“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune   75 014  PARIS

 

 

http://fkmp.malagasy.org

 

ISAN-TOKANTRANO

Site : http://www.fkmp.org/

Entanim-pinoana sy fitiavana

Alahady 11 Janoary 2009

N° 01

I JESOA NATAO BATEMY - TAONA  B

 Izaia 55, 1 - 11                                        Izaia 12

 1 Joany 5, 1 - 9                                             Marka 1, 7 - 11

 

Batemin’I Jesoa : tandindon’ny batemintsika

Mankalaza ny batemin’i Jesoa isika androany, mampatsiahy ny batemintsika io. Fa inona marina moa ho antsika tsirairay avy no atao hoe “vita batemy ?”

Amin’ny fiainantsika andavanandro dia toa tsy dia zava-dehibe loatra ny batemy. Ny  Komonio voalohany, ny  Sakramentan’ny Fankaherezana matetika no mijanona ho fahatsiarovana eo amin’ny fiainantsika fa ny batemy kosa izay noraisintsika voalohany hadinontsika. Indraindray aza amin’ny batemin-jaza izay atrehintsika dia toa tsy azontsika marina ny dikan’io sakramenta io.Porofon’izany: maro amin’izao androntsika izao no mihevitra fa efa fomba lany andro natao handraisana ny olona ho isan’ny Fiangonana ny batemy satria mbola tsy mahay manoratra sy mamaky ny zaza dia efa soratana ao, ka izany no mahatonga azy ireo hiteny hoe “  avelao ho lehibe ny zaza dia misafidy izy na hatao batemy na tsia”.

Tadidio anefa fa ny zaza dia tsy antsika toy ny fananantsika  vola  sy fiara  fa an’Andriamanitra. Izy no nahary ny zaza. Marina fa eo ny Ray aman-dreniny izay fitaovana nentin’Andriamanitra nahary azy , fa ny aina dia an’Andriamanitra. Rariny noho izany raha atao batemy ny zaza. Atolotra Azy izay nomeny antsika. Io batemy io no mahatonga azy ho zanak’Andriamanitra. Toy ny fisokafan’ny lanitra tamin’ny Jesoa natao batemy teo amin’ny ranon’I Joradany no fisokafan’ny lanitra ho an’ny zaza atao batemy. Mahazo ny hery ho entina mamakivaky ny fiainana manontolo ny zaza amin’ny fandraisany ny batemy.  Mitondra ilay Fahazavana afaka hanilo azy eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Fahasoavana izany.

 

Mitaky adidy sy andraikitra anefa io batemy io. Anjarantsika vita batemy no mampiseho fa mpisorona sy mpaminany ary mpanjaka . Mandray anjara amin’ny sorona iaraha-manolotra izay tarihan’ny pretra. Miezaka mampiseho ny marina   eo amin’ny fiainana andavanandro. Sahy mamaky batsilana ny tsy rariny sy ny fanitsakitsahana ny zo aman-kasin’ny olona  satria izany no maha mpaminany.Manjaka amin’ny fomba fanjakan’I Jesoa. ‘Zany hoe: mpanjakan’ny fitiavana fa tsy mpanjakan’ny harena sy ny voninahitra.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier


 

Dimanche 11 Janvier 2009 – Année B   Couleur liturgique : Blanc

BAPTÊME DU SEIGNEUR

VAKITENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

 

Iz.55, 1 - 11

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza ; avia mividiana vary ka mihinàna ; avia hividy tsy amim-bola na takalo, hividy divay sy ronono. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina ; sy izay nisasasaranareo amin’izay tsy mahavoky ? Koa mihainoa Ahy ary mihinàna izay tsara ; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko ; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo ; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida. Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenena ; ho mpifehy sy mpandidy ny firenena. Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao, noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao, sy Ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao. Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy ; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka  ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka hiala amin’ny heviny ; ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindrany fo, hiverina amin’Andriamanitra fa hamela malalaka Izy.

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo tsy mba lalako, - teny marin’ny Tompo, -Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany ny haavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo. Tahaka ny ranon’orana aman’oram-panala, milatsaka avy any an-danitra, ka tsy miverina any raha tsy efa maninteraka sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana ; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako ; tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

 

- Izany àry ny Tenin’ny Tompo. – Hisaorana anie Andriamanitra !

 

VAKITENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md Joany Apôstôly

 

1 Jo 5, 1 - 9

Ry hava-malala, izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy dianateraka avy amin’Andriamanitra ; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa. Ny marika ahafantarana fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny, satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao ; ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra ?

Dia Izy no Ilay rano sy rà ; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy rà ; ary ny Fanahy manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy telo no manambara any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina ; ary izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny rà ; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambàranAndrimanitra izay lehibe lavitra ; ary ny fanambàran’Andriamanitra dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.

- Izany àry ny Tenin’ny Tompo. – Hisaorana anie Andriamnitra !

 

 

 

EVANJELY MASINA

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 1, 7 - 11

Tamin’izany andro izany, nitory teny i Joany nanao hoe : “Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny  Fanahy Masina”. Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny ; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao noankasitrahiko”.

 

- Izany àry ny Tenin’ny Tompo. – Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

FIFAMPIZARANA

 

Tonga olombelona ilay Zanaky ny Avo indrindra, ilay Zanaka malala sy sitrak’Andriamanitra indrindra. Tonga olombelona naka nofo sy nivoaka an-kibo toy ny zaza rehetra i Kristy; ary mbola nampiseho ny lalana tokony hizoran’ny olombelona rehetra ihany indray koa tamin’ny alalan’ny Batemy. Tena nietry tena ilay Zanaky ny Avo indrindra, ilay hany sitraky ny Ray, mba hamitram-pihavanana amintsika sy hahatonga antsika ho zanaky ny Ray.

Isaky ny manao fifanekem-pihavanana amintsika ilay Andriamanitra Avo indrindra dia mampiroboka antsika hatrany ao anaty rano. Niroboka ny ranomasina mena ny zanak’Israely alohan’ny nandraisan’izy ireo ny didin’Andriamanitra, ilay fifanekena voalohany (Testamenta taloha). Ary mbola niantso antsika tamin’ny alalan’i Joany Batista indray koa Izy mba hiomanantsika amin’ny fifanekena vaovao (Testamenta vaovao). Ary indro ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana no nampiseho ohatra ho antsika. Ary mbola izy ihany koa no nanome ny rany ho fanampin’izany rano fanadiovana antsika izany (rehefa nolefonina ny lanivoan’i Kristy dia indro rano sy ra no nivoaka avy tao). Rehefa avy voadion’ny rano sy ra ary isika dia indro indray nomeny ilay fanomezana sarobidy indrindra dia ny Fanahy Masina izany (hoy ny Tompo mantsy : raha mangataka atody ny zaza dia tsy hanome azy maingoka ny rainy, eny fa na dia ray ratsy fanahy aza izany, ka vao maika ve ilay raintsika be fitiavana tsy hanome antsika ny Fanahy Masina).

 

Ny “Rano” sy ny “Ra” ary ny “Fanahy Masina” no toko telo mahatonga antsika ho sitraky ny Ray. Izany no fehin’ny Sakramenta izay noraisintsika sy mbola horaisintsika. Tonga zanak’Andriamanitra isika nohon’ny Batemy (Rano sy Fanahy Masina); toy ny zanaka isika satria miray latabatra amin’Andriamanitra (vatana sy Ra); raha sendra lavo isika dia asandratry ny fampihavanana (Ran’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana); ary tonga zanaka mahatoky isika satria irahina hitory ary omena fankaherezana (Fanahy Masina). Izay mino ka atao batemy no mpandresy an’izao tontolo izao. Koa andeha ary isika hanamafy ny fanarahana dia an’ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana eny amin’ny reniranon’ny Jordana, ilay reniranon’ny fandrindram-pihavanana sy fitiavana.

 

Rivo RASOLOFOMANANA

Vaomieran’ny Finoana

 

 
VAOVAOM-PIANGONANA   
 
1- FIARAHA-MIVAVAKA EKIOMENIKA
Ny alahady 18 janoary isika no hanao ny Herinandron’ny Fiaraha-mivavaka ekiomenika karakarain’ny FFKM FRANCE. Izany dia hatao eny amin’ny Fondation d’Auteuil 42, rue Jean de La Fontaine  Paris 16ème – Métro : Jasmin. Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 3 ora tolak’andro.
 
2 – KATESIZY

Ny fampianarana Katesizy dia mitohy hatrany. Ny fotoana manaraka dia ny alahady 25 janoary 2009, eto amin’ny Chapelle Saint Paul. Manomboka amin’ny 2 ora tolak’andro.

 

3 – FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY

Araka ny fandaminana ara-drafitra vaovao eto amin’ny Fiangonantsika, dia hivory eto am-piangonana ny Filan-kevitra Pastoraly ny alahady 25 janoary 2009, hanomboka amin’ny 2 ora tolak’andro. Izany dia hisy solontena iray isam-baomiera dia ny mpanentana izany : Finoana, Fifandraisana, Fiaraha-Monina, Kolon-tsaina, Fitantanana, miampy ny filohan’ny Sampana Tanora. Ireo mivondrana miaraka amin’ny Birao no manome ny Filan-kevitra Pastoraly. Hisy fiantsoana manokana isam-baton’olona (convocation individuelle) ireo mpanentana amin’izany.
 
4 - FITAOVANA AMIDY
Mbola misy ny fihirana Hasina : 10 euros, Gazety Olombaovao farany : 3 euros
 
5 – FIZARANA ANDRAIKITRA
 

 

Manadio Fiangonana

Lamesa

Manentana Litorizia

17/01/09

Sampana

ANTOKO MPIHIRA

 

18/01/09

Ekiomenika

FFKM FRANCE

24/01/09

Sampana TANORA

 

25/01/09

 

Sampana

 ANTOKO MPIHIRA