“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

http://www.fkmp.org/Isan_2009_n100_fichiers/image008.jpg

FILAZANA MANJO

 

 

Amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty no ilaizana amintsika kristianina rehetra eto amin’ny FKMP fa

 

Itompokovavy Véronique RASOANOROVELO

(zoky vavy iray tampo amin’i Fabien RAVELOMANDA)

 

dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Alatsinainy 02 Janoary 2012 rehefa nivahiny 60 taona teto an-tany. Namela kamboty 6 mianadahy Itompokovavy.

 

Efa eo am-pikarakarana ny razana ny fianakaviana any Madagasikara.

 

 

Hoy ny zandriny

Fabien RAVELOMANDA

Kristianina mpiara-mivavaka amintsika sy mpikambana ao amin’ny Antoko Mpihira “Feon’Anjomara”

FANDARAHAM-POTOANA

 

Ny Alahady 8 Janoary hoavy izao no hanaovana ny Sorona Masina ho fialantsasatry ny fanahiny ary ho fankaherezana ny fianakaviany aty Paris.

 

Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.

(Rm. 12, 15)

 

 

Mankahery ny fianakaviany ary mitondra am-bavaka azy.

 

Handry am-piadanana anie izy.

Rivo RASOLOFOMANANA

Mpandrindra ny FKMP / Mpanampy ny Pretra