|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 10 May 2009 |
N° 17 |
|
ALAHADY faha 5
– FANKALAZANA NY PAKA – TAONA B |
|
|
RANTSAMBATANA MIOMBONA AMIN’NY VATA’I KRISTY ISIKA |
|
Oharin’i Jesoa Kristy amin’ny mpamboly
sy foto-boaloboka ary rantsana ny fiombonantsika Aminy sy
Andriamanitra Ray. “Andriamanitra no mpamboly, i Jesoa Kristy no fototra ary
isika kristianina no sampana”. Mba hisy vokatra tsara ny voaloboka dia tsy
maintsy ao ireo zavatra telo ireo. Ny mpamboly, ny fotony sy ny rantsany. Tsy
azo sarahana ireo. Ny Mpamboly mikarakara : mandrantsana,
manisy zezika mba hisy ny vokatra tsara. Ny fototra mitondra ny sampana,
manome aina ny sampana tsirairay mba ho velona. Tsy misy sampana afaka
mivelona tsy miaraka amin’ny fotony. Antoky ny fahaveloman’ny sampana ny fotony. Toy izany ny fiainantsika ao amin’i
Kristy. Samy manovo ny aina ao amin’ny
fototra dia I Kristy isika sampana tsirairay. Ny batemy noraisintsika no
anovozantsika io aina io. Niara-maty tamin’i Jesoa Kristy isika tamin’ny
batemy ary hiara-belona Aminy koa. Antoky fahavelomantsika mandrakizay ny
firaiketana amin’I Jesoa Kristy ilay fototra. Manambara endrika fiombonana io
foto-boaloboka sy sampana io. Isika kristianina tsirairay misandrahaka
dia mitambatra ho iray ao amin’I Jesoa Krsisty. Maro ny sampana,samy manana
ny toetrany : misy ny bila , misy ny mahitsy , misy ny vaventy , misy ny
madinika fa izy rehetra ireo dia samy
miraikitra amin’ny fototra daholo. Samy manana ny toetrany avy isika
kristiana, samy manana ny talentany fa samy miombona ao amin’i Kristy. Izany
no maha-mpirahalahy sy maha-mpirahavavy ary maha-mpianadahy
antsika ao amin’I Kristy. Ary raha endrika fiombonana io
foto-boaloboka sy sampana io dia endrika Fiangonana. I Kristy no ilay
Fiangonana Vatany masina. Nantsoina ny sampana tsirairay (isika tsirairay)
hamorona io Fiangonana io. Ao amin’ny Fiangonana isika no mifampizara ilay
aina avy amin’I Kristy. Aina avy amin’ny Teniny sy ny Tenany. Rehefa avy
mandray ny Teniny sy ny Tenany isika dia afaka miteny hoe: “Tsy izaho intsony no velona fa I Kristy no
velona ato amiko”. Sambatra izahay Jesoa manana anao ho aina
mahavelona mandrakizay. Aza avela hisaraka na handao ny Fiangonanao izahay fa
ao no hahitanay ny fiainana mandrakizay. Ary ampio ny Fiangonana Masina
mivahiny ety an-tany mba ho tody soa
aman-tsara any amin’ny seranana izay
iriany hiantsonany. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 10 MAI 2009 – 5ème DIMANCHE DE PAQUES
|
|
ÿ |
|
|
Ry
Mpanjakavavin’ny lanitra mifalia , Aleloia ! -
Satria Ilay nentinao tany
am-bohoka , Aleloia ! Dia
efa nitsangan-ko velona araka ny teniny, Aleloia ! -
Mivavaha amin’
Andriamanitra ho anay, Aleloia ! Mifalia
sy miravao, ry Maria Virjiny, Aleloia ! -
Satria nitsangan-ko velona
tokoa ny Tompo, Aleloia ! Aoka isika hivavaka Ry Andriamanitra, Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao
tamin’ny nitsanganan’I Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ; koa mihanta aminao
izahay , enga anie noho ny vavak’I Maria Virjiny dia mba homenao anay ny
fiainantsambatra mandrakizay . Amin’ny alalan’I Kristy Tomponay. Amen. |
|
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky
mitantara ny Asan’ny Apôstôly |
Asa.
9, 26 - 31 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, nankany Jerosalema I Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra,
nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’I Jesoa koa
izy. Tamin’izay nalain’I Barnabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly, dia
notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana, sy ny
nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’I
Jesoa tao Damasy. Izao vao naira-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao
Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo.
Niresaka tamin’ny Jentily koa izy, ary niady hevitra tamin’ny Helenista ;
kanjo notadiavin’izy ireo hovonoina. Ka nony fantatr’izy ireo iray finoana
izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa. Niadana ny
Eglizy eran’I Jodea sy Galilea ary |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
voalohan’i Md. Joany Apôstôly |
1
Jo. 3, 18 - 24 |
||
|
Anaka, aoka isika
tsy ho tiam-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa. Izany no hahafantarantsika fa avy
amin’ny marina isika, sy hahazoanatsika mampatoky ny fontsika eo
anatrahan’Andriamanitra. Fa raha manameloka antsika ny fontsika, dia lehibe
noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra. Ry
hava-malala, raha-tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona
an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary na inona na inona angatahantsika, dia
ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony
isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’I Jesoa Kristy Zanany, sy ny
hifankatiavantsika, araka ny didy nomena antsika. Izay mitandrina ny didiny,
dia mitoetra ao Aminy, ary Izy kosa ao aminy ; ary ny ahafantarantsika fa
mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md Joany |
Jo.
15, 1 - 8 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : “Izaho no tena
foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo
amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy
bebe kokoa. Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao Amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy
miray amin’ny foto-boaloboka, tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa
ianareo raha tsy mitoetra ao Amiko. Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no
sampany. Izay mitoetra ao Amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy
Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. Izay tsy mitoetra ao Amiko
dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina ; ary hangonina ny sampana
ka hatsipy ao anaty afo, dia may. Raha mitoetra ao Amiko ianareo, ka mitoetra
ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo
izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho
Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
Ny finoana ; ny
fahasahiana ; ny fifankatiavana ; ny amin’ny didy, ny amin’ny foto-boaloboka sy ny sampany . Ireo no
ampitain'ny Fiangonana antsika anio ; ireo koa no zoro mampifandray ny
ankolafiny efatra , dia Izy Andriamanitra ; I Kristy Jesoa ; ny Fanahy Masina
; ary isika mpianany sady sampany. Isika ireo tokoa no " toy ny
mpirahalahy mian'ala , Izy tokiko ary izaho tokiny " ka isika izao no
maneho ny voninahitr'Andriamanitra amin’ny
herin'ny Fanahy Masina amin’ny alalan'i Jesoa Kristy Tompo , izany no
mahatonga an'iKristy ao amin’ny Evanjely manantitrantitra fa Izy no
foto-boaloboka ary isika no sampany ka tokony hamoa be fa " ny
mpifankatia tsy mianafatra tokoa hono mba tsy hatahotra ny andro mazava
" na ny fitenin'ny tanora hoe
" zanaka tsy nateraka mahabe vav'orona ". Ka aoka aza ny antson' Kristy tsy atao sasa-poana " toa ilay
rafotsibe manenji-gana ; izy ery izaho ety ; izaho ety izy ery..." koa
aoka hisokatra ho Azy ny fontsika ahazoana manam-pitiavana be hanatanterahina
ny didiny , dia hotanteraka ilay fiteny hoe " ny hazo no vanon-ko lakana
ka ny tany naniriany no tsara " |
|
|
Mamy Ranaivoson |
|
|
Vaomieran’ny
KOLONTSAINA |
|
|
|
NY SOA IFANDOVANA |
|
||||
|
OHABOLANA MALAGASY VITSIVITSY MOMBA NY “MATOKY, MIFANKATIA, TSY
MATAHOTRA”
“Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka
mora lasa”. Que votre
amitié ne soit pas comme l’eau d’un torrent: elle vient en grande abondance,
mais disparaît en peu de temps. “Ny voin-kava –mahatratra”. Le malheur
qui atteint les parents vous atteint aussi. “Aza
manao ahy sy azy”. Ne dites pas
« c’est à moi », « c’est à lui ». “Mikamban-dratsy, toa gadralava” Etre unis
dans le mal, comme des condamnés enchaînés
“Aleo matoky tapany, toy
izay mangovitra erany”. Il vaut mieux
se fier un peu que trembler tout à fait. “Tambazana izay hamohy ny
ahiahy, fa tsy nisy”. On le cajole
pour lui enlever tout soupçon, mais sans y réussir. “Miahiahy manirina ka manongotsongo ny maty, na , nahoana
no nalain-kanirina ka vao mampivandravandra ?” Pourquoi,
lorsqu’on vous a fait appeler pour fermer les yeux d’un mort, n’avez-vous
fait que les ouvrir plus grands ? Proverbe
souvent cité pour marquer qu’une chose est faite à rebours, qu’on a fait le
contraire de ce qu’il aurait fallu faire. “Aza manao sakaiza manody”. Ne trahissez
pas vos amis. |
||||||
“Aza manao arahaba mamba : tsy fitia, fa
tahotra”. Ne saluez pas
comme on salue un caïman : ce ne serait pas de l’amitié mais de la peur. “Vovon’aliaka :
tsy hery fa tahotra”. Des
aboiements de chien : ce n’est pas de la force, c’est de la peur. “Ampingan’ilay osa, ka verin-tenany ihany”. Le bouclier
d’un poltron: il l’a perdu lui-même. Il l’a jeté en prenant la fuite. “Ny
horohoro tsy mba mahaleo ny tahotra”. La crainte
est plus forte que l’appréhension |
||
|
Lanto RAKOTOARIMANANA |
||
|
Vaomieran’ny KOLONTSAINA |
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
KOMONIO VOALOHANY Ny Alahady 7 Jona 2009 no handraisan’ireo ankizy eto amintsika ao
amin’ny Katesizy ny KOMONIO VOALOHANY (Sakramentan’ny Eokaristia). |
|
|
2. |
ANTSAM-PANAHY LEHIBEN’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA Toy ny fanaony isan-taona dia ny Asabotsy
20 Jona 2009
no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho
famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa fitoriana an’I Jesoa Kristy
nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana antsika mianakavy amin’ny fandraisana
anjara sy fanotronana izany. |
|
|
3. |
MATSOM-PANAHY HATAON’NY TANORA Ny
tanora dia hanao Matsom-panahy eny amin’ny Basilique du Sacré Cœur,
eny Montamartre ny Alahady 24 May 2009. Efa misokatra ny
fisoratana anarana. Ny Fiangonana no miantoka ny lany. Mamporisika ny
fandraisan’anjara nyTanora rehetra. |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
KORANAM-PIANAKAVIANA MIARAKA AMIN’NY ANCMF : Momba
ny vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le
Temple (77), ny Asabotsy 27 Jona 2009 ho fankalazana ny Fetim-pirenena.
Ny
fanomanana sy ny fanatanterahana ny lanonana dia eo ambany fiahian’ny Birao
Nasionaly. Toy
ny natao teto amin’ny FKMP : dia hisy ny fitsinjarana ny asa, fangatahana
“dons” ary ny fivarotana billets ka mamporisika ny tsirairay. [Jereo ao
amin’ny “flyer”]. |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORIZIA : F 17/05/2009 :
Vaomieran’ny FITANTANANA |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : F 16/05/2009 :
Sampana ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara” |
|
|
Rakitra farany |
03/05/2009 |
283, 95 € |