Fisaorana avy amin'ny Rtoa Bakoly RANDRIAMANANTENA vaomieran'ny Kolontsaina
Faly miarahaba antsika rehetra. Mbola anatin'ny havizanana angamba isika rehetra kanefa anatin'ny fifaliana tokoa. Nizotra soa aman-tsara ary vita tanatin'ny fifaliana sy fifankatiavana ho an'ny rehetra ny fety. Isaorana voalohany Andriamanitra, Tompo nitondra sy nanampy antsika tamin'ny fotoana rehetra,ary anton'izao rehetra izao. Ny Voninahitra dia ho Azy irery ihany. Isaorana ireo ankizy rehetra tsy ankanavaka fa dia tanatin'ny fitiavana sy ny fifaliana tokoa no nandraisan'izy ireo anjara. Nahafatifaty mijery ireo zanantsika mandray anjara. Dimby sy fara ary antoky ny fiangonantsika ka tena mahavelom-bolo tokoa. Isaorana ianareo ray aman-dreny, nahafoy tena sy fotoana, nanatitra ireo ankizy na alina na antoandro. Tsy vita izao raha tsy teo ianareo. Isaorana manokana ianareo mpiandraikitra, mpampianatra hira, zava-maneno sy mpitarika rehetra, mpanampy tamin'ny fitantanana sy mpikarakara ny ankizy rehetra. Misaotra fa tsy mora ny mitana ankizy be dia be toa izao, fa noho ny fitiavanareo sy ny fiaraha-misalahy dia hita tokoa fa ny entan-jaray mora zaka. Ary izay tsy mahay sobika, mahay fantam-bary; fa dia nasehontsika tokoa izany. Isaorana ny mpitondra ny fiangonana FKMP nanome toerana manokana ho an'ny ankizy, izay dimby sy fara, ary antoky ny ho avin'ny FKMP. Ampitapitao raha sanatria misy adino an. Mirary soa ho an'ny rehetra.
|