Fitsangatsanganana... indray sabotsy

Raha mbola fitsangatsanganana
Hafa kely ity ho tantaraina
Tsara rindra sy tsara tantànana
'Zay voalamin'ny Kolontsaina

Parc de Sceaux no toerana
Fotoana @ iraika ambin'ny folo
Ny fanantenako tsy ferana
F'ireo namana hoe ho any daholo

Dia tonga aho sy ity entan-kely
Fonosana laoka sy vary
Ny hafanana no somary namely
Nivimbinako ranom-boasary.

Peho kely aloha ity tanako
Ry Manda, Naly, sy Dylan...
Tiffanie, Dinasoa, sy ireo namako,
Hilalao aho, no koa hihinan-kanina

Tsy diso ny fanantenako,
Vao nanomboka ny zara sakafo. 
Zay rehetra teo samy nakako,
May ery, toy ny doran'ny afo.

Dia tena Fianakaviana
Iray aina no mifampizara,
Tsy nisy hoe nofidifidiana
Fa zay tazako, toa samy tsara.

Nony lany ny hanin-kahavoky
Ny kiboko ery, falifaly
Nilamina sy nahazo toky
Tsara tohana sy tsara kaly.

Dia natomboka itony lalao,
Raikitra ny Avy mangataka
I Valisoa no toa rôle tao,
Ny patalohan'i Pierre koa tataka

Ny lehibe indray toy ny fanaony:
Na, mitsotra sy manao la siesta.
Ao ny mahatsiaro 'lay vazom-boany
Na, etsy @ beloty no mizesta

Ireo reny, tsy sasa-mitafa
Mitantara ty fanaon-janany
Mifanontany ny fanaon'ny hafa
Hotahafina ho an'ny taranany.

Dia nangonina indray ireto ankizy
Nozarazaraina ho gropy
Ny lehibe koa mba faly izaitsizy
Fa toa samy teo ny tropy.

Nampombaina anaram-biby:
Osy, omby, kisoa, akoho.
Dia samia mba samy mitadidy
F'izay voatonona dia mitodik'ivoho.

Ny mpitantara koa moa mahatsikaiky
Mpitan-tsoratra no ahalalan'azy
Fa raha hampihomehy, mampiaiky
Be somonga sy be vazivazy.

Vita iny, fa samy mpanefy
Sanatria hoe ny lavo akoraina
Kilalao fa tsy nisy lefy
Na koa hoe nahay arahabaina.

Passe à dix ny lalao manaraka
Voro-damba natao fehiloha,
Ny lehibe sy ny ankizy he miaraka
Mitokelaka sy manaram-po

Dia moa tsy ny fahazazana
No mitamberina mameno saina
Manjary toa fahagagana
Fa tsy nety torovana ny aina.

Nony tonga ny goûter voaomana
Dia toa samy nahazo daholo
Fa ireto vaomieram-piangonana
Mahatsiaro ny ankizy sy mahakolo

Dia notohizana ny fandaharana:
Question pour un champion indray
Teny gasy toy ny any am-pianarana
Manangan-tanana izay mahay.

He dia kanto hatramin'ny farany:
Kilalao, vatomamy ho an'ny ankizy
Nozaraina samy hahazo ny anjarany
Na ireo hendry na ny mpanao betizy.

Tsy ho adinoko tsy afaka an-tsaiko
Iny andro iny fa feno loatra.
Mamy sy tena lalaiko.
Tokan-teny ato am-po: Misaotra!

Aina (08/06/2010)-
Lanto Rakotoarisoa
Vaomieran’ny Kolontsaina



  Thierry ANDRONIC