FILAZANA MANJO
Ho an'ny Mompera Aumônier
Ny Birao
Ny Filan-kevitra Pastôraly
Isika kerstianina rehetra eto amin'ny FKMP
Efa maro tamintsika no nandre nandritra iny volana Aogositra iny, ary efa nidodododo nitsapa alahelo, fa noho ny fangatahana manokana nataon'ny fianakaviana dia izao vao alefa ny filazana manjo ho antsika rehetra eto amin'ny FKMP, rehefa tafaverina soa aman-tsara avy any amin'ny fandevenana izy ireo.
Koa amin'ny alahelo no ampandrenesana antsika mianakavy ary ny maha-iray tampontsika antsika ao amin'ny Tompo, sy fiombonana ao amin'ny FKMP no ilazan'i Riry sy Sahondra RAMIHONE (mpitambolan'ny Fiangonana) mianakavy, fa nodimandry tamin'ny Alatsinainy 09 Aogositra ny rahalahin'i Riry
Itompokolahy RAMIHONE Raoul Richard
teo amin'ny faha- 57 taonany
namela vady sy zaza kamboty efatra
Ny fandevenana dia efa vita soa aman-tsara tamin'ny Asabotsy 14 Aogositra 2010 tany an-tanindrazana.
Koa ny FKMP dia miombona tanteraka amin'izao fahoriana izao ary mitondra ny teny fampiononana. Ny fianakaviana dia mangataka ny Sorona Masina amin'ny alahady 05 septambra izao eto amin'ny FKMP ho fialan-tsasatry ny fanahin'Itompokolahy.
"Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho" (2 Tim. 4, 7)
Aoka hifampilaza fa sao misy tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra, hoy ny fitenenana
Samia tahian'Andriamanitra. Mifampitondra am-bavaka.
Nampita hafatra
ELIASY Liva
Filohan'ny FKMP
|