|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 14 Jona 2009 |
N° 21 |
|
FETIN’NY
SAKRAMENTA MASINA – TAONA B |
|
|
Ny Vatana aman-dRan’I jeso Kristy:
fanekem-pihavanana vaovao |
|
Mba ho matotra tsara ny fifanekem-pihavanana misy
eo olon-droa na telo dia tsy maintsy misy ny atao hoe : “fati-drà”. Ny rà
nafafin’I Moizy tamin’ny vahoaka dia hanambarana ny fifanekena tsy
mivadi-belirano misy eo amin’ny vahoaka sy Andriamanitra. Hoy izy rehefa
nanaiky ny vahoaka fa hanatanteraka
izay voalazan’I Tompo : “ Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo
taminareo momba izany teny rehetra izany”.(vakiteny voalohany). Arak’izany dia manana anjara toerana lehibe eo
amin’ny fanekem-pihavanana ny rà. Ho an’ny jody dia mapatsiahy azy ireo ny
fanavotana nataon’Andriamanitra taminy fony izy ireo nandevozina tany amin’ny tanin’ny
Ejipta izany. Notetenana
rànjanak’ondry ny tolam-baravaran’izy ireo hany ka rehefa Nohavaozin’I Jesoa io fanekem-pihavanana nisy teo
@ vahoaka sy Andriamanitra io. Tsy rànjanak’ondry intsony no nanaovana ny
fanekem-pihavanana fa ny ràny sy ny tenany mihintsy. Ny mpianany aloha no
nanambarany izany voalohany. “Raiso fa vatako ity; Ràko ity halatsaka ho an’ny be sy ny maro”hoy Izy
teo am-pihinanana ny sakafo farany sy teo ampamoronana ny eokaritsia.
Tohizantsika ankehitriny amin’ny alalan’ny eokaristia io soron’ny fanekem-pihavanana vaovao nataon’I kristy
io. Sorona mampiavana antsika amin’Andriamanitra ny
eokaristia. ‘Zany hoe sorona mampiobona izay nisaraka. Izay rahateo moa ny
dikan’ny “communion”. Niezaka niaina io fampiombonnana io ny olotsambatra
Louis Rafiringa. Manana adidy koa
isika mpandray ny vatana aman-dràn’I Jesoa hampiavana sy hihavana. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 14 JUIN 2009 – MESSE DU CORPS
ET DU SANG DU CHRIST
Année B – Couleur liturgique : BLANC
|
|
OLONTSAMBATRA FRERA RAPHAËL – LOUIS RAFIRINGA (1856 –
1919) |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky
Eksaody |
Eks.
24, 3 – 8 |
||
|
Tamin’izany andro izany, dia |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’I
Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina Hebrio |
Heb.
9, 11 – 15 |
||
|
Ry Kristianina |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md Marka |
Mk.
14, 12 – 16. 22 – 26 |
||
|
Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay
fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’I Jesoa ny mpianany nanao hoe : “Aiza no
tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka ? “ Dia naniraka roa
lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe : “Mankanesa any an-tanàna, ary
hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha
azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe : “Iza no asan’ny
Mpampianatra lazaina aminao : Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka
amin’ny mpianatro ? Dia htoroany efitrano malalaka voavotra tsara ianareo, ka
ao no anamboary ho antsika”. Dia nandeha ny mpianatra ka |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho
Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
SAMBATRA I DADABE RAFIRINGA Dibo-kafaliana ny
Fiangonana Katolika tamin’ny Alahady 07 jona teo, ary faly sy ravo ny vahoaka
Malagasy fa mpiray tanindrazana aminy
no nasandratra ho Olontsambatra. Mba rahoviana tokoa re no mba ho tena ho
tany sambatra I Madagasikaranay, hoy ny vetsovetso ? Hatrany am-piandohana
dia mikaroka fahasambarana ny olombelona, ary izany no mampivoatra ny
fiaraha-monina. Iza anefa no sambatra ? Ho an’ny marary, sambatra ho azy, ny
olona salama. Ho an’ny noana, sambatra, ho azy, ny olona manan-kohanina. Ho
an’ny tsy manan-kialofana, sambatra ho azy, ny olona manan-trano. Ho an’ny
olona mahantra, sambatra ho azy, ny olona manam-bola. Ho an’ny kamboty,
sambatra ho azy, ny olona velon-dray aman-dreny. Ho an’ny tsy niteraka, sambatra
ho azy ny olona manan-taranaka. Ho an’ny olona tsy mba nianatra, sambatra ho
azy ny olona mahay sns…Dia tena sambatra tokoa ve ireo olona lazaina fa
sambatra ireo ? Ilaina tokoa ireo mba hanatsara ny fiainana an-tany.
Mangetaheta hatrany izay tsy ananany ny olombelona fa tsy mba mihonona
amin’izay hananana. Antoky ny fandrosoana izany amin’ny lafiny iray. Ny
hambom-po tsy atao be, hoy ny fiteny. Ambony lavitra noho izany anefa no
katsahin’ny mpino dia ny zava-mateza any ambony. Ny hatsaram-panahy no katsahina. Araka ilay fampianarana
fototra nataon’I Jesoa teny an-tendrombohitra momba ny fahasambarana (Jereo Matio 5) I dadabe RAFIRINGA
nasandratry ny Fiangonana ho Olontsambatra
mba ho oha-piainana tsy lany andro ho arahina sy alain-tahaka ho an’ny
taranany rehetra dia isika mpino tsy ankanavaka. Olo-malazan’ny Fiangonana
izy toan-dry Victoire RASOAMANARIVO tamin’ny alalan’ny fitiava-namana
nasehony, ny fanompoana ny Fiangonana tsy nitandro hasasarana, fahaiza-mamela
ny hafa. Olomangan’I Madagasikara rahateo. Mendri-piderana izy ireny fa
nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny. Naheno ary niaina tanteraka ny Vaovao
Mahafaly dia I Kristy. Fetin’ny Sakramenta Masina androany, ary ao amin’ny
Eokaristia no misy ny loharanom-pahasoavana sy loharanom-piadanana ho
antsika. Ny sambatra izany dia izay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra
fa azo ilay valisoa tsy manapahataperany izy any an-danitra any. Isan’izany
ry Dadabe RAFIRINGA, ka nahatonga ny taranaka manao hoe sambatra I dadabe e.
Sambatra tokoa izay mino ny Tompo, fa ataony izay voalazany anao e. Koa lasa
ny zafikely rehetra mandray ny boky fiderana dia ny “Hasina” ka manao ny hira
rehetra mikasika ny SAMBATRA, takila
maro izy ao, ka mahereza mihira e. Izay mihira tokoa mivavaka indroa. Manamafy finoana. Ary sao
hadinoana fa I Dadabe RAFIRINGA no nanao poezia malagasy voalohany. |
|
|
ELIASY Liva |
|
|
Zafiafy |
|
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
FAMANGIAN’NY
EVEKA Ny Alahady 28 Jona 2009 izao no hanao fitsidihana pastôraly eto amin’ny
FKMP I Mgr Eric de MOULINS-BEAUFORT, Eveka mpanampy eto amin’ny Diosezin’I
Paris. Izy no hitarika ny Sorona
masina amin’izany. Miomana dieny izao isika mianakavy ny amin’izany. |
|
|
2. |
ANTSAM-PANAHY
LEHIBE ATAON’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA Toy ny fanaony isan-taona dia ny Asabotsy 20 Jona 2009
no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho
famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa fitoriana an’I Jesoa Kristy
nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana antsika mianakavy amin’ny
fandraisana anjara sy fanotronana izany. Hisy ny fitondrana am-bavaka ny
tanindrazantsika ka ny lohahevitra dia ny hoe : “GASIKARANAY, TAHIO”. Fandraisana anjara : 10 € Ny toerana hanaovana izany dia
ao amin’ny Crypte-ny Paroasy Saint Dominique 16, rue de Métro (Ligne 6) Saint Jacques na
RER B Denfert-Rochereau. |
|
|
ü VAOVAO NASIONALY SY ERA-TANY |
|
|
|
1. |
FFKM France Ho Fankalazana ny Fetim-pirentsika dia ny Alahady 21 Jona 2009 no hanovana ny
Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana karakarain'ny FFKM France ho
fangataham-pitahiana ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny tanindrazana. Izany dia
hatao ny ao amin'ny Paroasy Sainte
Trinité - 3, rue de la Trinité - 75009 Paris, Métro : Trinité. Manomboka
amin'ny 3 ora tolak'andro ny fotoana. |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
||
|
1. |
KORANAM-PIANAKAVIANA
MIARAKA AMIN’NY ANCMF Momba ny
vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le Ny
fanomanana sy ny fanatanterahana ny lanonana dia eo ambany fiahian’ny Birao
Nasionaly. Toy ny
natao teto amin’ny FKMP: dia hisy ny fitsinjarana ny asa, fangatahana “dons”
ary ny fivarotana billetss ka mamporisika ny tsirairay. [Jereo ao amin’ny
“flyer”]. |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORIZIA : 28/06/2009 :
Isika rehetra entanin’ny Vaomieran’ny FINOANA |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 20/06/2009 : Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA |
|
|
Rakitra farany |
07/06/2009 |
314, 47 € |