“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 14 Jona 2009

N° 21

FETIN’NY SAKRAMENTA MASINA – TAONA B

 

Ny Vatana aman-dRan’I jeso Kristy: fanekem-pihavanana vaovao

 

Mba ho matotra tsara ny fifanekem-pihavanana misy eo olon-droa na telo dia tsy maintsy misy ny atao hoe : “fati-drà”. Ny rà nafafin’I  Moizy tamin’ny vahoaka  dia hanambarana ny fifanekena tsy mivadi-belirano misy eo amin’ny vahoaka sy Andriamanitra. Hoy izy rehefa nanaiky ny vahoaka fa hanatanteraka  izay voalazan’I Tompo : “ Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany”.(vakiteny voalohany).

Arak’izany dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanekem-pihavanana ny rà. Ho an’ny jody dia mapatsiahy azy ireo ny fanavotana nataon’Andriamanitra taminy fony izy  ireo nandevozina tany amin’ny tanin’ny Ejipta  izany. Notetenana rànjanak’ondry ny tolam-baravaran’izy ireo hany ka rehefa tonga ny anjely mpandripaka dia afaka t@ fahafatesana  izy ireo. Nankalazainy isan-taona io paka io.  I Jesoa sy ny Ray aman-dreniny koa dia nankalaza izany.

Nohavaozin’I Jesoa io fanekem-pihavanana nisy teo @ vahoaka sy Andriamanitra io. Tsy rànjanak’ondry intsony no nanaovana ny fanekem-pihavanana fa ny ràny sy ny tenany mihintsy. Ny mpianany aloha no nanambarany izany voalohany. “Raiso fa vatako ity; Ràko ity  halatsaka ho an’ny be sy ny maro”hoy Izy teo am-pihinanana ny sakafo farany sy teo ampamoronana ny eokaritsia. Tohizantsika ankehitriny amin’ny alalan’ny eokaristia io soron’ny  fanekem-pihavanana vaovao nataon’I kristy io.

Sorona mampiavana antsika amin’Andriamanitra ny eokaristia. ‘Zany hoe sorona mampiobona izay nisaraka. Izay rahateo moa ny dikan’ny “communion”. Niezaka niaina io fampiombonnana io ny olotsambatra Louis Rafiringa.  Manana adidy koa isika mpandray ny vatana aman-dràn’I Jesoa hampiavana sy hihavana.  Tonga nofo ao amintsika ny vatana amandran’ny Jesoa raha manatanterazaka izany isika. Ary ho tanteraka ao amintsika ilay teny hoe: “Tsy izaho intsony no velona fa I Kristy no velona ato amiko”.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


DIMANCHE 14 JUIN 2009 – MESSE DU CORPS ET DU SANG DU CHRIST

Année B – Couleur liturgique : BLANC

 

OLONTSAMBATRA

FRERA RAPHAËL – LOUIS RAFIRINGA (1856 – 1919)

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Eksaody

Eks. 24, 3 – 8

Tamin’izany andro izany, dia tonga I Môizy nitondra tamin’ny vahoaka ny Tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka namely hoe : “Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa”. Nosoratan’I Môizy avokoa ny Tenin’ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, anorina ôtely teo am-pototry ny tendrombohitra, sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo. Ary naniraka zatovolahy zanak’I Israey izy, ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. Nalain’I Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely. Izay vao nalainy ny bokin’ny Fanekena ary novakîny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namely hoe : “Hataonay sy hoekenay avokoa, izay rehetra voalazan’ny Tompo”. Dia nalain’I Môizy ny ra, nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazain’ny hoe : “Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 9, 11 – 15

Ry Kristianina havana, I Kristy, nony efa tonga Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao : sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. Ary raha ny ran’osilahy sy ran-janak’omby aza mbamin’ny “famafazana ny lavenom-bantotr’omby vavy nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo, mainka ny Ran’I Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona ! Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rehefa nisy fahafatesana hanala ny fahotana, natao tamin’ny fanekena taloha.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 14, 12 – 16. 22 – 26

Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’I Jesoa ny mpianany nanao hoe : “Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka ? “ Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe : “Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe : “Iza no asan’ny Mpampianatra lazaina aminao : Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro ? Dia htoroany efitrano malalaka voavotra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika”.

Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Ary raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo I Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakîny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe : “Raiso, fa Vatako ity”. Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe : “Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

SAMBATRA I DADABE RAFIRINGA

 

Dibo-kafaliana ny Fiangonana Katolika tamin’ny Alahady 07 jona teo, ary faly sy ravo ny vahoaka Malagasy fa mpiray  tanindrazana aminy no nasandratra ho Olontsambatra. Mba rahoviana tokoa re no mba ho tena ho tany sambatra I Madagasikaranay, hoy ny vetsovetso ?

 

Hatrany am-piandohana dia mikaroka fahasambarana ny olombelona, ary izany no mampivoatra ny fiaraha-monina. Iza anefa no sambatra ? Ho an’ny marary, sambatra ho azy, ny olona salama. Ho an’ny noana, sambatra, ho azy, ny olona manan-kohanina. Ho an’ny tsy manan-kialofana, sambatra ho azy, ny olona manan-trano. Ho an’ny olona mahantra, sambatra ho azy, ny olona manam-bola. Ho an’ny kamboty, sambatra ho azy, ny olona velon-dray aman-dreny. Ho an’ny tsy niteraka, sambatra ho azy ny olona manan-taranaka. Ho an’ny olona tsy mba nianatra, sambatra ho azy ny olona mahay sns…Dia tena sambatra tokoa ve ireo olona lazaina fa sambatra ireo ? Ilaina tokoa ireo mba hanatsara ny fiainana an-tany. Mangetaheta hatrany izay tsy ananany ny olombelona fa tsy mba mihonona amin’izay hananana. Antoky ny fandrosoana izany amin’ny lafiny iray. Ny hambom-po tsy atao be, hoy ny fiteny. Ambony lavitra noho izany anefa no katsahin’ny mpino dia ny zava-mateza any ambony. Ny hatsaram-panahy  no katsahina. Araka ilay fampianarana fototra nataon’I Jesoa teny an-tendrombohitra momba ny fahasambarana (Jereo Matio 5) I dadabe RAFIRINGA nasandratry ny Fiangonana ho Olontsambatra  mba ho oha-piainana tsy lany andro ho arahina sy alain-tahaka ho an’ny taranany rehetra dia isika mpino tsy ankanavaka. Olo-malazan’ny Fiangonana izy toan-dry Victoire RASOAMANARIVO tamin’ny alalan’ny fitiava-namana nasehony, ny fanompoana ny Fiangonana tsy nitandro hasasarana, fahaiza-mamela ny hafa. Olomangan’I Madagasikara rahateo. Mendri-piderana izy ireny fa nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny. Naheno ary niaina tanteraka ny Vaovao Mahafaly dia I Kristy. Fetin’ny Sakramenta Masina androany, ary ao amin’ny Eokaristia no misy ny loharanom-pahasoavana sy loharanom-piadanana ho antsika. Ny sambatra izany dia izay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fa azo ilay valisoa tsy manapahataperany izy any an-danitra any. Isan’izany ry Dadabe RAFIRINGA, ka nahatonga ny taranaka manao hoe sambatra I dadabe e. Sambatra tokoa izay mino ny Tompo, fa ataony izay voalazany anao e. Koa lasa ny zafikely rehetra mandray ny boky fiderana dia ny “Hasina” ka manao ny hira rehetra mikasika ny SAMBATRA, takila  maro izy ao, ka mahereza mihira e. Izay mihira tokoa  mivavaka indroa. Manamafy finoana. Ary sao hadinoana fa I Dadabe RAFIRINGA no nanao poezia malagasy  voalohany.

ELIASY Liva

Zafiafy

 

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

FAMANGIAN’NY EVEKA

Ny Alahady 28 Jona 2009 izao no hanao fitsidihana pastôraly eto amin’ny FKMP I Mgr Eric de MOULINS-BEAUFORT, Eveka mpanampy eto amin’ny Diosezin’I Paris. Izy no  hitarika ny Sorona masina amin’izany. Miomana dieny izao isika mianakavy ny amin’izany.

 

2.

ANTSAM-PANAHY LEHIBE ATAON’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA

Toy ny fanaony isan-taona dia ny Asabotsy 20 Jona 2009 no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa fitoriana an’I Jesoa Kristy nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana antsika mianakavy amin’ny fandraisana anjara sy fanotronana izany. Hisy ny fitondrana am-bavaka ny tanindrazantsika ka ny lohahevitra dia ny hoe : “GASIKARANAY, TAHIO”.

Fandraisana anjara : 10 €

Ny toerana hanaovana izany dia ao amin’ny Crypte-ny Paroasy Saint Dominique 16, rue de la Tombe-Issoire Paris 14ème.

Métro (Ligne 6) Saint Jacques na RER B Denfert-Rochereau.

 

 

ü VAOVAO NASIONALY SY ERA-TANY

 

1.

FFKM France

Ho Fankalazana ny Fetim-pirentsika dia ny Alahady 21 Jona 2009 no hanovana ny Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana karakarain'ny FFKM France ho fangataham-pitahiana ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny tanindrazana. Izany dia hatao ny ao amin'ny Paroasy Sainte Trinité - 3, rue de la Trinité - 75009 Paris, Métro : Trinité. Manomboka amin'ny 3 ora tolak'andro ny fotoana.

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA MIARAKA AMIN’NY ANCMF

Momba ny vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le Temple (77), ny Asabotsy 27 Jona 2009 sady fanohanana ny ezaka pastôraly no fankalazana ny Fetim-pirenena.

Ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny lanonana dia eo ambany fiahian’ny Birao Nasionaly.

Toy ny natao teto amin’ny FKMP: dia hisy ny fitsinjarana ny asa, fangatahana “dons” ary ny fivarotana billetss ka mamporisika ny tsirairay. [Jereo ao amin’ny “flyer”].

 

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

28/06/2009 : Isika rehetra entanin’ny Vaomieran’ny FINOANA

2.

MANADIO FIANGONANA :

20/06/2009 : Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA

 

Rakitra farany

07/06/2009

 

314, 47 €