“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

http://www.fkmp.org/Isan_2009_n100_fichiers/image008.jpg

FILAZANA MANJO

 

image015

 

Amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty no ilaizana amintsika kristianina rehetra fa

 

Itompokovavy RAHANTA-HARIMANANA Herisoafara

(Renin’i Sabrina RAJAONAH, Mpitam-bola mpanampy ny Birao FKMP,

sy i Sandia RAJAONAH, mpikatroka ao amin’ny tanora eto amin’ny FKMP)

 

dia nantsoin’ny Ray hody any aminy androany Atalata 21 Feboary 2012 rehefa nivahiny 53 taona teto an-tany. Namela kamboty 3 mianadahy Itompokovavy.

 

Efa eo am-pikarakarana ny razana ny fianakaviana any Madagasikara.

 

 

Hoy ny zanany

Sabrina RAJAONAH sy Sandia RAJAONAH

FANDARAHAM-POTOANA

 

 

Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.

(Rm. 12, 15)

 

 

Mivavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahin’Itompokovavy.

 

Hiaraka hamangy an’i Sabrina sy i Sandia isika ny Alahady 25 Marsa hoavy izao.

 

 

Handry am-piadanana anie izy.

Rivo RASOLOFOMANANA

Mpandrindra ny FKMP / Mpanampy ny Pretra