
Toy ny fanao isan-taona moa dia nandeha nanao sortie ny chorale Feon’Anjomara tamin’ity taona 2009 ity. Izany dia notanterahina ny asabotsy 11 jolay ary nifarana ny talata 14 jolay teo. Io moa no fotoana tena iarahan’ny mpikambana miala voly miaraka amin’ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaiza.
Toerana :
Maisons familiales rurales de ROUTOT
20/22 Avenue du Général de Gaulle 27350 Routot
Isan’ny mpandray anjara : 94 (miampy ny zaza amam-behivavy)
Fahatongavana : Asabotsy 11 jolay @ 10 ora maraina
Fiaingàna : Talata 14 jolay @ 4 ora hariva
Toy izao ny fandaharam-potoana nandritra io "sortie" io
Asabotsy 11 :
Maraina : fandraisana sy fandaminana ny trano
Antoandro : fifaninanana isaky ny sokajy (groupe) “course gony”, kilalao samihafa (baolina, karatra, sns)
Alina : hirahira
Alahady 12 :
Maraina : fanentanana lamesa
Antoandro : lalao baolina kitra
Hariva : lalao isan-karazany miaraka amin’ny tanora (hirahira, dihy isan-karazany)
Alatsinainy 13 :
Maraina sy antoandro : lalao isan-karazany tany amin’ny centre de loisirs (baolina kitra, lomano, karatra, hirahira sns)
Hariva : alim-pandihizana
Talata 14 :
Maraina : lalao isan-karazany, fandaminana trano
Hariva : fanomanana ny fiaingàna
Toy ny mahazatra dia nifandamina isan-tsokajy ireo mpandray anjara rehetra amin’ny fanaovan-draharaha sy ny fikarakaràna samihafa. Samy nandray izay tandrify azy ny tsirairay ary nizotra araka izay noheverina ny fandaminana.
Mbola nitohy moa ny fandaharam-potoana ho an’ireo izay nandeha tany amoron-dranomasina tany Honfleur.
Amin’ny ankapobeny dia nahafa-po ny rehetra ary tontosa tao anatin’ny fifankatiavana sy firahalahiana tokoa iny sortie farany iny. Antenaina fa hitondra hery ara-batana ary indrindra ara-panahy ho an’ny mpikambana sy ireo havana ary tapaka sy namana izany, hiatrehana indray ny taom-pianarana vaovao.
Alahady 18 desambra 2011
Hira fisaorana
"....."
ALAHADY 16 OKTOBRA 2011
ALAHADY FAHA-29 @ Madavantaona (Taona A)
Mpanentana : Ambroise-Hoby-Rina-Rojo-Tojo
Fidirana :
Ataovy manakoako ny hoby p.412
Fifonana : Natsangan-dRae H.785
Voninahitra : Voninahitra sy dera anie ho an’Andriamanitra p.421
Vakiteny I :
Iz. 45, 1.4-6
« Notantanako tamin’ny tanany havanana i Sirosy mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany ».
Setriny : Derao ny Tompo p.270
Vakiteny II :
Tes. 1, 1-5b
« Tsaroana ny asan’ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fanantenanareo ».
Fihobiana ny Evanjely :
Aleloia aleloia , Derao ny tenin’ny Tompontsika
Aleloia aleloia, Hobio ny Vaovao mahafaly.
Evanjely :
Mt. 22, 15-21
« Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra ».
Fiekem-pinoana : Tononina
Ranom-bavaka : Ampio ‘zahay ry Tompo o, hatoky ny fitiavanao anay.
Rakitra : Tsy misy afaka hanompo Tompo roa p.211
Fanolorana : (hiran’ny Mompera)
Masina : (mpitendry)
Fihobiana : Resinao ny fahafatesana ry Tompo fa natsangan’Andriamanitra ianao.
Rainay : Tompo o,Tompo o ampianaro mivavaka izahay.
Fiadanana : Miara-dalana amintsika isan’andro ny Tompo.
Zanak’ondry : (mpitendry)
Komonio :
-
Diovy aho Tompo o p.431
- O ry Tompo Tianay p.101 (andininy faha-5 ihany)
Hira fisaorana : (Feon’Anjomara)
Fanirahana : Ry Renin’Andriamanitra o p.85