|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 24 May 2009 |
N° 19 |
|
ALAHADY faha 7
– FANKALAZANA NY PAKA – TAONA B |
|
|
« Mba ho iray anie izy rehetra » |
|
Atolotry ny Fiangonana ho sakafom-panahy ho antsika androany ilay
vavaka malaza nataon’i Jesoa mba ho an’ny fiombonan’ny Zanak’Andriamanitra
rehetra izay voasoratra ao amin’i Masindahy Joany 17. Raha vao avy namorona
ny Eokaristia indrindra manko i Jesoa, izany hoe ny alina alohan’ny
hanolorany ny ainy ho antsika, dia lasa nivavaka tany amin’ny tanimbolin’ny
Oliva ka anisan’ny vontoatin’ny vavaka nataony indrindra dia ny fitalahoany
tamin’ny Rainy hoe « Mba ho iray ihany anie izy rehetra, tahaka Anao ato
Amiko ary Izaho ao Aminao ». Voalohany indrindra dia mampiseho miharihary amintsika ny
hasarobidin’ny Vavaka Izy Tompo. Mivavaka amin’Andriamanitra Ray Izy mba ho
an’ny fiombonan’ ireo Apôstôly, ary tsy ho azy ireo ihany fa indrindra koa ho
an’ny firaisan’ny Mpino rehetra. Araka izany ny teny hoe « Iray »
dia teny manan-danja tokoa satria
maneho amintsika ohatra velona dia ny fiombonana tanteraka misy eo
amin’i Kristy sy Andriamanitra Ray izay modely faratampony amin’ny
firaisam-po tanteraka miorina amin’ny fifankatiavana lalina sy marina.
Miombona ho « Iray » ny Ray sy ny Zanaka ary izany indrindra no
fototra iorenan’ny Fiombonan’ny Mpino rehetra satria ny Zanaka no lohan’ny
Fiangonana ary Izy no mampiombona tanteraka ny Fiangonana amin’ny Ray. Araka izany ity vavak’i Jesoa ity dia anisan’ny tena lalina tokoa
satria mirakitra ny fanirian’Andriamanitra mikasika ny olombelona dia ny mba
« Haha-iray azy rehetra » tahaka Azy Ray sy Jesoa Zanany .
Noho izany dia ny firaisana tanteraka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny
vavaka sy fanankinana manontolo ny fiainana Aminy no antoky ny fiombonana sy
ny firaisam-po ary ny fifankatiavana. Ny firaisantsika aina
amin’Andriamanitra sy fiombonantsika Aminy dia maniraka antsika hiezaka
hanatona, handray ary hitia ny hafa satria endrik’Andriamanitra avokoa izy
ireny. Mbola misy anefa ny fizarazarana eo amin’izao tontolo izao ary toa vao
mainka koa aza toa mifamahofaho mirona amin’ny fifampiandaniana ny
sokajin-kery sy ny sokajin-kevitra samihafa ka zary mampizarazara, eny fa na
dia eo amin’ny sehatra kely indrindra aza : fianakaviana, mpiara-monina,
mpiara-mianatra etc…Isika no fanasin’ny tany. Miantso sy mila ary mindrana
antsika i Kristy ho vavolombelony : ho Mpampivondrona, ho Mpampihavana
ary ho Mpampiray. Miainga amin’ny sehatra kely indrindra misy antsika izany
ka ny vavaka sy ny Fanahy Masina no antoka sy fanilo mpitari-dalana antsika
amin’izany! |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 24 MAI 2009 – 7ème
DIMANCHE DE PAQUES
|
|
ÿ |
|
|
Ry Mpanjakavavin’ny lanitra
mifalia , Aleloia ! -
Satria Ilay nentinao tany am-bohoka , Aleloia ! Dia efa nitsangan-ko velona
araka ny teniny, Aleloia ! -
Mivavaha amin’ Andriamanitra ho anay, Aleloia ! Mifalia sy miravao, ry Maria
Virjiny, Aleloia ! -
Satria nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia ! Aoka isika hivavaka Ry Andriamanitra ,
Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao tamin’ny nitsanganan’I Jesoa
Kristy Zanakao Tomponay ; koa mihanta aminao izahay , enga anie noho ny
vavak’I Maria Virjiny dia mba homenao anay ny fiainantsambatra mandrakizay . Amin’ny alalan’I Kristy Tomponay. Amen. |
|
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky
mitantara ny Asan’ny Apôstôly |
Asa
1, 15 - 17 |
||
|
Tamin’izany andro izany, dia nitsangana teo
afovoan’ireo Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy dia I
Jôsefa atao hoe Barsabasy sy nampiana
anarana hoe ilay Marina, ary I Matiasy, ka nivavaka nanao hoe : “Tompo ô,
Ianao no mahalala ny fon’ny olona
rehetra, ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto, mba hanana anjara amin’ireo fandraharahan’ny
Apôstôly izao, izay nialan’I Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany”. Dia
nanaovany loka izy roa lahy, ary I Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany
ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
voalohan’i Md. Joany Apôstôly |
1
Jo. 4, 11 - 16 |
||
|
Ry hava-malala, efa notiavin’Andriamanitra
fatratra isika ka tokony mba hifankatia koa. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na
oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika
Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy. Ny fananantsika ny
Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao
amintsika. Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho
Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray. Na iza na iza hanaiky an’I Jesoa ho
Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao
amin’Andriamanitra. Ary izahay efa nahalala sy ninony fitiavan’Andriamanitra
antsika. Andriamanitra dia fitiavana ; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana
dia mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md Joany |
Jo.
17, 11b - 19 |
||
|
Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra
I Jesoa ka nivavaka hoe : “Ray Masina
ô, tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika
izy. Raha mbola teo amin’izy ireo Ahy, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao.
Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza,
afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina.
Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahna izany dieny mbola
amin’izao tontolo, mba hananan’izy
ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.
Nomeko azy ny Teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny
tsy maha-izao tontolo izao Ahy no tsy
maha-olon’izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy amin’izao
tontolo no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny Ratsy. Tahaka ny tsy
maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao azy ireo koa.
Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny Teninao no fahamarinana. Tahaka
ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao
amin’izao tontolo izao koa. Manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba
hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho
Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
Niakatra any an-danitra,
niverina any amin'ny Rainy i Jesoa. Nandao ny mpianany Izy
satria « tsy olon'izao tontolo izao ». Alohan'ny hiaingàny, dia nametrapetraka
ny zavatra rehetra Izy. Inona no angatahany amin'ny mpianany : - hitory ny Evanjely - hifankatia Nahoana ? - ahafantarana fa mpianatra nofidiany - hitoeran'ny fitiavan'Andriamanitra, ka
hitoeran'Andriamanitra ao amin'izy ireo. Nampiany fangatahana
am-bavaka tamin'ny Ray hitahiry azy sy hitahy azy amin'ny ratsy izany
hafatrafatra izany. Nampitain’ny Apôstôly
tamintsika izany hafatra izany. Koa inona ary no
andrasantsika tsy hijoroantsika koa ho vavolombelon'ny fitiavany toy ny
nataon'ny Apôstôly? |
|
|
Fara
RASOLOJAONA |
|
|
Sampana
ANTOKO MPIHIRA |
|
|
¯ FANOLORANA NY HIRAN’NY ANTOKO MPIHIRA |
|
Tompo o! efa voalaza fa tsy
izahay no nitia Anao fa Ianao no nitia anay mialoha! Raha tahaka izany tokoa
moa no nitiavan'Andriamanitra antsika, ahoana isika no tsy hifankatia?
Itoeran'Iaveh ny fo mifankatia ary izay tsy tia kosa dia tsy hahalala Azy ?
Tsy misy manam-pitiavana ambony indrindra mihoatra izay mahafoy ny ainy ho
an'ny tiany. Ohatra lehibe no nasehon'Andriamanitra satria nahafoy ny ain'ny
Zanany Izy hanavotana ny olombelona. Antitranterina
eto indray àry fa FITIAVANA ANDRIAMANITRA. |
|
Emma
RAKOTOMANANTSOA |
|
Sampana
ANTOKO MPIHIRA |
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
FANKALAZANA
NY PANTEKOTY Tsy hisy Lamesa eto amintsika ny Alahadin'ny Pantekôty izao dia ny
31 may 2009, fa hanotrona ny fanamasinana pretra eny amin'ny Basilique
du Sacré-Coeur eny Montamartre isika. Izany dia hanomboka amin'ny 4
ora tolak'andro. Hisy frera malagasy iray ho hamasinina amin'izany. Koa
manasa antsika rehetra. |
|
|
2. |
KOMONIO
VOALOHANY Ny Alahady 7
Jona 2009 no handraisan’ireo ankizy
eto amintsika ao amin’ny Katesizy ny KOMONIO VOALOHANY (Sakramentan’ny
Eokaristia). Izany dia hankalazana ao amin’ny Fiangonana Saint
Dominique 16, rue de Ny anaran’ireo hanao Komonio
Voalohany : JAMES
Princy-Moragan, ANDRIAMABALA
Rudy-Ivan, RANDRIAMANANTENA
Tiffanie, ANDRIAMANAMIRIJA
Dinasoa |
|
|
3. |
ANTSAM-PANAHY
LEHIBE ATAON’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA Toy ny fanaony isan-taona dia ny Asabotsy 20 Jona 2009
no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho
famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa fitoriana an’I Jesoa Kristy
nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana antsika mianakavy amin’ny
fandraisana anjara sy fanotronana izany. Hisy ny fitondrana am-bavaka ny
tanindrazantsika ka ny lohahevitra dia ny hoe : “GASIKARANAY, TAHIO”. Ny toerana hanaovana izany dia
ao amin’ny Crypte-ny Paroasy Saint Dominique 16, rue de |
|
|
ü FANANGANANA
HO OLONTSAMBATRA |
|
||
|
1. |
Frera
Raphaël-Louis RAFIRINGA Ny Alahady 07 Jona 2009,
Alahadin’ny Trinite Masina, no hatao ao Antananarivo ny fananganana ho
Olontsambatra an’i Frera Raphaël-Louis RAFIRINGA (1856 – 19 mai 1919). Izy
moa no Frera Malagasy voalohany tao amin’ny Fikambanan’ny Frères des Ecoles Chrétiennes
(Fianakaviam-be lasalianina). I Mgr Angelo AMATO, Préfet de la Congrégation
pour la cause des Saints ao Vatican (Rome), no hitarika ny fotoana,
misolontena ny Papa Ray Masina Benoît XVI. Hisy fankalazana izany manokana eto amin’ny FKMP ny Alahady 14 Jona
2009. |
|
|
|
2. |
FFKM France Ho Fankalazana ny Fetim-pirentsika dia ny Alahady 21 Jona 2009 no hanovana ny
Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana karakarain'ny FFKM France ho
fangataham-pitahiana ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny tanindrazana. Izany dia
hatao ny ao amin'ny Paroasy Sainte
Trinité - 3, rue de la Trinité - 75009 Paris , Métro : Trinité. Manomboka
amin'ny 3 ora tolak'andro ny fotoana. |
||
|
3. |
ANDRO
IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FIFANDRAISANA Androany alahady koa dia andro natokana ho an'ny
Fifandraisana ara-piaraha-monina (Communications Sociales). Ny hafatry ny
Papa Benoît XVI dia nifantoka indrindra amin'ny fampiasana ny teknolojia
vaovao ho an'ny soa iombonana. [Jereo
ny Site-ny FKMP]. |
||
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
KORANAM-PIANAKAVIANA
MIARAKA AMIN’NY ANCMF Momba ny
vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le Ny
fanomanana sy ny fanatanterahana ny lanonana dia eo ambany fiahian’ny Birao
Nasionaly. Toy ny natao
teto amin’ny FKMP: dia hisy ny fitsinjarana ny asa, fangatahana “dons” ary ny
fivarotana billets ka mamporisika ny tsirairay. [Jereo ao amin’ny “flyer”]. |
|
|
2. |
KORANAM-PIANAKAVIANA
MIARAKA AMIN’NY ANCMF (FIVORIANA) Hantsoina hivory aorian'izao lamesa izao ny Mpandrindra sy ny
Mpandrindra Lefitra isam-baomiera, hijerena momba ny fandaminana amin'io
Koranam-pianakaviana io. |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : F
07/06/2009 : Ireo mpanabe, ny ray aman-dreny sy ny ankizy atao Komonio
Voalohany |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : F
30/05/2009 : Vaomieran’ny FIFANDRAISANA |
|
|
Rakitra
farany |
17/05/2009 |
186,09 € |