“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

 

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

http://fkmp.rasolofomanana.net/Isan-tokantrano/2011/FKMP%20-%20Fanentanana%20-%20Noely%202011_fichiers/image003.gif

NOELY 2011

“ Noelim-pamonjena - Noelim-pihobiana - Noelim-pandresena - Noelim-pifaliana ”

 

Ry kristianina havana,

faly ny fiangonana manasa antsika mianakavy hiaraka hitsena izany “Andro Malaza” izany.

Ka toy izao ny fandaharam-potoana atolotra antsika

ASABOTSY 24 DESAMBRA

manomboka amin’ny 7 ora alina (19h00)

Flyers_Noel2011

 

http://fkmp.rasolofomanana.net/Isan-tokantrano/2011/FKMP%20-%20Fanentanana%20-%20Noely%202011_fichiers/image007.jpg

Eny amin’ny Paroasy Saint Dominique ny fotoanantsika 
amin’io Asabotsy “Alina Masina” io

16, rue de la Tombe-Issoire – Paris 14ème
(Plan - Google Map)

Metro : Saint-Jacques (Ligne n° 6) / RER B : Denfert-Rochereau

Hetsika ho fitsenana ny Noely

7 ora alina (19h00)

(ao amin’ny Crypte)

Mba ho fitsenantsika izany Noely izany dia hisy ny hetsika izay andraisan’ireo ankizy sy ireo tanora ary ireo olon-dehibe anjara.

Antsam-panahy
10 ora (22h00)

Antoko Mpihira

“Feon’Anjomara”

Sorona Masin’ny misasak’alina

10 ora sy sasany alina (22h30)

Toy ny isan-taona ihany koa, dia miaraka amin’ireo kristianina ao amin’ny Paroasy Saint Dominique isika amin’io alin’ny Noely io.

Sakafom-pianakaviana

(ao amin’ny Crypte)

Rehefa vita ny Sorona Masina dia hisy ilay “Nofo-kena mitam-pihavanana” izay anasana antsika mianakavy.

 

Toy izao ny fandaminana amin’izany :

*  Ny fiangonana no mahandro  ny vary sy ny laoka, mividy ny desera (clémentine) sy ny mofo mamy (gâteaux : bûche de Noel)

*  Mandoha 15 € isan-tokantrano na tsy-telo-telo (3) raha tsy mbola manana tokantrano, afaka manome mihoatran’izany ianao ho fanomezana (dons)

*  Samy mitondra macédoine tetehina (tsy amin'ny boite fa mba handrahoana dia tetehina). Ny ekipa lakozia no manambatra azy amin'ny mayonnaise

* Samy mitondra crevettes sy saumon sy izay fisotrony ny fianakaviana

 

Koa manomboka izao dia afaka manoratra anarana ianao no sady manome ny fandraisana anjara any amin’ireo mpiandraikitra :

*  Ramatoa Florence RAKOTONDRATSIMA 
(Mail : 
florence.alice@yahoo.fr / Tél. 06 45 05 88 41).

*  Ramatoa Zoarimamy RAKOTOZAFY 
(Mail :
 zoarimamy@yahoo.fr / Tél. 06 33 50 67 06).

 

Ireto avy ny zavatra azonao atolotra ho fanomezana (dons) : Grandes assiettes à jeter, assiettes à gâteaux, petites cuillères plastiques, fourchettes plastiques, couteaux plastiques, verres en plastique, serviettes à jeter, nappes en rouleaux, chemins de table, déco de Noel (bougies, bougeoirs, décorations de table, décorations de salle, sacs poubelles, rouleaux adhésifs, scotch).

ALAHADY 25 DESAMBRA

amin’ny 3 ora tolankandro (15h00)

Tohizintsika eny amin’ny Chapelle du Couvent Saint François izany fankalazana ny Noely izany

7 rue Marie Rose – Paris 14ème
(Plan - Google Map)

Metro : Alesia (Ligne n° 4)

 

Hisy Batemin-jaza sy fandraisana Komonio Voalohany amin’io Alahady io

Batemin-jaza

MIS Emilya

RAKOTONIRINA Niaina Lucas

RANDRIAMIANDRY Fanomezantsoa Steve Eugène

Komonio Voalohany

RABARISON Isabelle

RAJAONARISON Nelly Océane

RAKOTOSOLOFO Françoise

RAKOTONOELY Mamy Eric

SEPIERE Bryan

“ Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, 
ary fiadanana etý an-tany ho amin'ny olona tsara sitra-po ! ”
(Lk 2, 14)