“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 29 Marsa 2009

N° 11

ALAHADY FAHADIMY KAREMY – TAONA B

 

« Si le grain de blé tombé en terre ne meurt, il reste seul.
Mais s’il meurt, il donne beaucoup de fruits. »

Par ce passage de l’Evangile du cinquième dimanche de carême, nous savons bien que Jésus parle de lui-même. Il révèle le sens qu'il donne à sa mort. Il ne s'agit pas d'anéantissement mais de semailles. Devant lui s'ouvre un passage de ce monde à son Père : une Pâque nouvelle. C’est lui le grain de blé, le Fils du Père qui va être crucifié et qui va mourir pour être ressuscité. Si nous nous référons à la simple loi de la nature : le grain de blé se délite au creux de la terre, il semble y pourrir, mais cette étape est nécessaire pour que naisse le germe, qu'il grandisse, surgisse du sol et donne l'épi porteur des grains multipliés. Jésus est lui-même semence tombée en terre. Sa tombée en terre est élévation sur la croix. Il se lève de toute la puissance de vie qui le meut. Il est la résurrection, la Vie nouvelle offerte à nous. Il est la semence venue du ciel pour remonter en fruit nouveau, en infinie moisson de tous les humains sur la terre.  Nous avançons dans notre chemin de croix avec Jésus pour mourir avec Lui afin que nous nous ressuscitions avec Lui  et que nous portions du fruit aussi. Chacun de nous est le fruit de ce Grain de blé tombé en terre, qui est mort mais qui est ressuscité. Le Seigneur veut nous montrer combien tout le chemin que nous faisons, chemin qui donne vie à chacun selon sa vocation, est belle car il nous mène vers la Vie. Chaque fois que nous nous dépassons, que nous accueillons la réalité de cette vie avec amour, nous préparons le Royaume déjà là et qui vient. C’est par ce chemin que nous suivons le Christ, un chemin vers Pâques qui est une fête de rayonnement. Notre vie peut rayonner si nous laissons Jésus prendre possession de toute notre vie afin que notre vie soit d’une grande fécondité spirituelle, mais si nous ne nous laissons pas saisis par son amour, c’est la vraie mort qui tient dans la fermeture stérile sur soi-même.  C’est là qu’il nous propose : « Si quelqu’un veut me servir, dit Jésus qu’il me suive » et encore « là où je suis sera mon serviteur ». Cette parole de Jésus nous mène à poser des  questions : dans ce que nous vivons aujourd’hui, comprenons-nous la hauteur, la grandeur, la profondeur  de l’amour du Christ ? Sommes-nous prêts  à Le suivre ? C’est l’Amour seul qui donnera à chacune de nos actions une grande fécondité. Et nous comprenons bien le combat, ce qui s’oppose à y croire. « Maintenant, dit Jésus, je suis bouleversé ! » C’est un ébranlement profond qui se réalise dans le cœur de Jésus. Nous pouvons connaître, nous aussi, ces bouleversements, ces grands tourments pour suivre Jésus. Marie, dans le chemin de douceur et d’humilité qui est sien, est profondément bouleversée. C’est pour elle le choix de Dieu. Si elle le prend, sa vie deviendra féconde. Elle donne son corps, sa chair au verbe de Dieu. Que de dépassements dans ce chemin de vie. « Celui qui veut sauver sa vie la perdra » « Que dirai-je : Père, délivre-moi de cette heure ! » Nous connaissons bien toutes ces agonies, ces combats adaptés à notre fragilité. Sommes-nous prêts  à faire porter du fruit à notre vie ? Un fruit de vie éternelle ?

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 29 MARS 2009 – MESSE DU 5ème  DIMANCHE DE CAREME
Année B – Couleur liturgique : Violet

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 31, 31 – 34

Indro avy ny andro, - teny marin’ny Tompo, - hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà : Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejypta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’ny Tompo : - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony ; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izy ireo ho oloko. Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe : « Mahalalà ny Tompo ». Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra na ny kely na ny lehibe, - teny marin’ny Tompo. – Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy ho an’ny Kristianina Hebrio

Heb. 5, 7 – 99

I Kristy, tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana mombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’ny Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza ; ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 12, 20 – 33

Tamin’izany andro izany, nisy Jentilisy sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’I Filipo, izay avy avy tany Betsaidan’I Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe : “Tompoko, mba te hahita an’I Jesoa izahay”. Dia lasa I Filipo nilaza tamin’in Andre, ka dia I Andre sy Filipo no niara-nilaza tamin’I Jesoa. Ary namaly azy I Jesoa ka nanao hoe : “Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko ? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao”. Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe : “Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray”. Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe : “Kotro-baratra izany” ; fa hoy kosa ny sasany hoe : “Anjely niteny taminy izay”. Dia hoy I Jesoa hoe : “Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo. Ankehitriny , dia tonga ny fitsarana izao tontolo izao  ; ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy”. Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

Amin'izao andron'ny karemy izao dia tokony hiara-miezaka isika kristianina ato amin'ny fiangonana katolika malagasy eto Paris sy Ile-de-France, mba tsy hitana alahelo amin'ireo manodidina antsika, ka hahay hamela heloka mba hihavanantsika bebe kokoa amin'Andriamanitra.

Jeanine sy Jean-Louis RAKOTONDRAMANGA

Vaomieran’ny Fifandraisana

NY SOA NO IFANDOVANA

 

 

 

Anatra fanaon’ny Ntaolo : « Aza mba mivadika ny marina ».

 

Aza mba manao tsimbadi-boanampotsy, lehiretsy, ka ho azon’olona tambatambazam-bola aman-karena hivadika ny marina.

Fa ny daka no misy am-badika, ny loka no misy an-koatra ;

Ny akanjo no soa misy paosy;

Ny trano no tsara misy efitra;

Ny tambin-toko no atao anankina;

Ny salaka no atao sisik’ila; ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika;

Fa ratsy koa raha ratsy, lehiretsy, raha mba mivadika ny marina.

 

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

PELERINAZY ATAON’NY MPIANATRA ANY CHARTRES ( Fankalazana ny Sampankazo)

Ny 4 – 5 Avrily 2009 no hanao ny Pelerinazy any Chartres ny mpinatra, toy nyfanao isan-taona. Misy ny dia be fa mizara lalana maromaro. Ny mpianatra eto amin’ny FKMP dia mandray ny lalana Saint Matthieu, miaraka amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge. Ny fiaingana dia amin’ny amin’ny 7 ora maraina, ary ny fiverenana dia amin’ny 8 ora sy sasany alina.

Mitondra Sac de couchage, tapis de sol ary akanjo maina fisolo sy kiraro fitondra mandeha tongotra. Sakafo antoandro asabotsy sy alahady. Raha mila vaovao fanampiny :

 http://chartres.meci.org

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

F 05/04/2009 : Vaomieran’ny Finoana (Sampan-kazo)

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 04/04/2009 : Antoko Mpihira « Feon’Anjomara »

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mianakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana izay hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Manentena antsika mianakavy tsy misy avakavaka amin’izany. Ny Vaomiera sy ny Sampana isan-tokony no manentana antsika

 

 

Rakitra farany

22/03/2009

220, 57€