FETY TAKARIVA MENAMASOANDRO

 

Fisaorana avy amin'ny atoa Liva ELIASY

Filoha Mpanentana ny FKMP

 

Mbola tsara e,

Niara-paly tokoa isika mianakavy. Dibo-kafaliana. Faly be ireo olona nasaina. Koa isaorana mitafotafo aloha ilay Nahary Tompon'ny fotoana, Tompon'ny aina, nanome antsika tombon'andro anaovan-tsoa, hifaliana, iaraha-miriaria. Heni-kaja sy heni-boninahitra tokoa ny Fiangonantsika fa tena fianakaviana miray, mahay mifaly sy mifampitondra sy mifandefitra. Ny fampandraisana anjaran'ny rehetra no ezaka fifanabeazantsika eto amin'ny FKMP. Tsy mora ny manao zavatra tahak'ireny ka mandray anjara daholo na ny ankizy, na ny tanora, na ny lehibe. Niandahy niambavy. Na sarotra aza dia nifandefitra, nahafoy fotoana. Ny fahaiza-mijery ny lafin'ny tsara no manampy amin'ny fanatsarana ny lesoka. Nisy ny fanapahan-kevitra manokana tsy maintsy noraisina maika (avy amin'ny tenako ohatra) mba hampilamina ny fetintsika fa dia nanaiky ianareo. Na resaka trano izany, na resaka fandaminana izany, na resaka fandaminana ny mpilalao izany sns... fa dia nampiseho fahendrena isika. Misaotra tompoko. Koa raha nisy ny madilana ho tetetina na ny tsy nety tetsy sy teroa, nisy ny fimenomenomana dia tsy izany velively akory no tokony hanamatroka ny herim-po sy ny finiavana nasehon'ny tsirairay. Aintsika FKMP foana ny mifandamina. Fa tena "Takariva menamasoanadro, ka ny masoandro maty no mampalahelo e". Mitohy ny lanonana sy korana e,  amin'ny alalan'ny asa maro samihafa.

Amin'ny anaran'ny Aumônier, ny Birao iray manontolo ary ny filan-kevitra Pastôraly no anolorana ny fisaorana mitafotafo amintsika mianakavy. Efa natao tao am-piangonana ihany moa izany tamin'ny alahady teo fa ny fisaorana tsy lany hamamiana tompoko ô. Ampitampitao amin'ny rehetra any izany fisaorana izany, indrindra koa ho an'ny ray aman-dreny rehetra nitondra ny zanany nianatra fety.

Isaorako manokana amin'ny anarantsika rehetra ny Mompera Aumônier-ntsika nanome fitokisana tanteraka ny Birao, Ny Filan-kevitra Pastôraly, antsika mianakavy tsy ankanavaka ary ny tenako manokana teo amin'ny fanatontosana iny fety iny. Misaotra anao Mompera fa manampy anay amin'ny fahamatorana eo amin'ny andraikitra izany fihetsikao izany.

Isaorana eto koa ianareo :

  • Nanamboatra ny salle sy nandray ny olona.
  • Nitatitra ny entana sy ny fitaovana rehetra nilaina. Nilanjalanja izany
  • Nanao ny fandaminana teo amin'ny Sécurité
  • Nivarotra ny billets
  • Nikarakara ny sakafo sy ny tsakitsaky : ireo rehetra nanao fanomezana
  • Nampindrana ny fitaovana lakozia nampiasaina
  • Nivarotra izany tsakitsaky sy zava-pisotro izany.
  • Nikarakara ny zava-maneno, ny jiro, ny projection ho an'ny fond d'écran
  • Nikarakara ny programa sy ny carte menu
  • Mpampianatra fety : dihy sy hira ary teatra
  • Ireo niandraikitra ny fanamiana : ankizy, tanora, lehibe
  • Ireo mpilalao sy mpihira ary mpandihy rehetra : ankizy, tanora, lehibe
  • Ny Birao nanolotra ny vary amin'anana
  • Ny régisseur sy ny mpanolotra
  • Ialan-tsiny raha mbola misy andraikitra hadino

Tsy nandamoka ny atody nakotrika fa dia iny rentsika iny tamin'ny alahady iny ny vokany.

Mbola hohitantsika mianakavy ny fotoana iray ifampisaorana e.

Mbola hasehontsika amin'ny Zaikabe izany firaisan-kinantsika izany.
Miray saina sy fo amam-panahy.

Eto am-pamaranana dia ity fisaorana nalefan'i Bakoly ity no ampitaiko amintsika mianakavy satria maneho tanteraka izay rehetra voalaza teo ary mamintina ny hafanam-po miredareda ao amintsika. Aoka ny Vaomiera sy Sampana tsirairay ampita izany ao amin'ny mpikambana ao aminy.

Mahereza tahian'Andriamanitra daholo.


ELIASY Liva
Filoha Mpanentana ny FKMP

 



  Thierry ANDRONIC