FISAORANA

Ho an'ny fiangonana FKMP,
 
Ny fianankavian' Itompokolahy RATSITO  dia manolotra ny fisaorana feno fankasitrahana anareo fiangonana iray manontolo, tamin'ny fanohananareo aram-panahy sy ny fanehoanareo firaisan-kina tamin'ny fitsabona ary ny fitondranareo am-bavaka ny fianakaviana.
 
Hoan'ireo izay nanontany ny fotoam-pandevenana dia toy izao izany :
 
Daty sy ora
Alahady 4 Desambra amin’ny 1 ora tolankandro
Toerana hamoahana ny razana
Ankadifotsy Ambatomitsangana, IVC 109 (face Lil’Optique)
Fiangonana itondrana azy
EKAR Ankadikely Ilafy
Toerana andevenana azy
Ankadikely
 
Koa dia mbola mamerina ny fisaorana feno fankasitrahana ary dia atao tsara laza amin'ny fianakaviana rehetra. 

Hoy ny fianankaviany
Jean Rija RATSITO
FINOANA ARAHIN'ASA
 
Ry kristianina havana,

Tsy hay ny tsy hisaotra ny fanehoam-pitiavana izay nasehonareo tamin'iny andro nanjombona nandalovan'ny fianakavian'Itompokolahy Victorin Laurent RATSITO iny.

Izay tokoa ilay finoana arahin'asa.

Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?” 


Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.

 
Handry am-piadanana anie izy.
Rivo RASOLOFOMANANA
Mpandrindra ny FKMP / Mpanampy ny Pretra
Tél. 06 22 24 12 84

 

 

 

*