FILAZANA MANJO

Amin’ny alahelo lehibe sy amin’ny finoana ny fitsanganan-ko velona no ilazana antsika kristianina rehetra eto amin’ny FKMP fa nodimandry ny Alarobia 23 Novambra 2011 teo amin'ny faha-56 taonany.

 

Itompokolahy Seth RATOVOHERISON

(vadin’ny zoky vavy ny Andriamatoa Nary RANAIVOSON, mpiangona sy mpikatroka eto amin’ny fiangonantsika)

 

Itompokolahy dia mpanao gazetin’ny Radio Nasionaly Malagasy, tompon’ndraikitry ny fandahara “Savaravina”, “Fivoy”, “Dia-tana” ary ny “Filazam-baovao”; sady mpampianatra tao amin’ny cours ARCADE, cours APL, collège CHARLEMAGNE, izay maro ireo mpianatra efa nampianariny no monina sy mandrato fianarana aty ampitandranomasina.

 

Natao veloma farany teo an-tokontanin’ny Radio Madagasikara omaly Asabotsy 26 Novambra (Lamesa sy fametrahana décoration), ary hasitrika eny amin’ny fasan-drazany any Arivonimamo anio Alahady 27 Novambra.

 

Tsy ny fianakaviany ihany no namoy olomalala fa ny fivondronamben’ny mpanao gazety any Madagasikara ihany koa dia namoy sakaiza tiana.

 

Hisy Sorona Masina atao ho fialan-tsasatry ny fanahiny eto amin’ny fiangonantsika ny Alahady 4 Desambra 2011.

 

 

*