Ry havana malala,

"Homba anareo hatrany anie ny Fiadanan'i Kristy",

Amin'ny anaran'ny Aumônier-tsika sy ny Birao ary ny Filan-kevitra Pastôraly dia maneho etoana ny fisaorana an'Andriamanitra isika mianakavy fa tanteraka soa aman-tsara ny kasa dia ny Lamesa tamin'ny alahady 16 janoary 2011, nandeha nivantana tao amin'ny Fahitalavitra.  Fo faly sy feno fitokiana koa no hanolorana antsika mianakavy ny fisaorana mitafotafo. Heni-kaja ny Fiangonana nefa koa faly ireo Malagasy nijery sy nanaraka ny fotoana.

Naverimberintsika foana fa isika miara-mientana am-panetren-tena amin'ny asa fanompoana dia mahavita zavatra, satria fianakaviana iray hambinin'Andriamanitra. Niandahy niambavy, ray aman-dreny sy zanaka, zoky sy zandry.

Misaotra ireo mpikarakara rehetra, ireo mpandray anjara isan-tokony fa tsy nitsanga-menatra ny FKMP izay nisolontena ny ANCMF : Ny mpamaky teny, ny mpiservy, ny mpitendry zava-maneno, ny mpitarika hira, ny Vaomiera isan-tokony e, ny Antoko Mpihirantsika "Feon'Anjomara", ary isika mianakavy rahateo e. Teo koa ny fikarakarana ny "pot d'amitié" taorian'ny fotoana.

Ny fanatontosana ny Kermesim-pianakaviana, kermesim-piangonana amin'ny Asabotsy 11 jona 2011 indray izao no ifanoloran-tanana ny fanomanana azy. Samy maka bahana daholo izao e. Ho avy ny fivoriana fiantsoana manaraka momba izany e.

Misaotra sy mankasitraka ary mankatelina tompoko.

Dia hoy ny tonon-kiran'ny Salamo noredontsika tamin'ny Hira fidirana tamin'ny alahady :

"Manaova hobin-kafaliana mankamin'Andriamanitra, ry tany rehetra ; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy" . Salamo 66 (65),

Azy irery anie ny Voninahitra Mandrakizay !


ELIASY Liva
Mpandrindra,
Filohan'ny FKMP

Lien : Messe télévisée du 16 janvier 2011

  Thierry ANDRONIC