahavelona azy ny fianakaviana tsirairay. Miangona ao sinagoga
ny mpiray tanana isaky ny Asabotsy. Tao anatin’io tontolo ambanivohitra io I Jesoa no novolavolaina.
Fiainana tsotra mitovy ny an’ny olon-drehetra ny fiainany: mpandrafitra,
nipetraka tamin’ny tany novelarina tsihy rehefa hisakafo. “Dépanneur” teo amin’ny Nankahalain’ny olona tao amin’ny Sinagoga Izy rehefa nitoriteny.
Satria tsy nifanaraka amin’ny fahitany an’I Jesoa ny fahaizana
nampisehoany.Tototry ny fialonana ny fiainany .Ratsy endrika eo imason’izy
ireo Izy satria misongona ny fahaizana sy ny fahendren’izy ireo I Jesoa. Inona
no azo tsoahina ? - Tsy tena mahalala an’I Jesoa ny mponin’I Nazareta. Tapany ny
fahalalan’izy ireo ny momba an’I Jesoa. Ny lafina maha olombelona no fantany
fa hadinony ny maha Andriamanitra an’I Jesoa. Ny tena fahalalana an’I Jesoa dia tsy ara-batana fotsiny fa tsy
maintsy miaraka amin’ny ara-panahy.
Mampitandriana antsika amin’ny fandraisana ny sakramenta rehetra izany. Ny
sakramenta dia famantarana manambara
sy mampahazo fahasoavana. Tsy hoe rehefa mandray ny vatana sy ran’I Jesoa dia
azo lazaina fa mifandray sy mahalala Azy tanteraka.Tsy maintsy arahina finoana ary finoana iainana fa tsy
atao am-bava fotsiny. “Ny rahalahiko sy anabaviko” hoy Izy dia izay mananao
ny sitrapon’ny Raiko. - Ny tsy fahombiazan’ny Jesoa teo anatrehan’ireo mpiaramonina taminy dia manambara ny fanajany ny fahafahan’ny
olona tsirairay. Tsy manery antsika Andriamanitra , mamela antsika hisafidy
na hino na tsy hino. Anjarantsika ny misafidy satria efa napetraka eo anoloantsika
ny fiainana sy ny fahafatesana. - Ho antsika kristianina amin’izao fotoana izao, I Krsity no ohatra
natao hankahery antsika raha sanatria sendran’ny tsy fahombiazana eo amin’ny asa pastoraly (
isam-boamiera ohatra). Tsy mora ny
fitoriana ny vaovao mahafaly na ao am-piangonana, na ao an-tokatrano na eo
amin’ny mpiaramonina. Mahereza daholo. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 05 JUILLET 2009 – MESSE DU 14ème
DIMANCHE
Année B – Couleur liturgique : VERT
|
|
OLONTSAMBATRA – BIENHEUREUX FRERE RAPHAËL – LOUIS RAFIRINGA (1856 –
1919) |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’I
Ezekiela Mpaminany |
Ez. 2, 2 – 5 |
||
|
Tamin’izany
andro izany, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka
nandre ny Tompo niteny tamiko aho. Hoy Izy tamiko : “Ry zanak’olona, indro
ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’I Israely, ho any amin’ireo vahoaka
mpiodina izay niodina tamiko, fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza,
ireo sy ny razany. Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo
ireo, no anirahako anao. Izao no holazainao aminy : Izao no Tenin’ny Tompo
Andriamanitra. Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, - fa taranaka mpiodina
izy – dia hahalala fa misy Mpaminany eo aminy.” |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
faharoan’I Md paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty |
2 Kôr. 12, 7 – 10 |
||
|
Ry
Kristianina |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’I Md.
Marka |
Mk. 6, 1
– 6 |
||
|
Tamin’izany
andro izany i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny
mpianany. Ary rehefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga
Izy, ka be tamin’izay nihaino azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao
hoe : « Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany ?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany
izany asa lehibe izany ? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’I Maria,
rahalahin’I Jakôba sy Jôsefa ary I Joda sy I Simôna ? Moa tsy aty amintsika
va ny anabaviny ?” Dia tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy I Jesoa taminy :
“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny amin’ny taniny sy amin’ny
fianakaviany ary amin’ny havany ihany.” Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory
Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny
fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo. Dia nitety ny
vohitra manodidina Izy sy ny mpianany |
|||
|
Izany àry no
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho anao ry Kristy! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
NY FAHALEMEKO NO HERIKO Tahaka ny nahazo ny
mpaminany Ezekiela dia nahita faminaniana koa I Md Paoly. Mamporisika hanohy
ny iraka nampanaovina. Tsy natao
ireharehana izany fa sao ny Satàna no mahazo vahana ao amintsika. Ny
fisedrana tsilo manindrona, ny fanenjehana, ny fihavonavonana, ny
fampisarahambazana dia asan’ny Satàna avokoa. Fa isika kosa raha manefa iraka
dia amin’ny anaran’I Kristy irery ihany. Na mafy aza ireny dia ampy antsika
ny fahasoavan’Andriamanitra ka tsy mba ireharehana ny asa vita fa ny
fanetren-tena izay heverin’izao tontolo izao fahalemena dia herintsika
kristianina raha miaraka amin’I Kristy tokoa isika. Dia ho azontsika ny
hevitry ny fiteny hoe : “Ny fahalemeko no heriko”. Aza mitandro hasasarana
àry manompo ity FKMP ity. Tsy sakana velively ho an’ny fitoriana ny Vaovao
Mahafaly ny fahalemena. Izahay mahalala an’I Kristy, Ilay Tompo sy
Andriamanitra ary manatanteraka ny didim-pitiavany no mahery ao Aminy. Ny
finoana tsy arahin’asa tokoa dia maty. Tsy ny fanenjehana na ny fialonana no
manaitra ny Tompontsika raha niditra tao amin’ny tanàna nahabe Azy tao Nazareta Izy, fa ny nahatonga izany dia
ny tsy fahampian’ny finoana miteraka fahamafisan-doha, fihatsarahambelatsihy,
fialonana. Koa mamporisika antsika izahay Vaomieran’ny Fifandraisana ifanome |
|
|
Andrianome
RAKOTOMANTSOA |
|
|
Vaomieran’ny
Fifandraisana |
|
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
FAMANGIANA
PASTORALY Misaotra an’Andriamanitra ary misaotra antsika
mainakavy fa vita soa aman-tsara ny fitsidihana pastoraly nataon’i Mgr Eric
de MOULINS-BEAUFORT, Eveka Mpanampy eto amin’ny Diosezin’iParis, tamin’ny
alahady 28 jona lasa teo. Nisy koa moa ny fitsofan-drano ny fametrahana ny
sarin’I Frera Raphaël-Louis RAFIRINGA, eo akaikin’ny an’I Victoire
RASOMANARIVO ao am-piangonana. |
|
|
2. |
ZAIKAM-PARITRA
ANY LISIEUX 03 – 04 OKTOBRA 2009 Miatrika
izany isika FKMP ary isan’ny Fiangonana zokiny ato amin’ny ANCMF. Koa miomana dieny izao fa maro ny
andraikitra miandry antsika. Ny fisoratana dia manomboka iandraiketan’ny
Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Vaomieran’ny Fitantanana. |
|
|
ü VAOVAO
NASIONALY |
|
|
|
1. |
ZAIKAM-PARITRA
AVARATRA Ny Zaikam-paritra
Avaratra dia hatao ny Asabotsy 3
sy Alahady 04 Oktobra 2009
any Lisieux misy ny Carmel sy ny Basilique ny Sainte Thérèse de l’Enfant
Jésus (14 – Calvados). Manomboka izao ny
fisoratana anarana ary mifarana ny alahady 26 jolay 2009. Koa alohan’ny handehananao hiala sasatra
(hanao vacances) dia misorata anarana. Miezaka ny FKMP mba ho maro be isika
no afaka handray anjara amin’izany, fa fotoan-dehibe koa izany. |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
FIVORIAN’NY
FILAN-KEVITRA PASTORALY Ny fivorian’ny Filan-kevitra
pastoraly ara-potoana eto amin’ny Fiangonantsika dia hatao ny Alahady 19
Jolay 2009 izao. Hisy fiantsoana ho an’ireo mpikambana amin’izany. |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 12/07/2009 : Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 11/07/2009 :
Vaomieran’ny FITANTANANA |
|
|
Rakitra |
28/06/2009 |
128, 90 € |
|
Volana
Jona |
618, 54 € |