|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 22 Marsa
2009 |
N° 10 |
|
ALAHADY
FAHEFATRA KAREMY – TAONA B |
|
|
NY « HAZOFIJALIANA » : POROFOM-PITIAVANA FARATAMPONY |
|
Tandindon’ny Hazofijaliana izay namantsihana an’i
Kristy ka nanolorany ny ainy ho antsika ilay bibilava varahana izay
nasandratr’i Moizy tany an’efitra ka nanangana tamin’ny maty ireo rehetra
izay niandrandra nijery izany: “Tahaka ny nanandratan’I Môizy sy bibilava
tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho
very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.” Nasandratry
ny Ray teo ambony Hazofiajaliana ilay Zanany malalany indrindra mba ho porofo
hanehoany ny fara fitiavany antsika olombelona: “Fa toy izao no
nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny zanany tokana, mba tsy
ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.”
Nontanterahan’i Kristy tamin’ny fanolorany ny ainy teo ambony Hazofiajaliana
izany, izy no ohatra velona satria : « Tsy misy manam-pitiavana
lehibe indrindra noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny tiany. » Araka izany, zava-dehibe loatra ho antsika
Kristianina ny “Hazofijaliana” na ny “Lakroa”satria maneho ny
Fitiavan’Andriamanitra ny olombelona sy ny fifamatoram-pitiavana misy
amintsika sy Kristy. Famantarana be voninahitra ny Lakroa satria ny
fahafatesan’i Kristy teo amboniny dia tsy azontsika sarahina na oviana na
oviana amin’ny Fandreseny ny fahafatesana. Satria tokoa manko raha tsy misy
ny fahafatesana tsy hisy mihitsy ny fitsanganana amin’ny maty. Raha tsy maty
ny voa nafafy tsy hisy ny tsiry vaovao. Raha jerentsika akaiky dia maro tokoa
ireo endrika isehoan’ny Lakroa eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Voalohany
indrindra dia ny famantaran’ny Hazofijaliana ataontsika isan’andro. Mifono
zava-dalina tokoa raha halalinina io satria manamarika amin’ny tenantsika
ilay Hazofijaliana nanolorany ny Ainy ho antsika sady koa antoky ny
fiombonantsika aina aminy. Eo koa ireo “lakroa”, ao am-piangonana, any
an-tranontsika, hivavahantsika, … ka tokony hohajaina sy hotsaroana hatrany
ny dikany satria famantarana hita maso manambara ny nandatsahan’i Kristy ny
rany ho fanavotana an’izao tontolo izao. Fa ny “Lakroa “ na ny
“Hazofijaliana” koa indrindra indrindra dia ivo ifanenan’ilay fara
Fitiavan’Andriamanitra sy ny fijaliana sy fahorian’izao tontolo izao. Amin’ny
alalan’ny Hazofijaliany no hanavotany sy hanafahany an’izao tontolo izao ao
anatin’ny gejan’ny fahoriany satria tiany loatra isika olombelona. Maro ireo
endriky ny hazofijaliana eo amin’ny fiainantsika isan’andro: hakiviana,
fahadiasoam-panantenana, fanenjehana, tsy fahombiazana, fahoriana,
fisarahana, tsy fahamarinana, tsy fahasalamana, fanaintainana, tebiteby, tsy
fahampiana sns…Ireny rehetra ireny raha atolotsika an’i Kristy dia ho
fiombonantsika anjara amin’ ilay Hazofijaliany ka zary lasa antoky ny Fanantenana handresy
miaraka aminy . Koa
amin’izao fiomanantsika amin’ny Paka izao àry, ndeha hotsaroantsika ombieny ombieny fa Sarobidy
indrindra ny Lakroa, mampatsiahy antsika ilay Fara
fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo
izao ka nanolorany ny zanany tiany indrindra. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 22 MARS 2009 – MESSE DU 4ème DIMANCHE DE CAREME
|
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky faharoan’ny Tantara |
2 Tant. |
||
|
Tamin’izany andro izany, ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny
vahoaka koa, nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa
firenena, sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema. Malaky sady
matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo, ny Tompo
Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany, fa nangoraka ny vahoaka sy
ny Fonenany Izy. Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra,
notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpamininy, mandra-pihàtran’ny
fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema,
notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka sarobidy
rehetra. Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy
matin-tsabatra, ka tonga mpanompon’izy
sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa. Izany no
nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe :
« Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany, dia hitsahatra izy
mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo
taona ». Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia
namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa mba hahatanteraka
ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy
nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao :
« Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa : Efa nomen’ny Tompo
Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany : ary efa
nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema. Koa iza avy moa
aminareo no vahoakany ? Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka
hiakatra izy ». |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny
kristianina tany Efezy |
Efez. 2, 4 – 10 |
||
|
Ry Kristianina havana, Andriamanitra izay manankarena amin’ny
famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika, na dia
fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i
Kristy (fahasoavana no namonjena anareo) ; niara-natsangany isika, sy
niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra, mba hanehoany amin’ny
andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany, amin’ny hatsaram-pony amintsika
ao amin’i Kristy Jesoa. Satria ny
fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana, ka tsy avy aminareo izany,
fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy
mirehareha. Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa, mba
ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany |
Jo. 3, 14 – 21 |
||
|
Tamin’izany andro izany I Jesoa niteny tamin’I Nikôdema nanao hoe :
“Tahaka ny nanandratan’I Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy
hanandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa
hanana ny fiainana mandrakizay”. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao : ka
nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny
fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao
tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao
tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina ; fa izay tsy mino kosa dia efa
voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana : |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
“Tsy ampy ve ny asam-pinoana e!” Tsy
matetika tokoa ve isika no mametra-panontaniana hoe : "ahoana marina no
mety ho hevitr'Andriamanitra momba ahy ?". Ny fandraisana adidy eo
amin'ny tany ama-monina, indrindra eto amin'ny Fiangonana dia mba mampiteny
irery indraindray hoe "asam-pinoana ity ka tsy ho very maina". Nefa
raha izany no izy, izay mahavita asa be sy mikofokofoka indrindra ve
no hahazo valisoa sy ankasitrahan'ny Tompo ? Dia ahoana izany ireo
tsy mba afaka noho ny Dia
ahoana koa izany raha toa ka manam-potoana sy manan-kery be hampiasaina aho
nefa tsy am-pitiavana sy tsy am-panetren-tena no anaovako azy ? Raha itsahiko
sy ankahalaiko, ialonako sy iavonako ny mpiara-monina amiko, nefa ataoko
amin'ny fo sy ilofosako tsy atoriako andro aman'alina ny asan'Andriamanira
dia inona no mitranga ? Am-pitiavana,
am-panetren-tena hoe ? -
Fantatsika fa ny fitiavana no ambony indrindra amin'ny Didy, ny fihavanana
amin'ny hafa no fepetra napetrak'i Kristy raha te-hanatona ny Oteliny isika, -
Fantatsika koa fa izay manolotra an-kafaliana, izany hoe
am-pitiavana, no sitrak'Andriamanitra, -
Fantatsika fa ny fanetren-tena no ankasitrahan'ny Tompo, ka tsy izay miantso
"Tompoko, Tompoko", na toy ny Farisianina mandohalika
imasom-bahoaka ho hitan'ny olona, na manao hoe "Misaotra Anao aho
Tompo fa tsy tahaka iretsy ratsy fanahy iretsy". Fa izay
manatanteraka ny sitra-pony. -
Ireo dia mbola ampian'ireto Tenin'Andriamanitra amin'ity alahady
ity manamafy indray fa tsy avy amintsika, fa
fahasoavan'Andriamanitra no mahavonjy antsika. Tsy ny herintsika, fa ny
Fitiavany. Ka raha milofo isika noho ny fitiavantsika Azy koa, fa
tsy ho an'ny tenantsika na ny fisehosehoana maro isan-karazany, dia
valim-pitiavana izany. Ny
fahasoavan'Andriamanitra no aoka hiverenantsika amin'izao Karemy izao, fa
lehibe ny Fitiavany ary ampy ho antsika ny fahasoavany. |
|
|
Hery
RAKOTOMAHEFA |
|
|
Antoko
Mpihira “Feon’Anjomara” |
|
|
NY SOA NO
IFANDOVANA |
|
|||
|
Inona àry izany : 1-
Andrahoin-tsy masaka, atono mora foana 2-
Todihin-tsy tratra, raisina mora foana 3-
Dobo kelin’Andriamanitra,
tsy azo ilomanosana 4-
Ilaifotsy mpitetika,
Ilaimena mpamarina 5-
Tsy atoraka, tsy akipilipily, ka lasan-davitra 6-
Kapain-tsy hita fery. 7-
Mitsangan-tsy anontaniana 8-
Alao ny maty hasiana ny velona 9-
Fara-harena. 10-
Izy entiko ary izaho vatsiny. |
||||
|
|
||||
|
Vaomieran’ny
Kolon-tsaina |
||||
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
MATSOM-PANAHIN’NY FIANGONANA Ho fanomanana ny Paka amin’izao
vanim-potoanan’ny Karemy izao dia hanao Matsom-Panahy ny Fiangonantsika ny
Alahady 29 Marsa 2009 tontolo andro. Ny fotoana dia manomboka amin’ny 9 ora maraina ary faranana amin’ny
Lamesa eny an-toerana. Izany moa dia hatao etsy amin’ny Sœurs Aveugles de
Saint-Paul 88, Avenue Denfert-Rochereau Paris 14ème. Métro Ligne
N° 6 na RER B : Denfert-Rochereau. Misoràta
anarana mba hitsinjarana ny asa-baomiera eny an-toerana. |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
2. |
KORANAM-PIANAKAVIANA : Isika
mianakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana izay hatao eny
amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny
asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Manentena antsika
mianakavy tsy misy avakavaka amin’izany. Ny Vaomiera sy ny Sampana isan-tokony
no manentana antsika |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : F 29/03/2009 :
Vaomieran’ny Fifandraisana (Récollection) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : F 28/03/2009 :
Vaomieran’ny Finoana |
|
|
ü vaovao
samihafa |
|
|
|
1. |
FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA : Araka ny
vaovao avy any Vatican dia hatsangana ho Olontsambatra tsy ho ela I Frera
Raphael Louis RAFIRINGA. Hatao any Madagasikara izany fa ny daty mbola tsy
fantatra. Izy dia teraka tao |
|
|
€ Rakitra farany |
15/03/2009 |
256, 81€ |