Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/



ISAN-TOKANTRANO

Alahady 10 JOLAY 2011

N° 114

ALAHADY FAHA-15 MANDAVANTAONA – TAONA A

Ilay Mpamafy….

Ny Tenin’Andriamanitra no masomboly nafafy. I Jesoa no mpamafy. Isika olombelona no tanimboly namafazana. Izay no hevitry ny fanoharana momba ny mpamafy voalazan’i Md Matio. Inona no azontsika lazaina ?

  • Aza maika hiteny isika hanao hoe : « tsy mahay inon’inona ilay mpamafy satria mamafy amin’ny tany amoron-dalana, amin’ny tany be vato sy tany be tsilo. Nahoana raha mitandrina tsara dia tonga dia eny amin’ny tany lonaka no afafy » ?

Ny dikan’izany dia izao : Tsy mifidy tany hamafazana i Jesoa. Samy hamafazany daholo ny olombelona tsirairay. Izy Andriamanitra mihitsy no manao ny dingana voalohany manatona ny olombelona tsy misy avakavaka. Tiany hanana ilay masomboly (aina avy amin’Andriamanitra) ny olombelona tsirairay.

  • Manampy antsika hanana fanantenana eo amin’ny fiainana ity Evanjely ity. Eo amin’ny fiainantsika dia maro ny ezaka ataontsika mba hahatsaratsara ny fiainana ao an-tokatrano, eo amin’ny fiarahamonina, eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Indraindray anefa dia mandamoka ny ezaka. Toa mahakivy ka mahatonga antsika hanome tsiny an’Andriamanitra. Aza hadinoana anefa fa tsy nandamoka daholo izy rehetra ireny. Misy ihany ny mamoa 30, 60, 100 heny. Raiso ho ohatra i Jesoa nitory ny Vaovao Mahafaly : tsy noraisin’ny mpiray firenena taminy nefa kosa nihitatra eran’izao tontolo izao ny Vaovao Mahafaly notoriny.

  • Manampy antsika handinika ny fiainam-pinoantsika tsirairay ny Evanjely. Iza amin’ireo tany namafazana ireo isika ? Ilay tany amoron-dalana, tany be tsilo sy be vato ve sa ilay tany lonaka nahavokatra ? Efa an-taonany maro no naha-kristianina antsika, nandray ny Batemy, ny Eokaristia, ny Konfirmasio … moa ve isika tany be tsilo, be vato lasa tany lonaka sa ny mifanohitra amin’izany no misy ka tany lonaka lasa tany be vato ?

    Hangataka ny Fanahin’Andriamanitra isika amin’ izao Eokaristia izao mba ho voaray tsara eo amin’izao tontolo izao ilay masomboly nafafin’i Jesoa ary koa mba tsy ho kivy ny Fiangonana raha sendra ny olana eo am-pitoriana io masomboly io.


Aumônier

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

 

DIMANCHE 10 JUILLET 2011 – MESSE DU 15ème DIMANCHE

DU TEMPS ORDINAIRE – Année A – Couleur liturgique : VERT

VAKITENY MASINA Voalohany


Bokin’I Izaia Mpaminany

Iz. 55, 10 – 11

Ny ranon’orana mampaniry ny zava-maniry amin’ny tany.

Izao no lazain’ny Tompo : Ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana ; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako ; tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !


VAKITENY MASINA faharoa


Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 18 – 23

Indrakindrafana be ihany ny zava-boaary, miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry Kristianina havana, ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra, miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra ; satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompon’ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho Ilay nampanompo azy, nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalana amin’ny fanandevozam-pahalovàna ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Fa fantatsika, fa mandraka ankehitriny dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao. Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana antsika.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

EVANJELY MASINA


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 1 – 23

Indro nivoaka hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano I Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe : “Indro nivoaka hamafy ny mpamafy ; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy ; ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany ; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsaka lalina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy ; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa : ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo ary ao ny telopolo. Izay mana-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.

Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe : “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy ?” Namaly Izy ka nanao taminy hoe: “Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny Fanjakan’ny Lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenanako aminy : satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahalala ; ka tanteraka aminy ilay fanoharan’I Izaia manao hoe : “Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita ; fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko”. Fa ianareo kosa sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.

Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre. Ka henoy àry ny hevitry ny fanoharana amin’ny mpamafy. Raha misy mandre ny tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay nafafy tao am-pony : dia izay no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay nandre ny teny sy nandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay, nefa tsy miorina mafy izy ka tsy maharitra ela ; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay nandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no ilay nandre ny teny ka mahalala azy ; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

fifampizarana



Enga anie isika tsirairay avy, rehefa avy mihaino ny Tenin’Andriamanitra mba hanatanteraka ny zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray nahary antsika hampisy vokany eo amin'ny tenantsika sy ny manodidina indrindra mpiray finoana.

Mba ho toy ny rano mampaniry ny zava-maniry rehetra, mba ho tahak’ilay voa nilatsaka tao amin’ny tany lonaka.

Mitovy amin’ny voninkazo mamelana eny an-dohasaha ravaky ny lohasaha, eo an-tokotany izy ravaky ny tany, ao an-trano ravaky ny tokantrano. Eny fa na dia fifaliana sy ny fahoriana aza dia misy ny mampiasa azy.

Koa mirary soa antsika ho tahian’Andriamanitra daholo amin’izao ankatoky ny fialan-tsasatra izao, mba hampody ventiny ny rano natsakaina sy ’ny mpiasa ny bainga.

Ny Vaomieran’ny Fiaraha-monina dia mirary fialan-tsasatra feno fitiavana sy fahasalamana tanteraka ho antsika rehetra.

Bonne vacances daholo o!

 

Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA

soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

1.

ZAIKABEN’NY TANORA KATOLIKA MALAGASY : 13 – 14 – 15 AOUT 2011

Misan114aampatsiahy sy mampiomana dieny izao izany fa ny Zaikaben’ny tanora Katolika Malagasy eto Frantsa dia hatao ny 13 – 14 – 15 Août 2011 any Bordeaux. Araka ny hafatra nalefan’ny Birao Nasionaly, dia toy izao ny fitsinjarana ny fandraisana anjara eo amin’ny fampiantranoana sy ny sakafo any toerana (Hébergement et Restauration) :

1. Zaika: 45 € no aloan'ny Tanora tsirairay (hors transport io) (45 € = 65% des frais, ny 35% moa izany efa naloan'ny ANCMF). Ny Fiangonana no miantsoroka ny fitanterana.

2. JMJ: 345 € aloan'ny Tanora manontolo. Vidina gateaux isan'alahady anomezana 111 € isaky ny JMJiste mba hanamaivanana io sarany lafo io satria mbola mandeha train koa ny mpanao JMJ rehefa mody avy any Bordeaux.


2.

Fisan114cIFIDIANANANA FILOHAM-PIANGONANA VAOVAO 2011 – 2014

Tapitra amin’izao fifaranan’ny taona pastôraly izao ny fe-potoana nikatrohan’ny Biraom-piangonana am-perin’asa, naharitra telo taona. Hisy fifidianana Filoham-piangonana vaovao indray eto amin’ny Fiangonantsika. Noho ireo adidy maro sy nila fiomanana goavana natrehan’ny Fiangonantsika dia tsy afaka nanatanteraka ny fifidianana isika mianakavy. Tsy azo atao kitoatoa anefa izany fa mila fiomanana koa ny fifidianana eo anivon’ny Fiangonana satria adidy masina. Koa hiatrika izany fifidianana izany isika amin’ny fidirana amin’ny taona pastôraly vaovao. Ireto lamina asa tsy maintsy vitaina :

  • Tatritra ataon’ny Birao amperin’asa sy ny Filan-kevitra Pastôraly

  • Fanavaozana ny lisi-pifidianana karakarain’ny Vaomieran’ny Fifandraisana
  • Fampatsiahivana ireo Fitsipika mifehy ny fifidianana eto amintsika : iza no mpifidy ary iza no azo fidiana. Ny fanapahana ny datim-pifidianana.

Koa ento am-bavaka izany fotoan-dehibe sy kasa hatrehina izany. Ny Fanahy Masina no mitantana sy manilo hatrany ny dian’ny Fiangonana, izay famantaram-pamonjena sy loharanom-pahasovana andrasaina ny Sakramenta.

Ho an’ireo izay handeha iala sasatra amin’ity volana Jolay ity dia mirary fialan-tsasatra mavitrika. Manovôza hery vao enti-miatrika adidy amin’ny fidirana e.


3.

SAKAFO MAIVANA MITAM-PIHAVANANA: asabotsy 23 Jolay 2011

Hisan114do fisaorana antsika mianakavy tamin’ny ezaka vita nifarimbonan’ny ANCMF sy ny FKMP, tamin’ilay Koranam-pianakaviana natao ny alin’ny Asabotsy 30 Avrily lasa teo, dia hisy sakafo maivana atolotra antsika mianakavy karakarain’ny FKMP sy ny ANCMF, ny Asabotsy 23 Jolay manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Koa manasa antsika rehetra amin’izany.


4.

Fisan114bANADIOVANA NY FIANGONANA : GRAND MENAGE ASABOTSY 30 JOLAY 2011

Hisy fanadiovana tanteraka ny Fiangonana hataon’ny rehetra ny Asabotsy 30 Jolay manomboka amin’ny 4 ora tolak’andro ka iantsoana antsika mianakavy tsy ankanavaka. Aoka hifampilaza sy hifanome Tanana.


 

FIZARANA ANDRAIKITRA

1.

MANENTANA LITORIZIA :

17/07/2011 : BIRAOM-PIANGONANA (Alahady faha-16 Mandavantaona – Taona A)


2.

MANADIO FIANGONANA :

16/07/2011 : Sampana ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara