“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 19 Avrily 2009

N° 14

ALAHADY faha 2 – FANKALAZANA NY PAKA – TAONA B

 

NY FAMANTARANA (SIGNES) SY NY FINOANA (FOI)

 

Mety ve ny mampiaraka ny famantarana sy ny finoana ? Manampy antsika hino ve ny famantarana ?  Tsy maintsy hisy porofo famantarana ve vao hino? Inona no famantarana asehon’ny Tompo antsika amin’izao fotoana izao ?

 

Raha ny Evanjely  anio no jerena dia azo ampiarahana tsara ny famantarana sy ny finoana. Raha ny marimarina kokoa aza dia tsy maintsy mahita famantarana  na  porofo izay vao tokony hino. Raha tsy izany dia tonga amin’ny finoanoampoana ( Foi aveugle).  Ny trangan’I Tômà no manamafy izany : Tsy nanaiky hino ny fitsanganan’I Jesoa Kristy tamin’ny maty izy raha tsy nahita ny tanan’I Jesoa misy diam-pantsika sy ny lanivohany misy dian-defona.Tsy nino ny voalazan’ireo Apôstôly namany izy ny amin’ny nitsanganan’I Jesoa tamin’ny maty. «  Raha tsy hitako amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atehako eo ny tanako...dia tsy hino aho » hoy izy.  Valo andro taorian’izay, tafavory tao an-trano ny mpianatra rehetra  anisan’izany i Tômà, nampisehoan’I  Jesoa azy ny tanany voafantsika sy ny lanivohany voalefona. NinoI Tômà. Nanao ny fiekem-pinoany izy: “ Tompoko sy Andriamanitro”. Nahita izy ka nino.

 

Ilaina noho izany ny famantarana mba hampino. Na dia niteny aza I Jesoa fa “sambatra kokoa ny mino nefa mbola tsy nahita” dia mahatsapa Izy fa ho antsika olombelona dia sarotra ny  mino tsy misy famantarana, eny fa na dia famantarana kely aza. Hany ka nanaiky hanome antsika famantarana  Izy mba hinoantsika Azy.  Tsy hiseho amintsika toy ny nataony tamin’ny andron’I Tômà Izy fa ny Sakramenta izay naoriny no famantarana tsara indrindra hahazoantsika mino sy mamantatra Azy. Manome antsika ny fahasoavana izay ilaintsika ny Sakramenta, mampitodika antsika hakamin’ny Ray. Isaky ny manao Lamesa isika dia eo Izy Ilay Zanak’ondry atao sorona sy ôtely anaovana sorona.

 

Ho antsika àry izay miaina amin’ny famantarana, mitadiava famantarana mba hampitombo mandrakariva ny finoana. Ohatra : tantaran’ny olomasina, zava-tsoa nataon’Andrimanaitra taminao sy ny fianakavianao …

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 19 AVRIL  2009 – 2ème DIMANCHE DE PAQUES
Année B – Couleur liturgique : BLANC

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa. 4, 32-35

 

Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra ; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombanany daholo ny zavatra rehetra. Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstoly ny nitsanganan’I Jesoa Tompo ho velona, ary  fahasoavana be no teo amin’izy rehetra. Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy ary nitondra ny vidin’izay lafo, ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstoly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy izy.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 5,1-6

 

Ry malala, izay rehetra mino fa I Jesoa no Kristy, dia niteraka avy amin’Andriamanitra; ary izay rehetra  tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana  an’Andriamanitra ary  tsy mavesatra ny didiny, satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao ; ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza ary no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa I Jesoa no Zanak’Andriamanitra ? Dia izy no ilay avy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ra ; ary ny Fanahy no manambrara, satria ny Fanahy no fahamarinana.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 20, 19-31

 

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga I Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe:” Ho aminareo anie ny fiadanana !” Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo : “Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa “. Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe : “Raiso ny Fanahy Masina : ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana”.

 

Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’I Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy : “ Efa nahita ny Tompo izahay “. Fa hoy izy tamin’izy ireo : “Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho “. Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany, sady tao koa I Tômà, dia tonga I Jesoa, nefa nirindrinany varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe : “Ho aminareo anie ny fiadanana !” Ary hoy Izy tamin’I Tômà : “Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny tratrako ; dia minoa, fa aza malain-kino”. Dia namely I Tômà ka nanao taminy hoe : “Tompoko sy Andriamanitro !” Fa hoy I Jesoa taminy : “Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, sambatra izay tsy nahita ka nino”. Maro koa ny fahagagana hafa nataon’I Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo, fa I Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny anarany, amin’ny finoana Azy.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

Iray vatsy iray aina isika rahefa kristianina , ka tsy terena tsy vozonina, fa entanin'ny Fanahin'i Kristy hahay mifampizara ny manta sy ny masaka, araka ny fiantsoan'ny Tompo antsika tsirairay hanantanteraka ny didim-pitiavana. Tafatsangana ho velona ho antsika i Kristy.

 

Mino ary manantena fa isika zanany dia hanaradia Azy.

Mankahery antsika ny nitsanganany tamin'ny maty,  velona ho antsika indray Izy. Marina fa niseho tamin'ireo Apôstôly Izy, ary tsy namory olona maro fa  olona vitsivitsy no nisehoany.

Mahay miseho toy izany isika vahoakany, ary mahay mamela ny heloka.

 

Mino sy manantena lalandava fa olona mahay mandefitra mahay mamela isika, ary mba hiala amin'ny toetra ratsy isika ka hiray aina amin'i Kritsy velona mandrakizay.

 

Mifalia ary isika, mandray ny fahasoavana omen'ny Tompontsika : ary isaory isan'andro Izy, ilay niantso antsika amin'ny Fanjakany be voninahitra any an-danitra. Aleloia.

Edmine RASOLONIRINA

Vaomieran’ny Fiaraha-Monina

 

 

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

MISAOTRA BEVATA

Tanteraka soa aman-tsara ny Koranam-pianakaviana nataontsika omaly asabotsy 18 avrily teny Vert Saint-Denis (77). Misaotra an’Andriamanitra isika amin’izany. Misaotra antsika mianakavy ny Pretra, ny Birao, ny Filan-kevitra Pastôraly ary ny Komisiona fety. Tsy nitandro hasasarana, tsy nandry andro tsy nandry alina. Nahafoy tena, nahafoy vola. Nampiseho firaisan-kina, fahaiza-mifanome tanàna. Misaotra sy mankasitraka tompoko.

 

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

ZAIKAM-PARITRA :

Araka ny vaovao nomena antsika tamin’ny Paka dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny Zaikam-paritra izay kasaina hatao ny 1 sy 2 May 2009. Kasaina hatao indray amin’ny volana Oktobra 2009 izany.

 

2

KORANAM-PIANAKAVIANA MIARAKA AMIN’NY ANCMF :

Momba ny vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le Temple (77), ny Asabotsy 27 Jona 2009 ho fankalazana ny Fetim-pirenena.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

F 26/04/2009 : Vaomieran’ny Tanora

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 25/04/2009 : Birao

 

 

Rakitra farany

12/04/2009

300, 47€