“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 22 Marsa 2009

N° 10

ALAHADY FAHEFATRA KAREMY – TAONA B

 

NY « HAZOFIJALIANA » : POROFOM-PITIAVANA FARATAMPONY

 

Tandindon’ny Hazofijaliana izay namantsihana an’i Kristy ka nanolorany ny ainy ho antsika ilay bibilava varahana izay nasandratr’i Moizy tany an’efitra ka nanangana tamin’ny maty ireo rehetra izay niandrandra nijery izany: “Tahaka ny nanandratan’I Môizy sy bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.” Nasandratry ny Ray teo ambony Hazofiajaliana ilay Zanany malalany indrindra mba ho porofo hanehoany ny fara fitiavany antsika olombelona: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.” Nontanterahan’i Kristy tamin’ny fanolorany ny ainy teo ambony Hazofiajaliana izany, izy no ohatra velona satria : « Tsy misy manam-pitiavana lehibe indrindra noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny tiany. »

Araka izany, zava-dehibe loatra ho antsika Kristianina ny “Hazofijaliana” na ny “Lakroa”satria maneho ny Fitiavan’Andriamanitra ny olombelona sy ny fifamatoram-pitiavana misy amintsika sy Kristy. Famantarana be voninahitra ny Lakroa satria ny fahafatesan’i Kristy teo amboniny dia tsy azontsika sarahina na oviana na oviana amin’ny Fandreseny ny fahafatesana. Satria tokoa manko raha tsy misy ny fahafatesana tsy hisy mihitsy ny fitsanganana amin’ny maty. Raha tsy maty ny voa nafafy tsy hisy ny tsiry vaovao. Raha jerentsika akaiky dia maro tokoa ireo endrika isehoan’ny Lakroa eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Voalohany indrindra dia ny famantaran’ny Hazofijaliana ataontsika isan’andro. Mifono zava-dalina tokoa raha halalinina io satria manamarika amin’ny tenantsika ilay Hazofijaliana nanolorany ny Ainy ho antsika sady koa antoky ny fiombonantsika aina aminy. Eo koa ireo “lakroa”, ao am-piangonana, any an-tranontsika, hivavahantsika, … ka tokony hohajaina sy hotsaroana hatrany ny dikany satria famantarana hita maso manambara ny nandatsahan’i Kristy ny rany ho fanavotana an’izao tontolo izao. Fa ny “Lakroa “ na ny “Hazofijaliana” koa indrindra indrindra dia ivo ifanenan’ilay fara Fitiavan’Andriamanitra sy ny fijaliana sy fahorian’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny Hazofijaliany no hanavotany sy hanafahany an’izao tontolo izao ao anatin’ny gejan’ny fahoriany satria tiany loatra isika olombelona. Maro ireo endriky ny hazofijaliana eo amin’ny fiainantsika isan’andro: hakiviana, fahadiasoam-panantenana, fanenjehana, tsy fahombiazana, fahoriana, fisarahana, tsy fahamarinana, tsy fahasalamana, fanaintainana, tebiteby, tsy fahampiana sns…Ireny rehetra ireny raha atolotsika an’i Kristy dia ho fiombonantsika anjara amin’ ilay Hazofijaliany ka  zary lasa antoky ny Fanantenana handresy miaraka aminy .

Koa amin’izao fiomanantsika amin’ny Paka izao àry, ndeha  hotsaroantsika ombieny ombieny fa Sarobidy indrindra ny Lakroa, mampatsiahy antsika ilay Fara fitiavan’Andriamanitra  an’izao tontolo izao ka nanolorany ny zanany tiany indrindra.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 22 MARS 2009 – MESSE DU 4ème  DIMANCHE DE CAREME
Année B – Couleur liturgique : Violet

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky faharoan’ny Tantara

2 Tant.
36, 14 – 16.19 – 23

Tamin’izany andro izany, ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa, nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa firenena, sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa  nohamasininy, tao Jerosalema. Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo, ny Tompo Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany, fa nangoraka ny vahoaka sy ny Fonenany Izy. Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpamininy, mandra-pihàtran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony. Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema, notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka sarobidy rehetra. Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga mpanompon’izy  sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa. Izany no nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe : « Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany, dia hitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona ».

Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao : « Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa : Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany : ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany ? Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka hiakatra izy ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 2, 4 – 10

Ry Kristianina havana, Andriamanitra izay manankarena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo) ; niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra, mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany, amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa. Satria  ny fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha. Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa, mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 3, 14 – 21

Tamin’izany andro izany I Jesoa niteny tamin’I Nikôdema nanao hoe : “Tahaka ny nanandratan’I Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana  mandrakizay”.

Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao : ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana : tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany ; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

“Tsy ampy ve ny asam-pinoana e!”

Tsy matetika tokoa ve isika no mametra-panontaniana hoe : "ahoana marina no mety ho hevitr'Andriamanitra momba ahy ?". Ny fandraisana adidy eo amin'ny tany ama-monina, indrindra eto amin'ny Fiangonana dia mba mampiteny irery indraindray hoe "asam-pinoana ity ka tsy ho very maina".

Nefa raha izany no izy, izay mahavita asa be sy mikofokofoka indrindra ve no hahazo valisoa sy ankasitrahan'ny Tompo ? Dia ahoana izany ireo tsy mba afaka noho ny antony maro samihafa : misy ny tsy salama, misy ny voatazona na tsy afa-manoatra, misy ny manao ihany saingy tsy mahavita be noho ny hafa .... sns.

 

Dia ahoana koa izany raha toa ka manam-potoana sy manan-kery be hampiasaina aho nefa tsy am-pitiavana sy tsy am-panetren-tena no anaovako azy ? Raha itsahiko sy ankahalaiko, ialonako sy iavonako ny mpiara-monina amiko, nefa ataoko amin'ny fo sy ilofosako tsy atoriako andro aman'alina ny asan'Andriamanira dia inona no mitranga ?

 

Am-pitiavana, am-panetren-tena hoe ?

- Fantatsika fa ny fitiavana no ambony indrindra amin'ny Didy, ny fihavanana amin'ny hafa no fepetra napetrak'i Kristy raha te-hanatona ny Oteliny isika,

- Fantatsika koa fa izay manolotra an-kafaliana, izany hoe am-pitiavana, no sitrak'Andriamanitra,

- Fantatsika fa ny fanetren-tena no ankasitrahan'ny Tompo, ka tsy izay miantso "Tompoko, Tompoko", na toy ny Farisianina mandohalika imasom-bahoaka ho hitan'ny olona, na manao hoe "Misaotra Anao aho Tompo fa tsy tahaka iretsy ratsy fanahy iretsy". Fa izay manatanteraka ny sitra-pony.  

- Ireo dia mbola ampian'ireto Tenin'Andriamanitra amin'ity alahady ity manamafy indray fa tsy avy amintsika, fa fahasoavan'Andriamanitra no mahavonjy antsika. Tsy ny herintsika, fa ny Fitiavany. Ka raha milofo isika noho ny fitiavantsika Azy koa, fa tsy ho an'ny tenantsika na ny fisehosehoana maro isan-karazany, dia valim-pitiavana izany.

 

Ny fahasoavan'Andriamanitra no aoka hiverenantsika amin'izao Karemy izao, fa lehibe ny Fitiavany ary ampy ho antsika ny fahasoavany.

Hery RAKOTOMAHEFA

Antoko Mpihira “Feon’Anjomara”

 

 

 


NY SOA NO IFANDOVANA

 

 

Inona àry izany :

 

1-       Andrahoin-tsy masaka, atono mora foana

2-       Todihin-tsy tratra, raisina mora foana

3-       Dobo kelin’Andriamanitra, tsy azo ilomanosana

4-       Ilaifotsy mpitetika, Ilaimena mpamarina

5-       Tsy atoraka, tsy akipilipily, ka lasan-davitra

6-       Kapain-tsy hita fery.

7-       Mitsangan-tsy anontaniana

8-       Alao ny maty hasiana ny velona

9-       Fara-harena.

10-    Izy entiko ary izaho vatsiny.

 

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

MATSOM-PANAHIN’NY FIANGONANA

Ho fanomanana ny Paka amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao dia hanao Matsom-Panahy ny Fiangonantsika ny Alahady 29 Marsa 2009 tontolo andro. Ny fotoana dia manomboka amin’ny 9 ora maraina ary faranana amin’ny Lamesa eny an-toerana. Izany moa dia hatao etsy amin’ny Sœurs Aveugles de Saint-Paul 88, Avenue Denfert-Rochereau Paris 14ème. Métro Ligne N° 6 na RER B : Denfert-Rochereau.

Misoràta anarana mba hitsinjarana ny asa-baomiera eny an-toerana.

 

¦ soritr’asa manaraka

 

2.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mianakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana izay hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Manentena antsika mianakavy tsy misy avakavaka amin’izany. Ny Vaomiera sy ny Sampana isan-tokony no manentana antsika

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

F 29/03/2009 : Vaomieran’ny Fifandraisana (Récollection)

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 28/03/2009 : Vaomieran’ny Finoana

 

ü vaovao samihafa

 

1.

FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA :

Araka ny vaovao avy any Vatican dia hatsangana ho Olontsambatra tsy ho ela I Frera Raphael Louis RAFIRINGA. Hatao any Madagasikara izany fa ny daty mbola tsy fantatra. Izy dia teraka tao Antananarivo ny 3 novambra 1856 ary maty tao Fianarantsoa ny 19 may 1919. Malagasy voalohany tao amin’ny Fikambanan’ny Frères des Ecoles chrétiennes; Olomangan’ny Fiangonana sy ny Firenena izy. Nanam-pinoana lalina sy nanam-pahaizana no mpanabe nahafatra-po. Olomanangan’ny Kolontsaina Malagasy.

 

Rakitra farany

15/03/2009

256, 81€