Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

Asabotsy 30 Jiona 2012

FITSANGATSANGANANA IARAHAN’IREO ANKIZY ETO AMIN’NY FKMP

Parc de Sceaux

Faly miarahaba antsika rehetra,

 

Vita soa aman-tsara tanaty fifaliana sy fifankatiavana ny fitsangatsanganana niarahana tamin’ny ankizy, koa fisaorana sy fankasitrahana no atolotra an’Andriamanitra, ho anareo Fiangonana : ny Ray am-panahy, birao sy vaomiera rehetra, ianareo ray aman-dreny, ianareo tanora, ary indrindra ianareo ankizy.

 

Ianareo no solofo dimbin’ny ala, hiankinanay raha misy manadala.

 

Kolokoloinay handimby ny vavy, ary indrindra ho fanantenana ho an’ny ho avy.

 

Sitraka sy telina ho antsika rehetra.

 

Mirary soa hatrany.

Ny Vaomieran'ny Kolontsaina