FANENTANANA TANY AMETTES
Alahady 29 aogostra 2010
Miarahaba antsika rehetra,
Mino aho fa samy tody soa eto Paris daholo indray. Misaotra an'Andriamanitra isika fa tanteraka soa aman-tsara ny fotoana tany Amettes. 41 isika no tany namaly ny fanasana nalefan'ny Fiangonana tao Amettes izay tanàna ambanivohitra miisa 500 fotsiny ny mponina ao. Fanombohana ny neuvaine iny omaly iny. Fety isan-taona ao amin-drizareo
Koa mampitondra fisaorana antsika rehetra tamin'ny fandraisana anjara mavitrika. Naredona ny hiran-damesa, nahafinaritra ny fihetsika litorizika, ary naneno tsara ny zava-maneno e. Ny fitsidihana ny trano nahaterahan'i Md Benoît LABRE. Mbola nanakoako tao am-piangonana koa ny vako-drazana malagasy ny tolak'andro, sy ny hira tamin'ny fitsaohana ny Sakramenta Masina. Efa betsaka angamba ny fisaorana nifanaovana tany an-toerana ary naneho ny hafaliany tanteraka ny Pretra tompom-paritany sy ireo komity mpanomana niaraka taminy ary ny kristianina rehetra. Teo koa moa ny fisaorana nataon'i Masera Madeleine RAVAOSOLO (Augustine), monina ao an-toerana. Naneho ny hafaliana koa i Mgr Noyer, évêque émerite-ny Amiens izay nitarika ny Lamesa. Koa misaotra antsika rehetra e.
Misaotra ireo ekipa kely nanomana sy nanentana iny dian'ny FKMP iny nampian'ny Chorale : fisoratana anarana, famerenana ny hira sy ny dihy, nampianatra fety kely, fanentanana ny Lamesa, ary ny zava-maneno sy nilanjalanja an'izany.
Afa-po tanteraka isika rehetra tamin'ny fandraisana, ny sakafo ary ny fampiantranoana nataon'ireo fianakaviana tsirairay.
Ary araka ny teniko tao am-piangonana nanetana antsika dia handray anjara kely rizareo amin'ny frais de déplacement (essence na péage). Koa fiara folo no tany ary vola 200 euros no nomen-drizareo amin'izany ka iny no zaraina tamin'ny mpitondra fiara 20 euros/véhicule iny. Tena nahafa-po ny nataon-drizareo.
Ho zaraintsika amin'izay tsy nandeha tany ihany moa ny akony amin'ny alalan'ny Site.
Fa dia samia miomankomana hanomboka taona pastôraly vaovao indray e.
Tahian'Andriamanitra.
Liva
nandrindra ankapobeny
NB : ampitao amin'ireo tsy ananana mail ny fisaorana ena mety ho hadino e
ELIASY Liva
Filoha Mpanentana ny FKMP
|