|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 26 Avrily
2009 |
N° 15 |
|
ALAHADY faha 3 – FANKALAZANA NY PAKA –
TAONA B |
|
|
Nitsangan-ko
velona ny Tompo, vavolombelon’izany ny Apôstôly |
|
Tafavory
tao Jerosalema ny mpianatra iraika ambinifolo lahy sy ny vehivavy
sasantsasany ary ny roalahy nandeha tany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy.
Samy nitantara ny fahitany ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty izy rehetra. Samy niaiky fa
nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Mbola eo ampiresahana àry izy ireo no
miditra I Jesoa sady niarahaba nanao
hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana” Fahatahorana sy
tebiteby miaro hafaliana no nahazo
ireo tafavory tao an-trano ireo
satria noheveriny fa matoatoa I Jesoa. Fisehoana tsy mahazatra azy
ireo ny toy izao ataon’I Jesoa izao.Ho an’ny Jody manko dia sarotra ny hino
ny fitsanganan’ny vatana sy ny fanahy. Ho an’ny Greka ny fanahy no hinoany fa afaka amin’ny
fanagejan’ny vatana rehefa maty ny vatana ( ho an’ireo philosophes
idéalistes: Platon…). Tsy nahagaga arak’izany raha nitebiteby ireo Apôstôly
sy ny namany teo am-pahitana an’I Jesoa tonga teo afovoany. Tsapan’I Jesoa ireo
tebiteby sy tahotra nahazo ny mpianatra sy ny namany ireo. Niezaka nampitony
ny fahatairan’izy ireo I Jesoa. Noporofoiny fa tsy matoatoa Izy: nampisehoany
ny tanany sy ny tongony, nangataka sakafo ho hanina Izy satria ny matoatoa
tsy mihinana sakafo. Raha lazaina amin’ny teny fohy dia azo lazaina fa
afa-nenina I Jesoa nanambara fa Izy marina no miseho. Zavatra roa no tian’I Jesoa ho tratrarina amin’izao fisehoany izoa : -
Mba tsy hahakivy ny mpianatra izay nilaozany. Mahatsapa
ny fahorian’izy ireo I Jesoa indrindra ny fanenjehana hahazo azy ireo ao
aoriana kely ihany ka tonga mankahery azy ireo Izy.(Tadidio fa mbola mihidy
aman-trano ireo mpianatra ireo amin’izao fisehoan’I Jesoa izao satria matahotra ny Jody. Fahoriana be!).
Tsy hamela azy ireo ho kamboty Izy .Mbola haniraka ny Fanahy Masina Izy
hanampy azy ireo. -
Mba hiaiky ny mpianatra fa I Jesoa dia
Andriamanitra marina, nitsangana tamin’ny maty. Izy ireo no vavolombelon’izao
fitsanganan’I Jesoa tamin’ny maty izao, ka handeha hitory Azy eran’izao
tontolo izao. Sarotra manko ny hitory raha tsy mazava sy hita marina ny
fahamarinan’ny zavatra ho toriana. Manohy ny asan’ireo Apôstôly
ireo isika amin’ny fitoriana an’I Jesoa maty sy nitsangana.Tsy nahita Azy
mivantana nefa kosa mino amin’ny alalan’ny Soratra Masina sy ny ohatra velona
nampitain’ireo olomasina efa nialoha lalana antsika. Matokisa fa tsy hamela
antsika ho irery I Jesoa eo amin’izany fitoriana Azy izany. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 26 AVRIL 2009 – 3ème DIMANCHE DE PAQUES
|
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky
mitantara ny Asan’ny Apôstôly |
Asa.
3, 13 – 15 .17 - 19 |
||
|
Tamin’izany
andro izany, dia niteny tamin’ny vahoaka I Piera nanao hoe : “Ny Andriamanitr’I
Abrahama sy Isaaka ary I Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome
voninahitra an’I Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo, teo
anatrehan’I Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy. Ny Masina sy ny |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
voalohan’i Md. Joany Apôstôly |
1
Jo. 2, 1 – |
||
|
Anaka,
nanoratra aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, manana
mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia I Jesoa Kristy, Ilay marina. Izy no
sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika ; ary tsy ny antsika ihany, fa ny
an’izao tontolo izao koa. Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika,
dia raha mitandrina ny didiny isika. Izay milaza fa mahalala Azy, nefa tsy
mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. Fa izay
mitandrina ny didiny, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao
Aminy tokoa. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md Lioka |
Lk.
24, 35 - 48 |
||
|
Taminy’izany
andro izany, dia notantarain’ny mpianatra avy tany Emaosy tamin’ny Apôstôly
iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory ny zavatra niseho taminy teny
an-dalana sy ny nahafantarany an’I Jesoa tamin’ny famakiana ny mofo. Mbola
niresaka toy izany eo izy ireo , dia niseho teo afovoany I Jesoa ka nanao
taminy hoe : “ Homba anareo anie ny fiadanana ! Aza matahotra, fa izaho
ihany”. Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka
hoy Izy taminy : “ Nahoana no mitebiteby ianareo , ary nahoana no miahanahana
ao am-ponareo ? Zahao ny tanako sy ny tongotra, fa Izao mihitsy ity : tsapao
ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao
ahitanareo Ahy izao ” . Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny
tanany sy ny tongony. Ary ilay mbola tsy nino iny ihany izy ireo noho ny
hafaliany, sady mbola talanjona , dia hoy I Jesoa taminy : “moa manan-kanina
eto va ianareo ?” Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely
Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy
rehetra , ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo : “
Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho , fa tsy maintsy ho
tanteraka izay rehetra voasoratra momba ahy ao amin’ny Lalàn’I Môizy sy ny
Mpaminany ary ny Salamo”. Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny
Soratra Masina , ka hoy Izy taminy : “ Araka ny voasoratra , dia tsy maintsy hijaly I
Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo , ary tsy maintsy torîna
amin’ny Firenen-drehetra , miantomboka amin’I Jerosalema , ny fibebahana sy
ny famelan-keloka amin’ny Anarany . Ianareo no vavolombelon’izany”. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana NY HIRAN’ny ANTOKO MPIHIRA |
|
Ny Tompo mahery no efa nijoro sy namiratra ka
nandresy ny haizin’ny fahafatesana. Antoka lehibe ho an’ny fahafahana tokoa
mantsy ny fitiavan’Andriamanitra. Novidian’i Kristy lafo ny fanafahana ny
otantsika ka namoizany ny ainy. Koa mifohaza ry manan’aina rehetra hisaotra
indrindra ilay mpahary. Reseo ny tahotra, tohery ny ratsy fa indro tongan y
famonjena. Andeha ary izato izy, Mifohaza hitsena ny Tompo fa efa resiny ny
fahafatesana ! |
|
Haja RAKOTOZAFY |
|
Antoko Mpihira
« Feon’Anjomara » |
|
|
NY SOA IFANDOVANA |
|
|
« Raha hanta fa tsy ditra, miverena » « Ravina efa tsy tiako ka hapetrako ;
ravina efa nalefitro ka holeferiko ; fa ny lefi-panahy efa nataoko
taminao, razanaka, no efa nody saboha (loza) maro nifanontona, ka izany no
maha-farofy anao. Fa ny anarako dia Andriamiroborobotsimirehitra,
Andriamoratiamorakivy ; ka raha hendry ianao, mora tia aho, fa raha tsy
hendry ianao, mora mahafoy aho ; raha miholy (mivadika) maimaim-poana
ianao, dia izaho no afa-po mialoha. Ary raha ditra no ampianao avona, dia mandehana, fa
izaho manam-be hamolahana. Ary raha dongy kosa no ampianao hanta, dia miverena,
fa irainao ampy ihantàna : fa izay manan-dray miangola, ary izay
manan-dreny mihanta ». |
||
|
Vaomieran’ny Kolon-tsaina |
||
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
KOMONIO
VOALOHANY Ny Alahady 7 Jona 2009 ny Fankalazana ny KOMONIO VOALOHANY ho
raisin’ireo ankizy ao amin’ny Katesizy eto amintsika. |
|
|
2. |
ANTSAM-PANAHY
LEHIBEN’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA Toy ny fanaony isan-taona
dia ny Asabotsy 20 Jona 2009 no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO
MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa
fitoriana an’I Jesoa Kristy nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana
antsika mianakavy amin’ny fandraisana anjara sy fanotronana izany. |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
||
|
1. |
ZAIKAM-PARITRA
: Araka ny vaovao nomena
antsika tamin’ny Paka dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny
Zaikam-paritra izay kasaina hatao ny 1 sy 2 May 2009. Kasaina hatao indray
amin’ny volana Oktobra 2009 |
|
|
|
2 |
KORANAM-PIANAKAVIANA
MIARAKA AMIN’NY ANCMF : Momba ny vaovao nasionaly
dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le |
||
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : F 03/05/2009 : Ireo
Pretra sy Relijiozy Malagasy (Fetin’ny Mpiandry Ondry Tsara) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : F 02/05/2009 :
Vaomieran’ny Kolon-tsaina |
|
|
€ Rakitra
farany |
19/04/2009 |
173,65 € |
|
Ezaka Karemy (Hoan’ny CCFD) |
202,07 € |