“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

http://www.fkmp.org/Isan_2009_n100_fichiers/image008.jpg

FILAZANA MANJO

 

image015

 

Amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty no ilaizana amintsika kristianina rehetra fa

 

Itompokovavy RALALANTSOAMANGA RAKOTONDRASATA Faramanana Rufine

(Renin’i Haja ANDRIAMANANTENASOA ANDRIAMASY, mpitendry orga ny fiangonantsika)

 

dia nantsoin’ny Ray hody any aminy, ny Alahady 29 Janoary 2012, rehefa nivahiny 66 taona teto an-tany. Namela kamboty 4 mianadahy Itompokovavy.

 

Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.

(Rm. 12, 15)

 

Mivavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahiny ary mankahery sy mirary fiononana, ho an’i Haja, isika.

 

Handry am-piadanana anie izy.

FANDAHARAM-POTOANA

 

Ny razana dia hiala ao amin’ny tranon-drazany Avaratsena Betafo (Antsirabe) - Lot A II A 35, ny Alarobia 1 Febroary amin’ny 2 ora tolakandro, ary ho entina hatao veloma farany ao amin’ny Fiangonana EKAR Saint Louis Betafo, alohan'ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Atsimon’Ivohitra - Antsirabe.

 

Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany. Sambatra ny olona tsy tanan'Iaveh heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
(Salamo 32.1-2)

 

SORONA MASINA

 

Ny Alahady 12 Feborary 2012, ho avy izao, no hiarahantsika, eto amin’ny FKMP, manao Sorona Masina ny ho an’Itompokovavy.

 

Toerana : 171, boulevard Brune, Paris 14e (Metro : Porte d’Orléans)

Amin’ny 4 ora tolankandro (16h00)