Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/



ISAN-TOKANTRANO

Alahady 18 SEPTAMBRA 2011

N° 119

ALAHADY FAHA-25 MANDAVANTAONA – TAONA A


Betsaka ny tanimboaloboka miandry antsika

Fanoharana no itenenan’i Jesoa ny Fanjakan’ny lanitra androany eto amin’ny Evanjely. Andriamanitra = ilay Tompontrano nanana tanimboaloboka. Isika = mpiasa antsoiny hiasa ao amin’ny tanimboaloboka. Ny tanimboaloboka = izao tontolo izao natao hiasantsika hitoriantsika ny Vaovao Mahafaly, hiainantsika ny Fanjakan’ny lanitra , ‘zany hoe ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra. Ny karama = ny fiainana mandrakizay, ny famonjena antsika tsy misy havakavaka.

Samy antsoin’Andriamanitra isika tsirairay. Tsy mitovy anefa ny fotoana niantsoany antsika na ny fotoana nahalalantsika ny finoana kristianina. Misy vao kely dia efa nobeazina tao amin’ny tokantrano kristianina ka nitazona izany finoana izany hatamin’izao, misy efa lehibe vao nahafantatra sy resy lahatra ny amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny karama mitovy na valisoa dia ny famonjena antsika. Mitovy ny famonjen’ny olona efa nahalala an’Andriamanitra taloha sy ny nahalala Azy taty aoriana. Rehefa famonjena dia mitovy. Tsy mamonjy tapany Andriamanitra. Ny fahafatesan’i Jesoa teo ambony Lakroa dia natao ho an’ny olon-drehatra fa tsy ho an’ny firenena iray na foko iray.

Tsy mitsahatra mitady antsika Andriamanitra. Miala maraina toy ilay tompon’ny tanimboaloboka Izy ary tsy mitsahatra mandrampaharivan’ny andro. Tsy kivy mandondona ny fontsika tsirairay. Ny tanjony dia ny hamonjy ny olon-drehetra. Adidintsika ny mihaino Azy sy manaiky ho hirahiny hikarama ao amin’ny tanimboalobony.

Ho antsika ato amin’ny FKMP dia mbola maro ireo tanimboaloboka mila mpiasa. Anisan’izany ny fampianarana katesizy izay hanentanana ireo izay afaka hanampy. Ary hisaorana sy ankaherezina ireo efa eo an-dalam-pikatrohana : ny Vaomiera isan-karazany, ny mpikarakara ny Site, ny fahatongavanareo isan’alahady miara-midera sy mankalaza an’Andriamanitra.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier

 

DIMANCHE 18 SEPTEMBRE 2011 – MESSE DU 25ème DIMANCHE

DU TEMPS ORDINAIRE – Année A – Couleur liturgique : VERT


VAKITENY MASINA Voalohany


Bokin’I Izaia Mpaminany

Iz. 55, 6 – 9

Ny fihevitro tsy fihevitrareo.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy. Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka, amin’ny heviny ; ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo ; dia amin’Andriamanitra, fa mamela malalaka Izy. Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. – Teny marin’ny Tompo. – Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany, no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

VAKITENY MASINA faharoa


Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Filipy

Fil. 1, 20d – 24. 27a

I Kristy no velona ato amiko.

Ry Kristianina havana, homem-boninahitra amin’ny tenako I Kristy, na velona aho na maty. Satria raha ny amiko, dia I Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran’ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho : ny handeha ho any amin’I Kristy moa, iriko sy tsara lavitra ; nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo. Fa izao ihany e : manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

EVANJELY MASINA


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 20, 1 – 16a

Sa ratsy ny masonao, satria tsara aho ?

Tamin’izany andro izany I Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe : “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony. Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo. Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja ; ka hoy izy taminy : “Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony”. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa,. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy : “Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny adro ?” Fa hoy ireo taminy : “Satria tsy nisy nanakarama anay”. Dia hoy izy taminy : “Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko”. Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany : “Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany ; aseseo avy aty amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany”. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy iray avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe : “Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany, kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro”. Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo : “Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho ; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko ? Alao ny anao, dia mandehàna, fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho ? Sa ratsy ny masonao satria tsara aho ?” Dia hoy toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

fifampizarana



I KRISTY NO SAFIDINTSIKA

Matetika isika olombelona no milaza fa tompon'ny ho avy, tompon'ny fiainantsika.  Noho izany misy fiantraikany amin'ny ho avintsika ny safidy atao anio. Manaja ny safidintsika mandrakariva anefa Andriamanitra.

Noho io fahafahana misafidy malalaka io dia mazàna isika te hibaiko ny sitrapon'Andriamanitra. Fa azontsika atao tsara kosa ny mametraka ny fitokisantsika amin'Andriamanitra satria "ny fihevitro sy fihevitrareo" hoy ny Tompo (Izaia 55, 8). Apetraho amin'I Kristy ary ny safidintsika satria Izy no ahavelomantsika (Filipiana 1, 21). I Kristy velona no ho ao amintsika. Izy ilay teny mahatoky.


RAKOTOZAFY Haja

Mpandrindra ny Vaomieran’ny Tanora







soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

1.

Fisan119bAMPIANARANA KATEZISY : MANOMBOKA NY ALAHADY 25 SEPTAMBRA 2011

Ny Alahady 25 Septambra 2011 no hanomboka koa ny fampianarana Katesizy eto amin’ny Fiangonantsika amin’ity taona Pastôraly 2011 – 2012 ity. Koa manainga sy mamporisika antsika ray aman-dreny rehetra hanoratra anarana ny zanatsika. Fisoratana anarana : Misy tapak’ila zaraina amintsika mba fenoina. Zava-dehibe tokoa ny fampitàna sy fitaizam-pinoana.

1 - Hisy ny fivoriana iantsoana ny ray aman-dreny rehetra amin’ny Alahady 25 septambra 2011 ho avy izao, hanomboka amin’ny 3 ora tolak’andro eto amin’ny Fiangonantsika. Koa manantena ny fahatongavantsika rehetra.

2 - Amin’io Alahady 25 septambra io ihany koa no hanaovana ny fanirahana ireo mpampianatra Katesizy : “Envoi en Mission”.

3 - Ireo mpampianatra Katesizy eto amintsika FKMP dia nanaraka ny fiofanana nampanaovin’ny Diosezy teny amin’ny Sampan-draharaha Foibe mikarakara ny Katesizy, tamin’ny Zoma 16 septambra 2011 lasa teo, nanomboka tamin’ny 9 ora latsaka fahefany (08h 45) ary nifarana tamin’ny 4 ora hariva (16 h 00).

Ny lohahevitra tamin’izany dia
« être catéchiste : écoute Israël »

2.

Fisan119aIFIDIANANANA FILOHAM-PIANGONANA VAOVAO 2011 – 2014

Tapitra amin’izao fifaranan’ny taona pastôraly izao ny fe-potoana nikatrohan’ny Biraom-piangonana am-perin’asa, naharitra telo taona. Hisy fifidianana Filoham-piangonana vaovao indray eto amin’ny Fiangonantsika.

Fampatsiahivana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Fiangonantsika nosiniavina tany amin’ny Diosezy ny 26 Febroary 2008 dia milaza fa :

  • Ireo te hilatasaka ho fidiana Prezidà : dia ireo olona mandray anjara eo amin’ny Fiainam-piangonana farafahakeliny herintaona. Nandray ny Sakramenta maha-kristianina katolika : Batemy, Komonio Voalohany ary Fankaherezana. Raha manambady izy dia nandray ny Sakramentan’ny Fanamabadiana. Ny lisitr’ireo Kandidà dia tsy maintsy fantatry ny mpiangona iray volana mialoha. Ny Pretra no mandray ny anaran’ ireo olona izay te hilatsaka ho fidiana sy manome fankatoavana.

  • Ireo afaka mifidy kosa dia ireo rehetra mihoatra ny 15 taona ka vita Komonio Voalohany. Ka mandray anjara eo amin’ny fiainam-piangonana mihoatra ny enim-bolana farafahakeliny. Hisy ny fanavaozana ny lisitry ny Fiangonana karakarain’ny Vaomieran’ny fifandraisana. Atao petan-drindrina ato anaty Fiangonana izany.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

1.

MANENTANA LITORIZIA :

25/09/2011 : VAOMIERAN’NY FITANTANANA
(
Alahady faha-26 Mandavantaona – Taona A)

2.

MANADIO FIANGONANA :

24/09/2011 : VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA