|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny
nitiavako anareo” ( Joany
15, 12 ) Fiangonana
Katolika Malagasy 171
Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 19 JONA 2011 |
N° 112 |
|
ALAHADY TRINITE MASINA –
TAONA A |
|
|
TRINITE MASINA Ny Trinite Masina, Andriamanitra Tokana nefa olona telo, no anisan’ny
mampiavaka antsika kristianina amin’ireo finoana hafa mino an’Andriamanitra
Tokana, toy ny Jody sy ny Silamo. Sarotra
nefa koa mora ny mahazo an’io Andriamanitra Tokana olona Telo io. Raha
raisina ara-batana dia sarotra satria manahirana ny hanambatra olona telo ho Niara-niasa ireo Andriamanitra Telo ireo teo amin’ny
tantaram-pamonjena ny olombelona. Ilay Teny voalohany tao amin’Andriamanitra
zary
Amin’izao fetin’ny raim-pianakaviana izao dia mirary anareo ray
rehetra ato amin’ny FKMP ny tenako mba ho:d hambinin-java-tsoa eo amin’izay
rehetra ataonareo. Ary enga anie ianareo ho toa an’Andirmanitra Ray ka hanohy
hatrany ny fifankatiavanareo ao amin’ny vady aman-janakareo. |
|
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier
|
|
DIMANCHE 19 JUIN 2011 – MESSE DE LA SAINTE TRINITE
Année A –
Couleur liturgique : BLANC
|
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky Eksaody |
Eks. 34, 4b – 6. 8 – 9 |
||
|
Ny
Tompo Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra. |
|||
|
Tamin’izany andro
izany, dia nifoha maraina koa I Môizy, niakatra ny tendrombohitra Sinaia,
araka ny nandidian’ny Tompo azy ; nentin’ny teny an-tanany ny takelaka vato
roa. Dia nidina tao anatin’ny rahona ny Tompo ka niara-nijanona taminy teo,
sy nanonona ny anarana hoe : Iaveh !
Tompo ! Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe : “Izaho no Iaveh
Tompo, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po
amam-pahamarinana”. Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay I
Môizy, dia niankohoka, nanao hoe : “Raha
nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho
lovanao izahay”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
faharoan’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty |
2 Kôr. 13, 11 – 13 |
||
|
Homba
anareo anie ny fahasoavan’I Jesoa Kristy, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary
ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina. |
|||
|
Ry Kristianina |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md. Joany |
Jo. 3, 16 – 18 |
||
|
Nirahin’Andriamanitra
ny Zanany mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny alalany. |
|||
|
Tamin’izany andro
izany, I Jesoa nilaza tamin’I Nikôdema hoe : “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny
Zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana
mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka
tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao
tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina : fa izay tsy mino kosa
dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra
tokana”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera
anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
MIJOROA HATRANY HO
VAVOLOMBELON’I KRISTY : FIFANKATIAVANA Herinandro aorian’ny
Pantekôty izay nandraisantsika ny fanomezan’ny Fanahy Masina, dia manasa
antsika ny Fiangonana handinika ny mistery lehibe fonosin’ny Trinité Masina.
Isaky ny mamonjy Sorona Masina isika, dia manambara io mistery io : Andriamanitra tokana, tokana Olona telo,
dia ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Nomena ny Fanahy Masina
isika tamin’ny Batemy mba hiray aina amin’ny Kristy sy ho zanaky ny Ray.
Amin’ny maha
zanak’Andriamanitra sy maha kristianina antsika dia ny fifankatiavana sy ny
fifanampiana no tokony ho fototry ny fiainantsika andavanandro, na ao
an-tokantrano, na any am-piasana, na eto am-piangonana. Manamafy izany ny
hafatr’i Md Paôly Apôstôly ho an’i kristianina tany Korinto. Samia ary isika mangataka
amin’ny Fanahy Masina mba hijoro hatrany ho vavolombelon’i Kristy sy
hampanjaka ny fifankatiavana eo amin’ny fiainantsika andavan’andro. |
|
|
RATSIMBAZAFY Ndrenja |
|
|
Vaomieran’ny
Fitantanana |
|
¦soritr’asa manaraka SY
VAOVAO SAMIHAFA
|
|
1.
|
ANTOKO MPIHIRA “FEON’ANJOMARA” MANEHO FISAORANA
Ny Antoko
Mpihira “Feon’anjomara” dia maneho etoana ny fisaorana sy fankasitrahana
antsika mianakavy tamin’ny fiaraha-mivavaka an-kira, Antsam-panahy, omaly Asabotsy 18 Jona 2011 teto am-piangonana : “Mifalia mandrakariva, mivavaha ka aza mitsahatra, misaora
amin’ny zavatra rehetra” 1 Tes. 5, 16 – 18a
Fotoan-dehibe
tokoa izany eo amin’ny fiainan’ny Antoko Mpihira sy eo amin’ny
fiainam-panahintsika rehetra eto amin’ny FKMP fa izay mihira, hono, dia
mivavaka indroa.
|
2.
|
FFKM FRANTSA : ALAHADY 26 JONA 2011 – FETIM-PIRENENA
MALAGASY
Ny Alahady 26 Jona dia misy
fiaraha-mivavaka ekiomenika karakarain’ny FFKM FRANTSA, ho fangatahim-pitahiana ho an’ny Tanindrazana,
amin’ny fitsingerenana ny taona niverenan’ny Fahaleovantena. Fetim-pirentsika
Malagasy ny 26 Jona koa Asaramanitra dia iaraha-mankalaza. Tadidio àry ny
fotoana :
Paroisse Notre Dame des Champs
91, Boulevard du Montparnasse
75
006 Paris
Fizarana
andraikitra :
§
Mpitarika : Ny Fiangonana Prôtestanta
§
Mpandray sy
mitoriteny : Ny Fiangonana Anglikanina
§
Vakiteny sy
Ranombavaka : Ny Fiangonana Katôlika
Métro : Vavin, Montparnasse, Notre Dame des Champs
Bus : 95, 96, 58, 82, 28
Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy fiaraha-miala
hetaheta izay anasana antsika rehetra.
Tsy misy Lamesa eto amin’ny Fiangonantsika
amin’io. Samy mamonjy Lamesa any amin’ny Paroasy misy azy avy
sady Fetin’ny Sakramenta Masina amin’io.
|
3.
|
ZAIKABEN’NY TANORA KATOLIKA MALAGASY : 13 – 14 – AOUT 2011
Mampatsiahy
sy mampiomana dieny izao izany fa ny Zaikaben’ny tanora Katolika Malagasy eto
Frantsa dia hatao ny 13 – 14 – 15 Août
2011 any
30 % iantohan’ny
tanora mpandray anjara
35 % iantohan’ny
Fiangonana niaviany
35 % iantoan’ny
ANCMF
Izany no
natao dia mba ho maro ny tanora handray anjara ka hanamaivana ny fandraiasana
anjara ara-bola; Koa iangaviana ny mpandrindra ny Vaomieran’ny tanora
hanomana ny fisoratana anarana sy ny antsipîriany mikasika io Zaikabe io.
|
FIZARANA ANDRAIKITRA
|
|
1.
|
MANENTANA LITORIZIA :
26/06/2011 : FFKM FRANTSA (Fetim-pirenena)
03/07/2011 : VAOMIERAN’NY KOLONTSAINA (Alahady faha-14 Mandavantaona – Taona A)
|
2.
|
MANADIO FIANGONANA :
25/06/2011 : VAOMIERAN’NY KOLONTSAINA
02/07/2011 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA
|