“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 12 Avrily 2009

N° 13

ALAHADY PAKA – TAONA B

 

Paka : fandalovana

Na tamin’ny andron’ny Jody na tamin’ny andron’ny kristianina  ny hevitry ny Paka dia fandalovana ; fialana amin’ny torena iray mandeha amin’ny toerena hafa.

Tamin’ny andron’ny  Jody ny Paka dia fialàna  avy any  amin ‘ny tanin’i Ejipta ho any amin’ny tany nampanantenaina. Nandalo toerana maro sy zava-tsarotra ny zanak’israely tamin’izany fotoana izany mba hahatongavana  any amin’ io tany nampanantenaina io. Anisan’izany ny fandalovana ny ranomasina mena izay tandindon’ny batemy  noraisintsika  ho fanafahana ny fahotantsika tamin’ny fototra. Nanamarika io Paka Jody io ny fihinanana zanak’ondry sy ny rà nantetina ny tolanam-baravaran’ny zanaky ny Hebrio mba hanavotan’Andriamanitra azy ireo. Anisan’ny nankalaza io Paka Jody io i Jesoa Kristy.

Ny Pakan’ny krsitiana kosa dia ny fandalovan’i Jesoa Kristy  tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fahavelomana. Nandresy ny fahafatesana i Jesoa. Nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo. Ny evanjely androany alahady fankalazana ny Paka dia manamafy izany fandresen’i Jesoa ny fahafatesana izany  ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Ny zanak’ondry tamin’ny andron’ny Jody dia nosoloina ny vatan’i Jesoa. Ny ran’ny zanak’ondray izay natentina tamin’ny tolanam-baravarana tamin’ny andron’ny Jody dia ny ran’i Jesoa  Kristy nalatsany ho antsika ho famelana ny fahotantsika.

Fa ho antsika kristianina izay nandray ny batemy ka mitafy an’i Krsity, inona no Paka nataontsika? Inona no zavatra ratsy nolalovantsika mba handehanantsika mankamin’ny fahavelomanan na ny tsarastsara kokoa?

Ny fiezahantsika hamaly ireo fanontaniana ireo no hanampy antsika hampisy heviny lalina  eo amin’ny fiainantsika ny Paka.

Manentana antsika àry ny Fiangonana hiaina lalandava ny Paka izay fandalovana amin’ny zavatra mety manelingalina antsika mety hitondra antsika amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao mba ho amin’ny tena fiainana kristianina. Ataovy Paka lalandava ny fiainantsika, ho sahy hanao dingana isan’andro, isan’ora hanakaiky ny fiainan’I Jesoa krsity ilay nitsangan-ko velona.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 12 AVRIL 2009 – MESSE DU JOUR DE PAQUES
Année B – Couleur liturgique : BLANC

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 10, 34 a. 37 - 43

Nony tonga tany Sezarea I Piera tao an-tranon’I Kôrnely, dia niloa-bava hoe : “Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’I Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny Batemy notorin’I Joany : dia ny amin’ I Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony, satria nomba Azy Andriamanitra. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny Jody sy tany Jerosalema.

Dia novonoiny Izy, nahantony tamin’ny hazo ; nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay efa naira-nihinana sy nisotro taminy, rahefa nitsangan-ko velona Izy.

Izay nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay mino Azy ny famelan-keloka.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 3, 1 - 4

Ry Kristianina havana, raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho : ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo ; fa rahefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-hiseho Aminy amim-boninahitra kao ianareo

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 20, 1 - 9

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’nhy fasana I Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato. Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’I Simôna Piera sy Ilay mpianatra malalan’I Jesoa, ka nanao hoe : “Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy”. Dia mba lasa koa I Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray ka tonga talohan’ I Piera   tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.

Nony tonga kosa I Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery.

Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona I Jesoa.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !


 

( fifampizarana

 

I KRISTY ILAY SORON’NY PAKA

Aleloia ! Aleloia ! Aleloia !

Safononoka ny hafaliana amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Paka izao. Fety lehibe indrindra ho antsika Kristianina. Nandresy ny herin’ny fahafatesana Ilay Tompontsika satria Fitiavana Mahery Izy. Fitiavana nandresy fankahalana. Fitiavana nandresy fialonana. Fitiavana nandresy fitiavan-tena satria tena fitiavana ny an’I Kristy. Tsotra ny hafatra : hanompo fa tsy hotompoina. Miarahaba antsika rehetra mpandresy ihany koa, satria nanaiky niara-maty taminy dia niara-nitsangana taminy koa. Izay ilay foto-pinoantsika imatimatesantsika eto amin’ny FKMP miombona amin’ny Fiangonana Eran-tany.

Tsy misy intsony aorinany fa Izy Ilay Sorona lavorary. Ilay Soron’ny Paka. Izy ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, manala ny fahotan’izao tontolo izao. Izy Ilay PAKA FAMONJENA. Ilay efa nasandratr’Andriamanitra.

Koa ny Pretrantsika, Ny Birao, ny Filan-kevitra Pastoraly dia manolotra ny arahaba tratry ny Paka ho antsika mianakavy. Ho Paka lava anie ny fiainantsika ka hiova hatrany tsy ho kivy na ho ketraka. Sao lavo hahay hamindra, sao kenda hay hitsako. Ka FKMP miray hina, mifankatia, miara-miasa, mifanompo. Aleloia, Aleloia !

LE SEIGNEUR EST VRAIMENT RESSUSCITE ! ALLELUIA !

L’Aumônier, le Bureau et le Conseil Pastoral vous souhaitent JOYEUSES PAQUES ! Le temps de Pâques est par excellence le temps de la joie chrétienne : joie de vivre dans une perspective d’éternité et de faire de notre vie un témoignage pour le Christ ressuscité. Le FKMP, Communauté des baptisés (unie par le Baptême) fait retentir l’Alléluia  triomphant, car le Christ est vainqueur. Et cette victoire qui triomphe du monde, c’est notre foi.

Le Christ, notre Pâque, a été immolé et ressuscité pour nous faire « passer » à la vie éternelle, Alléluia, alléluia ! Célébrons cette victoire, Alléluia, Alléluia ! Bonne Fête ! Bon témoignage à tous.

ELIASY Liva

Filohan’ny FKMP

 

 

NY SOA IFANDOVANA

 

« Rarim-pihavanana »

Isika anie ka tsy misy olon-kafa, fa olona iray tam-po sy olona iray no ho vaky, iray fototra, iray nihaviana; mpirahalahy mizara dian’omby: tsy vaky fa mitriatra; vary zato naharon’ny sompitra, trano atsimo sy avaratra, tanan-kavia sy havanana, maso sy orona, vary roa tanty, terak’olona iray.

Koa mifankatiava izao isika izao, fa ny any an-koatry ny bonga tsy azo antsoina ; ny afo lavitra tsy azo amindroana, ary ny vary zato tsy enti-mandeha. Tsy misy tratry ny hafa ; fa raha miantso ny havan’olona, hono, dia alina; fa raha miantso ny havan’ny tena kosa, antoandro; ka he aza ny anaran-dRanona atao hoe : Itsitratrinihafa.

Koa indro ny aminao, zoky be toa ray : hianao no amboara afatorana, ala be ikirizana, kitro ifaharana, masoandro amam-bolana ianteherana sy lanitra irakofana, ary tany diavina.

Hianao no tratra iraiketan’ny elany, felatanana ikambanan’ny tondro, ary lohalika itohizan’ny ozatra.

Hianao no voamaintilany hany sisa, hazo dimbin’ny ala, vorom-panova hena, ary Andriananona sy Ranona no ho velona.

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

ZAIKAM-PARITRA

Ny 1 sy 2 may 2009 izao no ho tanterahana ny zaikam-paritra ho an’ny Faritra Avaratra. Izany dia hatao any REIMS (51). Ny adiresy dia :

Lycée Agricole Privé

4, rue des Ecoles

51 370 Thillois

Amin’izao fotoana anontana nyIsan-tokantrano izao dia mbola tsy fantatra ny hataontsika Fiangonana eto Paris fa miandry ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitra Pastoraly.

 

2.

FITSANGATSANGANANA AMIN’NY ALATSINAIN’NY PAKA

Adresse : BASE DE LOISIRS CERGY-PONTOISE

Rue des étangs – 95001 Cergy-Pontoise

Accès :

-        Par la route : Autoroute A15, sortie n°9 direction Cergy, puis suivre l'indication « Les étangs de Cergy-Neuville »

-        Par le RER : RER A, arrêt Cergy-Préfecture, puis bus n°48 jusqu'à l'arrêt « Base de loisirs »

Parking : Parking P1 ou P2

 

Efa réserver ny « abris barbecue » toy ny mahazatra sao sanatria avy ny orana, efa misy izany ny broches sy grills pour les brochettes etc. Miaraka amin'ny 1/2 stère de bois efa livrés sur place.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

F 19/04/2009 : Vaomieran’ny Fiaraha-Monina

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 18/04/2009 : Vaomieran’ny Tanora

 

 

¦ soritr’asa manaraka

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Amin’ny Asabotsy 18 avrily izao izany isika mianakavy no hiara - hanatanteraka ilay Koranam - pianakaviana hato eny amin’ny Salle “PACHA” eny  Vert Saint-Denis (77).

 

 


Rakitra farany

05/04/2009

239, 87 €