“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 5 Avrily 2009

N° 12

ALAHADY SAMPANKAZO – TAONA B

 

Nohobin’ny vahoaka i Jesoa niditra tao Jerosalema satria Izy no ilay Mesia nandrasan’I Isarely hanavotra azy eo anatrehan’ireo firenena matanjaka manodidina azy, firenena izay mila kisa sy mila ady aminy. Tamim-pomba manetriketrika , narahana horakoraka  toy ny hoe :«  hôzana, hôzana » sy ny fanofahofana sampakazo ary ny famelarana lamba tamin’izay nandehanany no nandraisan’ny vahoaka Azy. Faly ny vahoaka satria ‘zao izy ireo vao tena nahazo mpanjaka mahery tsy mitovy amin’ny mpanjaka hatramin’izay.

Diso fanantenana anefa ireo vahoakan’i Israely ireo . Satria toa tsy araka ny nampoiziny ny maha Mpanjaka an’I Jesoa; Mpanjaka tsy mampiasa basy aman-tafondro hanafihana ny fahavalo manafika. Fa Mpanjaka nanaiky hampijalian’ny olona : nanolotra ny tavany ho asiana tehamaina sy ho  rorana. Mpanjaka resy. Nanomboka nivadika taminy  ny vahoaka. Ny teny hoe:”hôzana hôzana”izay natao hihobiana an’I Jesoa teo amboalohany dia lasa hoe” “fantsiho, fantsiho amin’ny  hazo fijaliana”. Tsy mena mivadika toa andro ririnina ny vahoaka.

Tsy azon’ny vahoakan’i Israely ny maha Mpanjaka an’I Jesoa.  Ny fidirany manetriketrika tao Jerosalema dia tandindon’I Fidirany amim-boninahitra any amin’ny Fanjakany any an-danitra. Tandindon’ny fandreseny ny fahafatesana izay endriky ny fahotana mangeja ny olom-belona. ‘Zany hoe, tsy eto an-tany ny Fanjakany. Tsy mitovy amin’ny fanjakan’ny présidents maro  eran’izao tontolo izao ny Fanjakany. Ny Fanjakany dia Fanjakan’ny Fitiavana.  Ny làlana nizorany hahatongavany amin’ny Fanjakany  dia ny fanetretena: “ na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy  dia nietritena ho tonga mitovy amin’ny olombelona , nilatsatenany ho ambany , nanaiky hatramin’ny fahafatesana , dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana”hoy I Md Paoly ( Fil.2 ). Ny fitaovam-piadiana nasolony ny basy aman-tafondro dia ny Hazofijaliana sy ny fanekeny tanteraka ny sitrapon’ny Rainy izay naniraka Azy. Fa ho valin’izay fanekeny hanao ny sitrapon’ny Rainy izay sy ny nanekeny hidina ambany dia ambany izay dia ny fanandratan’Andriamanitra Azy hahazo ny voninahitra, ny fandreseny ny fahafatesana.

Mamporisika antsika àry izao fidirana amin’ny Herinnandro Masina izao mba hibanjina sy hamelombelona ny fanantenantsika ho voavonjy sy hitsangan-ko velona toa an’I Kristy. Mamporisika antsika koa hiara-mizaka ny Hazofijaliana madinidinika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny namana  toy ny fandraisana anjara amin’ny fampandehanana ny fiangonantsika (fafatrano, fanomanana litorjia…) satria ny valin’ireny dia ny voninahitr’Andriamanitra.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 5 AVRIL  2009 – DIMANCHE DE RAMEAUX
Année B – Couleur liturgique : Rouge / Violet

 

& FIDIRANA SAMPANKAZO :
Evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 11, 1 - 10

Nony efa mby akaiky an’I Jerosalema sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva I Jesoa, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany, ary nilaza taminy hoe : “Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy ; raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona ; vahao izy ka ento mankaty amiko. Ary raha misy manao aminareo hoe : ahaona no anaovanareo izao ? valio hoe : Misy ilàn’ny Tompo azy ; dia halefany hoentina aty miaraka amin’izay izy”. Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana, teo an-tsampanan-dalana, dia novahany. Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe : “Ahoana no ahamahanareo io zanak’ampondra io ?” Fa novaliany araka ny nadididian’ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentinny. Dia nentiny tany amin’I Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy. Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa. Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe : “Hôzana ! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ; hosoavina anie ny fanjakan’I Davida raintsika, izay efa tonga izao ; hôzana any amin’ny avo indrindra”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Izaia  Mpaminany

Iz. 50, 4 - 7

Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. Mamoha  ahy isa-maraina Izy, mamoha ny sofiko Izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainoan’ny mpianatra. Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko ; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako ; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy ; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 2, 6 - 11

Ry Kristianina havana, na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

NY SOA NO IFANDOVANA

 

 

« Ny mifankatia no mahatsara fihavanana ».

 

Vary raraka an-keniheny, ka ombay mitsimpona, ombay mitady;

Fa na intelo misandratra aza ny avoko, ka intelo tsinana ny Alahamady, ny fitia aza mba atao lany,

Fa mifandimbiasa fitia : ny ray ho tia zanaka, ary ny zanaka ho tia ray.

Fa ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana.

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

PELERINAZY ATAON’NY MPIANATRA ANY CHARTRES (Fankalazana ny Sampankazo)

Izao faran’ny herinandro 4 – 5 Avrily 2009 izao no manao ny Pelerinazy any Chartres ny mpinatra, toy nyfanao isan-taona. Misy ny dia be fa mizara lalana maromaro. Ny mpianatra eto amin’ny FKMP dia mandray ny lalana Saint Matthieu, miaraka amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge. Ny fiaingana dia tamin’ny amin’ny 7 ora maraina, ary ny fiverenana dia androany alahady amin’ny 8 ora sy sasany alina

2.

MESSE PASCALE / RENCONTRE NATIONALE SPORTIVE (RNS) ANY NANTES

Toy ny isan-taona moa dia misy ilay Fihaonambe ara-panatanjahantena ataon’ny Malagasy. Any Nantes no hanaovana izany amin’ity taona ity mandritra ny fankalazana ny  Paka. Koa ho antsika Kristianina Katolika izay mikasa ho any dia misy  fankalazana Lamesan’ny Paka karakarain’ny Fiangonana Katolika Malagasy ao Nantes ny  alahady 12 avrily 2009 manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ao amin’ny

Eglise Sainte Madeleine

14, Boluvard Gustave Roch

44 200 NANTES

Mpiandraitra : Toussaint 02 28 07 46 06 na 06 61 88 99 92

3.

KOMONIO VOALOHANY

Ny  andro hanaovana Komonio Voalohany ireo zanatsika eto amin’ny FKMP dia ny Alahady 07 Jona 2009 izao

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

F 12/04/2009 : Antoko Mpihira « Feon’Anjomara »

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 10/04/2009 (Zoma) : Vaomieran’ny Fiaraha-monina


 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mianakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana izay hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Manentena antsika mianakavy tsy misy avakavaka amin’izany. Ny Vaomiera sy ny Sampana isan-tokony no manentana antsika

 

Rakitra farany

29/03/2009

107, 47 €

 

Volana Marsa 2009

1107, 02 €

 


PAKA 2009

 

HERINANDRO MASINA

 

 

 

 

 

 

 


ALAKAMISY MASINA

« Fanorenana ny Eokaristia »

09/04/2009

20h00

Toerana :

Chapelle Saint Paul

171 boulevard Brune – 75014 PARIS

 

Manentana :

Vaomieran’ny Fiaraha-monina sy ny Vaomieran’ny Tanora

 

 

  

 

 

ZOMA MASINA

« Fijalian’i Tompo »

10/04/2009

20h00

Toerana :

Chapelle Saint Paul

171 boulevard Brune – 75014 PARIS

 

Manentana :

Vaomieran’ny Kolon-tsaina sy ny Vaomieran’ny Fifandraisana

 

 

 

 


Sabotsy masina

« Paka »

11/04/2009

20h30

Toerana :

Chapelle Saint Paul

171 boulevard Brune – 75014 PARIS

 

Manentana :

Vaomieran’ny Finoana sy ny Vaomieran’ny Fitantanana

 

 

 

 

Alahady « paka »

Lamesa sy Batemy

ary

Antsam-panahy ataon’ny Antoko Mpihira « Feon’Anjomara »

12/04/2009

14h30

Toerana :

Notre Dame des Champs

91, boulevard de Montparnasse – 75006 PARIS

 

Manentana :

Antoko Mpihira « Feon’Anjomara »

 

 

( fifampizarana

 

 

Ankalazaintsika androany ny fetin’ny Sampan-kazo ary tsiahivina ny nidiran’i Kristy tao Jerosalema . Nitaingina ampondra Izy fa tsy nentina tamin’ny filanjà-mpanjaka, na fiara fampiasa ho an’ny mpanjaka. Tsy fantatry ny mpianany ny antony nanaovany toa izany teo no eo. Fa nony nitsanga-ko velona i Kristy, taorian’ny Paka dia nazava tamin’izy ireo , fa nanatanteraka ny faminaniana voalaza tao amin’i Zakaria mpaminany milaza hoe : « mifalia ry mponin’i Siona, manaova fihobiana, ry vahoakan’I Jerosalema! Indro, ny mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy » (Za 9,9) . Mba ahazoantsika tsara any voalazan’ny faminaniana sy ny asan’I Kristy dia tsara henoina ny tohin’ny voalazan’I Zakaria . Hoy izy “hofoanany tsy ho ao Efraima intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady. Hopotehiny ny tsipikan’ady ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin’ny   onin’Eofrata ka hatrany am-paran’ny tany (Za 9,10).

Manambara toetra telo momba ilay Mpanjaka ho avy I Zakaria :

1-mpanjakan’ny mahantra i Kristy, mahantra ara-panahy , izany hoe  manaiky ny hotarihiny  sy mipetraka eo ambany fiarovany, toy ny voalazany tamin’ny toriteny teny an-tendrombohitra (fahasambarana valo) ;

2-mpanjakan’ny fiadanana : manila ny kalesim-piadaina Izy ary mampanjaka fiadanana ;  ny lakroa nifantsihany dia mariky ny fifamelàna sy ny fihavanana ary fara tampony amin’ny porofom-pitiavana . Isaky ny manao ny « amin’ny Anaran’ny Ray ka manao ny famantaran’ ny Hajo Fijaliana  isika dia manambara io Fitiavana lehibe io ary  mahatsiaro fa tsy tokony hamaly ratsy ny ratsy fa ny soa havaly ny ratsy no hitondra fiadanana.

3-mpanjakan’izao tontolo izao (ranomasina iray hatramin’ny ranomasina iray ) , eran’ny firenena rehetra, eran’ny tokantrano rehetra ,; mampikambana antsika Aminy amin’ny alalan’ny Eokaristia  Izy .

Izany no ankalazaintsika ka hihirantsika hoe “hozana  ho an’Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo”

Notsoahina tamin’ny toritenin’ny Papa Benoît XVI

Fara Rasolojaona

Vaomieran’ny Finoana

 

 

Novahana ny fatorako, raha mbola nisakafo sy niala sasatra teo iny aho. Nentin'izy ireo teo anatrehany aho fa hitaingina ahy Izy hiditra an-tanàna. Vao nifanojo ny fijerinay dia niverina ny tadidy. Izaho, ilay ampondra tamin’ny andro nahaterahany, ilay nitondra azy telo mianaka nandositra tany Ejipta. Raha vao nanafosafo ny lohako Izy dia nisinda ny havizanako sy ny hanoanako. Ka raha nahare ireo nolalovanay, nihorakoraka mafy hoe : « Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo! » dia mba nihika koa aho : Diboka hafaliana aoka izany fa nizarany ny Voninahiny.

Andro vitsy taty aoriana, indrisy, raha niakatra iny fiakarana mideza iny aho, dia gaga raha nifanehatra taminy indray. Na ampondra aza tsy nokapokapohina ary tsy nampitondraina hazo mavesatra toa Azy. Mba niroso aho hanampy azy hibata iny hazo iny nefa voafehin’ilay fatorako aho ka tsy afaka niroso. Lehilahy sendra teo no noteren’izy ireo nanampy azy. Ary rehefa napetran’izy ireo ho vonoina Izy dia vitsy no nandre ny teniny fa ireto sofiko lava ireto mba naheno ny hoe : «  Avelao ny helok’izy ireo ry Raiko, fa tsy fantany ny ataony ». Raha mba olombelona aho dia nitomany fatratra.

Fehiny : angano ity, ka tsy azo hinoana. Fa raha marina moa io, firy amintsika ary no hitsiriritra ny toeran'ilay ampondra ?

FTF:  Aza mba oharina amin'ny ampondra ny ankizy raha tsy mahay fa misy zava-miafina hitan'izy ireny ary zavatra fantantr'izy ireny fa tsy fantatrao, tsy fantatro « Ny voaary manontolo...misaora ny Tompo! ».

Jean de Dieu RAKOTOARISON

Vaomieran’ny Finoana / Antoko mpihira “Feon’Anjomara”