|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 17 May 2009 |
N° 18 |
|
ALAHADY faha 6
– FANKALAZANA NY PAKA – TAONA B |
|
|
Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no no nitiavako anareo
koa |
|
Maro be ireo fombafomba sy lalàna ary fomba amam-panao teo amin’ny
Jody. Tsy ho voatanisa eto izy rehetra. Nofehezin’I Jesoa ho lalàna tokana
izany lalàna izany: ny lalànan’ny Fitiavana : “Tsy misy manam-pitiavana
lehibe mihoatra izay nahafoy ny ainy ho an’ny
tiany ...”. Io Lalànam-pitiavana io no hatolotr’I Jesoa hiainantsika tsirairay
androany. Mety hanontany tena isika manao hoe: ahoana no hahatanterahan’izany
fitiavana izany amin’izao tany miady feno herisetra, feno
fanavakavaham-bolon-koditra, feno fitiavan-tena, feno tsy fifampitokisana
izao ? Ahoana no hahafahana mitia raha mahatsapa ny olona iray fa izy dia tsy
misy mitia ? Ny fahalementsika sy ny fahosantsika ve manankana antsika tsy
hitia marina tokoa ? I Jesoa no mamaly ireo fanontaniana ireo : “Tsy ianareo no nifidy Ahy,
fa izaho no nifidy anareo mba hamokaranareo sy hitondranareo vokatra …”. Mila antsika I Jesoa, nofidiany araka ny toetrantsika, araka ny toerana
misy antsika, araka ny fahosantsika sy ny halementsika isika. Tahaka izany no
nifidianany ny mpianany : ao ny mpanjono, ao ny mpamory hetra, ao ny dokotera
… Tsy mangataka antsika ho Tsy hitantsika vatana eo afovoantsika intsony I Kristy
tafatsangan-kovelona fa mila antsika Izy hanambara io Fitiavana io. Mila ny masontsika Izy mba
hijery izay olona tsy misy mijery, mila ny vavatsika Izy mba hankahery ireo
izay reraka sy ketraka amin’ny fiainana, mila ny sofintsika Izy mba hihaino
izay tsy misy mpihaino, mila ny tanantsika Izy mba hifampizara amin’izay tsy
manana, mila ny fontsika sy ny fahaizana amam-pahalalantsika izy mba
hanangana tontolo vaovao hanjakany rariny sy ny fahamarinana ary ny
firahalahiana. Ao amintsika, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, no lalan’ny fitiavana.
Matoky antsika Izy. Noho izany, metèza hantsoin’I Jesoa satria tia antsika
Izy. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 17 MAI 2009 – 6ème
DIMANCHE DE PAQUES
|
|
ÿ Regina
caeli |
|
|
Ry Mpanjakavavin’ny lanitra mifalia, Aleloia ! -
Satria Ilay nentinao tany
am-bohoka, Aleloia ! Dia
efa nitsangan-ko velona araka ny teniny, Aleloia ! -
Mivavaha amin’
Andriamanitra ho anay, Aleloia ! Mifalia
sy miravao, ry Maria Virjiny, Aleloia ! -
Satria nitsangan-ko velona
tokoa ny Tompo, Aleloia ! Aoka
isika hivavaka Ry Andriamanitra , Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao
tamin’ny nitsanganan’I Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ; koa mihanta aminao
izahay , enga anie noho ny vavak’I Maria Virjiny dia mba homenao anay ny
fiainantsambatra mandrakizay . Amin’ny alalan’I Kristy Tomponay. Amen. |
|
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky
mitantara ny Asan’ny Apôstôly |
Asa.
10, 25 – 26. 44 – 48 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, raha vao nidina tao Sezarea I Piera, dia notsenain’I Kôrnely, kapiteny rômanina, ka
sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy. Fa nasain’I Piera
nitsangana izy, nataony hoe : “Mitsangàna, fa olona ihany aho”. Dia
niloa-bava I Piera ka nanao hoe : “Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona
Andriamanitra : fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahany,
na aiza na aiza firenena misy azy”. Mbola miteny eo I Piera no nidina
tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina ka talanjona fatratra ny mpino voafora, tonga teo
niaraka tamin’I Piera, nahita fa nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny
Fanahy Masina, satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza
an’Andriamanitra izy ireo. Dia hoy I Piera : “Azo lavina tsy hatao Batemy
amin’ny rano va ireto olona efa nandray ny
Fanahy Masina toa antsika ireto ?”. Koa ireo, nasainy natao Batemy
amin’ny anaran’I Jesoa Kristy Tompo ; izy kosa nangatahin’ireo hitoetra eo
aminy andro vitsivitsy. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
voalohan’i Md Joany Apôstôly |
1
Jo. 4, 7 – 10 |
||
|
Ry hava-malala, aoka
hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala
an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy
mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary
nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba
hahavelona antsika amin’ny alalany. Ary toy izao izany fitiavana izany : tsy
isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy
naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md Joany |
Jo.
15, 9 – 17 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, I Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : ‘Tahaka ny nitiavan’ny
Ray Ahy no nitiavako anareo koa, koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny
didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny
fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny
fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny
mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka
izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe
mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony ; fa efa
nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay
rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy
anareo, ka nanendry anareo mba
handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy
hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny
andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho
Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
“FITIAVANA” Ny Fitiavana saro-bikaina Takarina sarotra alaina Nefa lova nomen’ilay Tsitoha Kanto sy mendrika koa ! Ny Fitiavana, mandefitra Ny Fitiavana, maharitra Ny Fitiavana tsy mifidy tavan’olona, Mampitsiky fa tsy mampiolonolona. Ny Fitiavana mamy toa tantely, Sarobidy toa Vatosoa, Mamiratra toa Volamena, Diloilo manamanitra ny akany soa ! |
|
|
ZOARIMAMY |
|
|
Vaomieran’ny
FITANTANANA |
|
|
|
NY SOA IFANDOVANA |
|
|
“Tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra” Mandalo ny fitsapan'Andriamanitra isika
olombelona ka tsy maintsy miatrika ny sedran'ny fiainana, satria mandia tany
ka tsy maintsy solafaka, miloloha lanitra ka tsy maintsy lena. Ny adala no
tsy ambakaina, Andriamanitra no mahatahotra ; aza ny lohasaha mangina no
heverina, fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha. Na izany aza, miandry ondry zato, miambina
omby arivo; ka tsy ilaozan'izay mania. Misy ny manao an'Andriamanitra tsy
hisy, ka mitsambiki-mikipy. Nefa avo fijery Andriamanitra, ka mahita ny
takona. Ary Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omen-pondro fa ny
olombelona no be siasia. Manoloana ny fahotantsika dia mbola manokatra ny
fony Izy : tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra. |
||
|
Hanitr'Ony |
||
|
Vaomieran’ny
KOLONTSAINA |
||
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
||
|
1. |
KOMONIO VOALOHANY Ny Alahady 7 Jona 2009 no handraisan’ireo ankizy eto amintsika ao
amin’ny Katesizy ny KOMONIO VOALOHANY (Sakramentan’ny Eokaristia). Izany dia hankalazana ao amin’ny Fiangonana Saint Dominique 16, rue de |
||
|
2. |
ANTSAM-PANAHY LEHIBE ATAON’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA Toy ny fanaony isan-taona dia ny Asabotsy
20 Jona 2009
no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho
famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa fitoriana an’I Jesoa Kristy
nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana antsika mianakavy amin’ny
fandraisana anjara sy fanotronana izany. Hisy ny fitondrana am-bavaka ny
tanindrazantsika ka ny lohahevitra dia ny hoe : “GASIKARANAY, TAHIO”. |
||
|
3. |
MATSOM-PANAHY HATAON’NY TANORA Ny
tanora dia hanao Matsom-panahy eny amin’ny Basilique du Sacré Cœur,
eny Montamartre ny Alahady 24 May 2009. Efa misokatra ny
fisoratana anarana. Ny Fiangonana no miantoka ny lany. Mamporisika ny
fandraisan’anjara nyTanora rehetra. |
|
|
|
ü FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA |
|
||
|
1. |
Frera
Raphaël-Louis RAFIRINGA Ny Alahady 07 Jona 2009, Alahadin’ny
Trinite Masina, no hatao ao |
|
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
||
|
1. |
KORANAM-PIANAKAVIANA MIARAKA AMIN’NY ANCMF Momba
ny vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le
Ny
fanomanana sy ny fanatanterahana ny lanonana dia eo ambany fiahian’ny Birao
Nasionaly. Toy
ny natao teto amin’ny FKMP : dia hisy ny fitsinjarana ny asa, fangatahana
“dons” ary ny fivarotana billets ka mamporisika ny tsirairay. |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : F 24/05/2009 :
Sampana ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara” |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : F 23/05/2009 :
BIRAO |
|
|
Rakitra farany |
10/05/2009 |
174, 39 € |