|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/
|
|
|
|
|
ISAN-TOKANTRANO |
|
|
HASIN’ANDRIAMANITRA na DENIER DE L’EGLISE
Zaraina aminao ny valopy fanaovana adidy ara-bola eto amin’ny Fiangonantsika ary iombonana amin’ny Fiangonana eran-tany. Koa raiso am-pitiavana fa mila anao ny ezaka fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny asa pastôraly rehetra. Efao am-pitiavana ny adidinao ara-bola.
Misaotra Tompoko. |
||
|
ALAHADY 13 NOVAMBRA 2011 |
N° 127 |
|
|
ALAHADY FAHA-33 MANDAVANTAONA – TAONA A |
||
|
En ce 33ème dimanche, aucune expression ne saurait rendre de manière exhaustive le sentiment de joie qui nous habite. Deux faits majeurs justifient cette joie : la présence de Monseigneur Xavier RAMBAUD, Vicaire Episcopal chargé des étrangers et la confirmation des quatre membres de notre Communauté Catholique Malgache. Après avoir murement réfléchi, nos quatre confirmands sont conscients qu’ils sont infirmes au sujet de la foi et qu’ils ont besoin d’être confirmés. Ils sentent que la vie n'est pas facile, surtout dans le monde où nous vivons. On ne trouve plus la boussole parce que nous sommes tiraillés par beaucoup de choses éphémères. Il n’y a pas de repère fiable. C’est alors qu’ils veulent se plonger dans le cœur de Dieu pour avoir son soutien moral, mais en même temps pour recevoir la force de l'Esprit par le Sacrement de la Confirmation. Ils découvrent que Jésus Christ est le seul meilleur guide dans leur vie.
L C’est vrai qu’ils sont déjà engagés dans la Communauté Malgache et ont déjà d’expériences fortes qui les insèrent dans leur foi et aussi dans l’Eglise : membre de la chorale, membre de groupe des jeunes, animatrices et animateurs de la messe …. Mais le Sacrement de Confirmation les aidera encore à vivre mieux leur expérience et leur engagement. A vous quatre confirmands qui reçoivent ce Sacrement je dis : Bonne route dans le Souffle de l’Esprit ! |
||
|
Père Edmond RAKOTONDRAMANANA |
||
|
Aumônier |
||
|
Combien nous sommes heureux d’accueillir Mgr Xavier RAMBAUD, Vicaire Episcopal, chargé des Communautés étrangères et prêtres étudiants étrangers. Pendant cette visite pastorale, il administre la Confirmation à nos quatre fidèles de la Communauté Catholique Malgache de Paris. L’Esprit Saint est au cœur de la pastorale. Merci de votre visite Mgr. |
DIMANCHE 13 NOVEMBRE 2011 – MESSE DU 33ème DIMANCHEDU TEMPS ORDINAIRE – Année A – Couleur liturgique : VERT |
|
VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Boky Ohabolana |
Ohab. 31, 10 – 13. 19 – 20. 30 – 31 |
||
|
Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy. |
|||
|
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo ? Mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy ny tombany. Matoky azy ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra. Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy, amin’ny andro rehetra iainany. Mamory ny volon’ondry aman-drongony izy, dia miasa an-kafaliana, amin’ny tanany. Mandray ny fihazoanam-bohavoha ny tanany, ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany. Manatso-tanana amin’ny ory izy ; ary mamela-tanana amin’ny mahantra. Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra ny Tompo ihany no hoderaina. Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy ; ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
VAKITENY MASINA FAHAROA |
|
||
|
Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Tesalônika |
1 Tes. 5, 1 – 6 |
||
|
Aoka ny andron’ny Tompo tsy hahatratra anareo tahaka ny mpangalatra. |
|||
|
Ry Kristianina havana, ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo, satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe : “Fiadanana sy fandriampahalemana re izany !” Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy. Ianareo anefa, ry Kristianina havana, dia tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany ; fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa ; tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory. Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina. |
|||
|
Izany àary ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
EVANGILE |
|
||
|
Evangile de Jésus Christ selon Saint Matthieu |
Mt 25, 14 – 30 |
||
|
Eloge de l’absence. |
|||
|
Jésus parlait à ses disciples de sa venue ; Il disait cette parabole : « Un homme, qui partait en voyage, appela ses serviteurs et leur confia ses biens. A l’un il donna une somme de cinq talents, à un autre deux talents, au troisième un seul, à chacun selon ses capacités. Puis il partit. Aussitôt, celui qui avait reçu cinq talents s’occupa de les faire valoir et en gagna cinq autres. De même, celui qui avait reçu deux talents en gagna deux autres. Mais celui qui n’en avait reçu qu’un creusa la terre et enfouit l’argent de son maître. Longtemps après, leur maître revient et leur demande des comptes. Celui qui avait reçu les cinq talents s’avança en apportant cinq autres talents et dit : « Seigneur, tu m’as confié cinq talents ; voilà, j’en ai gagné cinq autres. – Très bien, serviteur bon et fidèle, tu as été fidèle pour peu de choses, je t’en confierai beaucoup ; entre dans la joie de ton maître. » Celui qui avait reçu deux talents s’avança ensuite et dit : « Seigneur, tu m’as confié deux talents ; voilà, j’en ai gagné deux autres. – Très bien, serviteur bon et fidèle, tu as été fidèle pour peu de choses, je t’en confierai beaucoup ; entre dans la joie de ton maître. » Celui qui avait reçu un seul talent s’avança ensuite et dit : « Seigneur, je savais que tu es un homme dur ; tu moissonnes là où tu n’as pas semé, tu ramasses là où tu n’as pas répandu le grain. J’ai eu peur, et je suis allé enfouir ton talent dans la terre. Le voici. Tu as ce qui t’appartient. » Son maître lui répliqua : « Serviteur mauvais et paresseux, tu savais que je moissonne là où je n’ai pas semé, que je ramasse le grain là où je ne l’ai pas répandu. Alors, il fallait placer mon argent à la banque ; et, à mon retour, je l’aurais retrouvé avec les intérêts. Enlevez-lui donc son talent et donnez-le à celui qui en a dix. Car celui qui a recevra encore, et il sera dans l’abondance ; mais celui qui n’a rien se fera enlever même ce qu’il a. quant à ce serviteur bon à rien, jetez-le dehors dans les ténèbres ; là il y aura des pleurs et des grincements de dents ! » |
|||
|
Acclamons la Parole de Dieu |
- |
Louange à Toi, Seigneur Jésus! |
|
|
fifampizarana |
|
|
Ny finoana dia tantaram-pitiavan' Andriamanitra antsika ao anatin'ny Fiangonana. Tantaran'ny fanekem-pihavanana amin'Andriamanitra sy isika olombelona. Fototra telo no ifaharan'izany tantaram-pitiavan'Andriamanitra antsika
Ireo fototra telo ireo no mamaritra ny sakramenta telo voalohany omen'ny Fiangonana antsika kristianina : Ny Batemy dia famantarana fa olom-boafidy sy voahosotry ny Fanahy Masina ho zanaka natsangana sy tian'Andriamanitra isika. Fitiavana lehibe izany. N Ny
Eokaristia,
vatana sy ràn'i Kristy raisintsika, dia mampiray aina sy
fomba tanteraka antsika amin'Andriamanitra ary mampiombona
antsika kristianina. Feno ampoka ny fitiavana sy ny
fahasoavan'Andriamanitra ao amintsika. Koa satria nahazo ireo sakramentam-pitiavana ireo isika dia miasa mandrakariva ao amintsika ny Fanahy Masina mba hahatonga antsika ho vavolombelona mpitory fitiavana, ho mpandala ny fahamarinana ary ho mpitondra fanantenana eo amin'izao tontolo izao. |
|
|
Pierre RAZAFIMAHATRATRA |
|
|
Vaomieran'ny Finoana |
|
|
Ireto ary ireo mpiara-mivavaka amintsika handray ny Sakramentan’ny Fankaherezana na Konfirmasio androany Alahady 13 Novambra 2011 mandritra ny Fankalazana ny Sorona Masina. Ho ento am-bavaka izy ireo, handray ny Fanahy Masina. Miarahaba azy ireo isika mianakavy. Soava dia e !
|
soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA |
|||||
1. |
JOURNEES D’AMITIE : 19 sy 20 NOVAMBRA 2011 Toy ny isan-taona dia manao Journées d’amitié ny Fiangonana etsy amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge ny 19 sy 20 Novambra izao. Mandray anjara feno amin’izany isika FKMP koa manasa antsika rehetra ifanotrona. Ny toerana dia eo amin’ny 9, Passage Rimbaut Paris 14ème – Metro : Alésia (Ligne n° 4) |
||||
2. |
F Ny Alahady 06 Novambra 2011 teo no voafidy izay ho Filoham-piangonana vaovao eto amintsika FKMP. Misaotra an’Andriamanitra isika fa tsy azon-tsampona ny fotoana. Koa miarahaba azy mirahalahy isika mianakavy.
Nijoro koa ny Biraom-piangonana vaovao : Mpitambola : Sahondra RAMIHONE ; Mpanampy : Sabrina RAJAONAH Mpitantsoratra : Jean Félix RAKOTONDRATSIMA ; Mpanampy : Miary AUG–SON Ento am-bavaka izy mianadahy isany ireo hahavita be eo amin’ny Sahan’ny Tompo. |
||||
|
Nodimandry i Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA, Eveka mpanampy ao Antananarivo Nantsoin’ny Ray hody any Aminy tamin’ny Alarobia 09 Novambra 2011 teo I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA, Eveka mpanampy tao Antananarivo. 61 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Teraka tao Ambohimitsimbina – Antananarivo izy ny 27 Jona 1950. Nohamasinina Pretra ny 09 Septambra 1979. Notendrana Eveka mpanampy izy ny 10 Jolay 1999, ka nohamasinina ho Eveka ny 26 Septambra 1999. I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA dia mpanabe teny amin’ny Seminera zandriny teny Ambohipo. Nahavariana ny fahaiza-manentana nananany. Nanan-talenta manokana momba ny Litorizia sy hira izy ka efa tao amin’ny Vaomieran’ny Eveka miandraikitra izany niaraka tamin’I Mgr TABAO sady mpamoron-kira rahateo, no tao amin’ny Ankalazao ny Tompo. Mpikambana tao amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny Serasera ara-piaraha-monina (Communications Sociales) izay tarihan’I Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe, izy izao nodimandry izao. Nalevina omaly Asabotsy 12 Novambra 2011, ao Andohalo. |
Nahazo Eveka vaovao ny Diosezin’I Ihosy : I Mgr Fulgence RAZAKARIVONY Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana ka na eo aza ny alahelo noho ny fahalasanan’I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA, dia diboka hafaliana koa ny Fiangonana Katolika ao Madagasikara fa nahazo Eveka vaovao. Nahazo Eveka vaovao tokoa ny Diosezin'Ihosy. Nohamasinina sy napetraka tamin'ny toerany, ny Alahady 06 novambra, i Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, avy amin'ny Fikambanana Notre Dame de la Salette. Nanomboka ny taona 2009, tsy nanana Eveka ny Diosezin'Ihosy, rehefa nafindra tao amin'ny Diosezin'Antsirabe i Monsenera Phillipe Ranaivomanana. Nankinina tamin'ny Mompera Luc Olivier Razafitsimialona (Admnistrateur diocésain) ny fitantanana nandritra izay fotoana izay. Tamin'ny volana jona teo no nambaran'ny Papa Benoît XVI ny fanendrena an'ny Mompera Fulgence Razakarivony, ho “ mpiandry ondry” ao amin'ny Diosezin' Ihosy ao anatin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa. Fety tokoa no nandraisana izany Eveka vaovao izany tany an-toerana nanomboka ny faran'ny herinandro teo. Ireo Eveka mpanamasina nametra-tanana taminy, Monsenera Phillipe Ranaivomanana izay nodimbiasiny, Monsenera Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'I Fianarantsoa ary Monsenera Philibert Randriambolonona, efa misotro ronono, Evekan'Antsirabe teo aloha izay nanamasina azy ho Pretra 18 taona lasa izay. Tonga nanotrona niombom-bavaka tamin'ny Kristianina katolika tao Ihosy sy ireo avy amin'ny Fiangonana hafa, ireo Eveka rahalahany maro avy ao amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara niaraka tamin'ny solontenan'ny Papa, ny Nonce Apostolique, Monsenera Eugène Martin Nugent sy ny avy amin'ny fitondram-panjakana. |
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
MANENTANA LITORIZIA : 20/11/2011
: VAOMIERAN’NY TANORA |
MANADIO FIANGONANA : 19/11/2011 : VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA |