Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/



ISAN-TOKANTRANO

Alahady 03 JOLAY 2011

N° 113

ALAHADY FAHA-14 MANDAVANTAONA – TAONA A


Modely ho an’i fiainantsika i Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po.


Evanjelin’i Md Matio 11, 25-30. Zavatra roa no ambaran ‘i Jesoa ao amin’io Evanjely io androany :


Voalohany, asongadin’i Jesoa mazava fa : nambaran’Andriamanitra Ray tamin’ny tso-po sy ny madinika ny tsimbaratelon’ny Fanjakany, fa nafeniny impito mandifitr’olona kosa tamin’ireo milaza azy ho hendry sy be saina ary mahay.


Raha jerena tokoa mantsy amin’ny ankapobeny ny Soratra Masina manontolo dia ireo olona nanao ny tenany ho osa sy malemy tsinontsinona no namborahan’Andriamanitra ny tsiambaratelony ; ka nofodiny hiara-miasa Aminy akaiky. Ohatra amin’izany i Abrahama rain’ny mpino ; olona efa nino , natoky , nanetritena tany amin’ny tanindrazany no nantsoin’Andriamanitra. I Md Josefa :olon’ny fahanginana, olon’ny fahamarinanana, olon’ny fihainoana, olon’ny Tenin’Andriamanitra no nofidian’ny Anjely nanankinana an’io Jesoa. I Masina Maria : olona madinika, tsy tazana firy teo amin’ny fiarahamonina, tsy nisy mpahalala tao Nazareta no nofidian’ny Anjely hitaiza ny Zanak’Andriamanitra. Ireo apostoly isan-karazany …


Koa asain’i Jesoa àry isika anio hahay hanetry tena, halemy fanahy, hatoky ny teniny amin’ny fiainana sy ny asa sahanintsika andavanandro.


Faharoa, asain’i Jesoa hanatona Azy isika rehetra izay mijaly sy vesaram-pahoriana fa mahay manamaivana, manala ny eta-mavesatra Izy saingy tsy maintsy mitondra ny Hazofijaliany kosa sy mianatra Azy isika. Izy no modelim-piainantsika. Tsy manao kobaka am-bava tokoa i Jesoa fa maro ireo jamba, boka, narary, maty , niaran-doza sy fijaliana tsiroa aman-tany no nanatona Azy ka nositraniny sy nomeny fiadanana. Aza adino àry fa eo amintsika mandrakariva i Jesoa mandram-pahatapitr’izao tontolo izao ; ary efa nomena Azy ny fahefana ety an-tany sy any an-danitra. Avo fipetraka Andriamanitra fa ambany fijery kosa. Ary aza hadinoana fa izay manandra-tena no hahetry ary izay manetritena no hasandratra.


P. RAKOTOMAMONJY Norbert



DIMANCHE 03 JUILLET 2011 – MESSE DU 14ème DIMANCHE

DU TEMPS ORDINAIRE – Année A – Couleur liturgique : VERT


VAKITENY MASINA Voalohany


Bokin’I Zakaria Mpaminany

Zak. 9, 9 – 10

Indro ny Mpanjakanao avy ho aty aminao manetry tena.

Hoy ny Tompo hoe : “Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanakavavin’I Siona ! Manaova feo firavoravoana, ry zanakavavin’I Jerosalema ! Fa indro ny Mpanjakanao avy ho aty aminao ; marina Izy sady arovan’Andriamanitra ; manetry tena mitaingina ampondra, dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy. Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema. Ary hopotehina ny tsipîka fiadiana. Hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy ; ny Fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina ; ary hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !


VAKITENY MASINA faharoa


Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 9. 11 – 13

Raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

Ry Kristianina havana, ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’I Kristy, dia tsy an’I Kristy izy. Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’I Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an’I Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao aminareo. Koa amin’izany, ry Kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty ; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !


EVANJELY MASINA


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 25 – 30

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany I Jesoa niteny nanao hoe : “Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty Amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !



fifampizarana



« Ento ny ziogako, mianara Amiko ! Fa malemy fanahy Aho, ka hahita fiadanana ianao »


Sambatra raherana fa manan-kierana, sambatra razozoro fa manan-kijoroana, sambatra raharefo fa manan-kiefoana, fa sambatra koa raha samy sambatra isika zanak’Andriamanitra fa manana ianteherana, manitra Azy Fitiavana, andrian’ny Fanahiny tsara sy Masina. Tsy ny fahaizana na ny hery notombanan’ny olombelona no isafidianan’ny Tompo izay ametrahany ny fahalalana, tsy izay manana ny fahefana maha-olona na izay mampanjakazaka ny nofo no afaka hamantatra ny tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa ireo izay bitika sy mila famonjena, ireo mila azy sy manetry tena eo anatrehany, satria Izy dia malemy fanahy.


Miely sy manerana ny tsy takamaso eran’izao tontolo izao ny Fanahiny, ka izay itoerany satria zanany dia hahalala hiady amin’ny fanjakazakan’ny nofo, fa raha andevozin’ny nofo dia ho faty, raha itoeran’ny Fanahiny ka mahafehy izany dia ho velona, fa Jesoa no làlana mitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay, Izy no mampahalala antsika ny Ray ary ny Ray dia be fitiavana sy famindram-po, ka izay miankina Aminy dia tsy hanana hahaory azy, ho sambatra sy hiadana ary hahita izay tadiaviny. Fa izay manankina ny fiainany eo amin’ny Tompo no homeny ny fahasoavany.


Mamy ny akondro fa misy hodiny, fy ny amalona fa misy taolany, tsara ny tantely fa misy faikany, fa mamy tsy misy anariana, tsy misy faikany , telina hatramin’ny farany ny miankina amin’ny Tompo, raha mianjera dia ao anaty akondro, raha mitrosona dia ao anaty siramamy, raha solafaka dia ao anaty fary lava vany, tsy lany hamamiana, satria mizara ny ziogany, ary ny tanaNy eo hatrany hanarina sy hitantana. Koa voninahitra ho Azy : derao ny Tompo, hobio ny Anarany ! Aleloia !


Hanitr’Ony

Vaomieran’ny KOLONTSAINA



HANITRA NENTIN-DRAZANA – ANATRY NY NTAOLO

  • Fanafodin’ny mahery , mivalo ; fanafodin’ny osa, mifona

  • Tahaka an-dRafotsibe tia zafy, inty ny sotro ho anao anaka, fa aoka aho hangaron-tanana
  • Ny fitia toy ny ketsa, raha afindra maniry
  • Ny teny malemy, mahamora fihavanana
  • Aza atositosika ny ondry botry, fa tsy fantatra izay hanao kambana
  • Ny mifankatia no mahatsara fihavanana
  • Vary raraka an-keniheny, ka ombay mitsimpona, ombay mitady ; fa na intelo misandratra aza ny avoko, ka intelo tsinana ny Alahamady, ny fitia aza mba atao lany, fa mifandimbiasa fitia : ny ray ho tia zanaka, ary ny zanaka ho tia ray ; fa ny fitia mifamaly no mahatsara Fihavanana.

soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

1.

FFKM FRANTSA : ALAHADY 26 JONA 2011 – FETIM-PIRENENA MALAGASY

Misaotra antsika rehetra izay tonga niara-nivavaka ho an’ny Tanindrazana noho ny fitsingerenan’ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena, izay nokarakarain’ny FFKM – FRANTSA. Izay natao tamin’ny Alahady 26 Jona 2011 tao amin’ny

Paroisse Notre Dame des Champs

91, Boulevard du Montparnasse

75 006 Paris


2.

ZAIKABEN’NY TANORA KATOLIKA MALAGASY : 13 – 14 – AOUT 2011

Mampatsiahy sy mampiomana dieny izao izany fa ny Zaikaben’ny tanora Katolika Malagasy eto Frantsa dia hatao ny 13 – 14 – 15 Août 2011 any Bordeaux. Araka ny hafatra nalefan’ny Birao Nasionaly, dia toy izao ny fitsinjarana ny fandraisana anjara eo amin’ny fampiantranoana sy ny sakafo any toerana (Hébergement et Restauration) :


3isan113a0 % iantohan’ny tanora mpandray anjara

35 % iantohan’ny Fiangonana niaviany

35 % iantoan’ny ANCMF


Izany no natao dia mba ho maro ny tanora handray anjara ka hanamaivana ny fandraiasana anjara ara-bola. Koa iangaviana ny mpandrindra ny Vaomieran’ny tanora hanomana ny fisoratana anarana sy ny antsipîriany mikasika io Zaikabe io.

3.

FIFIDIANANANA FILOHAM-PIANGONANA VAOVAO 2011 – 2014

Tapitra amin’izao fifaranan’ny taona pastôraly izao ny fe-potoana nikatrohan’ny Biraom-piangonana am-perin’asa, naharitra telo taona. Hisy fifidianana Filoham-piangonana vaovao indray eto amin’ny Fiangonantsika. Noho ireo adidy maro sy nila fiomanana goavana natrehan’ny Fiangonantsika dia tsy afaka nanatanteraka ny fifidianana isika mianakavy. Tsy azo atao kitoatoa anefa izany fa mila fiomanana koa ny fifidianana eo anivon’ny Fiangonana satria adidy masina. Koa hiatrika izany fifidianana izany isika amin’ny fidirana amin’ny taona pastôraly vaovao. Ireto lamina asa tsy maintsy vitaina :


  • Tatritra ataon’ny Birao amperin’asa sy ny Filan-kevitra Pastôraly

  • Fanavaozana ny lisi-pifidianana karakarain’ny Vaomieran’ny Fifandraisana

  • Fampatsiahivana ireo Fitsipika mifehy ny fifidianana eto amintsika : iza no mpifidy ary iza no azo fidiana. Ny fanapahana ny datim-pifidianana.


Koa ento am-bavaka izany fotoan-dehibe sy kasa hatrehina izany. Ny Fanahy Masina no mitantana sy manilo hatrany ny dian’ny Fiangonana, izay famantaram-pamonjena sy loharanom-pahasovana andrasaina ny Sakramenta.


Ho an’ireo izay handeha iala sasatra amin’ity volana Jolay ity dia mirary fialan-tsasatra mavitrika. Manovôza hery vao enti-miatrika adidy amin’ny fidirana e.


FIZARANA ANDRAIKITRA

1.

MANENTANA LITORIZIA :

10/07/2011 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA (Alahady faha-15 Mandavantaona – Taona A)


2.

MANADIO FIANGONANA :

09/07/2011 : BIRAOM-PIANGONANA