EDITO...

Manomboka taom-pianarana sy taona pastoraly  vaovaoa indray isika rehefa avy nahavita ny fialantsasatra. Antenaina fa nitondra hery sy tanjaka ho antsika iny fialantsatra iny.
Koa eto ampanombohana ny taona àry dia mahafaly ahy ny misaotra ny ezaka nataontsika nandritra iny taona lasa iny  momba ny site fkmp.org, site izay natao hifaneraserantsika sy hifanabeazana sy ny manentana antsika handray anjara hatrany.
Nisy tokoa ny « Ainga vao », niroborobo ny site koa mankasitraka sy makatelina anareo rehetra izay nandray anjara  indrindra ireo teknisiana miandraikitra voalohany io site fkmp.org io. Tsapako fa tsy mora ny mikarakara ny site toy itony : mandany andro, mandany fotoana ary mandany ron-doha nefa dia tsy nataonareo ambanin-javatra izany na dia eo aza ny asa fivelomana sahaninareo isan’andro. Andriamanitra tompon’ny hery  sy ny fahalalana  anie hanampy sy hanonitra ny hery sy ny andro ary ny fotoana izay laninareo. Mankasitraka !
Fa na dia efa tsara sy mahafinaritra toy izao  aza ny site-tsika  dia mbola miangavy antsika rehetra hatrany  handray anjara. Hataontsika tarigetra ny tsy fijanonana eo @ antonotonony fa hezahantsika handroso hatramin’ny  tsara  hatrany.  Koa manainga antsika rehetra. Samy manana ny talenta nomen’Andriamanitra azy ny tsirairay. Ampiasao  ireny hanasoavana ny be sy ny maro. Misy ny mahay tononkalo mety hampitombo finoana na fahendrena ny hafa, misy ny mahay tonom-bavaka  mety hampamohafoha ny finoan’ny sasany  izay efa somary maimaina, misy ny mahita vaovao mahasoa ny be sy ny maro ….  Zarao fa  mahasoa ireny.
Ho anareo vaovao izay mitsidika ity site fkmp.org ity,  indrindra ianareo tonga manatevin-daharana  ao @ FKMP  miaraka aminay : tonga soa ianreo. Mahafaly anay ny miara-mivavaka sy mifankahita aminareo.

Dia mirary fanombohan’ny taom-pikatrohana tsara ho antsika rehetra.

P. Edmond Rakotondramanana
Aumônier FKMP

Fitsangatsanganana niaraka tamin'ny ankizy
Ankizy FKMP
Sary miisa 60 (Volamiarinjato)

Tohiny...
Gasikaranay vonjeo FKMP Feon'anjomara
Takariva mena masoandro
Fety Fiangonana
( sary miisa 204 : fkmp.org, TSIVERIZO )

" Roapolo taona mahery aho izay no mpikambana tato amin'ny FKMP, fa hafa noho ny hafa iny takariva iray iny..." Izany no ako heno tetsy sy teroa taorian'iny fety "takariva mena masoandro iny".

( tohiny...)
Fankalazana ny fetin'ny Paka
Herinandro Masinasary miisa 94 (fkmp.org)

Paka fitiavana, Paka famonjena...
Nandritry ny herinandro maninjitra no fotoana nentin'ny fiangonana nankalazana ny Paka. Vakitenin'ny Soratra Masina, hira, vavaka, fiaretan-tory : izany no anisan'ireo fomba nentina mba hisaorana sy hiderana ny anaran'Andriamanitra noho ilay famonjena sy fitiavana lehibe natolony ho antsika.
Tonga marobe foana ireo kristianina namonjy ny fotoana nandritra io herinandro io izay efa nanomboka ny alahadin'ny sampan-kazo. Ny alin'ny sabotsy masina dia somary niavaka ihany koa satria ankoatra ny fankalazana ny fetin'i Kristy ilay FAHAZAVANA dia fotoana natokan'i Nadia Lisy ANDRIAMANANTENA sy RAKOTOMANANTSOA Andrianome (Mémé) nanehona ampahibemaso ny finoan'izy ireo ("profession de foi").
Toy ny fanao efa mahazatra ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Parisy dia ny Antokom-pihira FEON'ANJOMARA no nanokatra ny fotoana ny alahadin'ny Paka tamin'ny alalan'ny antsam-panahy.












Lamesa manaraka

Alahady 26 Desambra 2010
manomboka amin'ny 4ora tolak'andro

Chapelle Saint Paul
171, bd Brune
75014 Paris

Evènements

NOELY

Zoma 24 - Asabotsy 25 - Alahady 26

Desambra 2010

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA

------------------------------------------

HASIN’ANDRIAMANITRA – DENIER DE L’EGLISE 2010 :

Manomboka tamin'ny alahady 07 novambra ny fanentanana antsika mianakavy eto amin’ny FKMP amin’ny fanefana ny adidy masina eo amin’ny fanohanana ara-bola ny asa pastôraly, na ny Hasin’Andriamanitra (Denier de l’Eglise).

Ezaka takiana amin’ny isam-batan’olona na ny isan-tokantrano izany. Koa manainga antsika rehetra fa izay manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Fanentanana

------------------------------------------

MATSOM-PANAHY HO FANOMANANA NY NOELY : 18 sy 19 DESAMBRE 2010

Efa nanomboka ny fisoratana anarana amin’ny Matsom-panahy izay hataontsika ny 18 sy 19 desambra 2010 ho fiomanana amin’ny Noely. Ny resaka momba ny “FIANAKAVIANA” no jerena amin’izany araka ny lohahevitra iainan’ny Diosezy eto Paris.

Ny toerana dia any amin’ny Missions franciscaines “La Clarté-Dieu”, any Orsay Ville (91), RER B : Orsay Ville.

Ny fandraisana anjara dia 15 € ny lehibe ary 5 € ny ankizy (3–8 taona). Nisy fiovana izany ny toerana fa tsy any La Ferté sous Joaurre indray araka ny voalaza teo aloha. Koa manainga antsika rehetra amin’izany fotoana lehibe fiomanana handray ny Mesia izany.

http://www.clarte-dieu.fr/

------------------------------------------

JOURNEES D’AMITIE,
20 SY 21 NOVAMBRA 2010

Misaotra ireo rehetra tonga nanotrina ny Journées d’amitié tetsy amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge. Ary isaorana manokana ny vaomieran'ny Fiaraha-Monina sy ny mpandrindra azy, tamin'ny fikarakarana sy fanatontosana ny andraikitra tamin'izany.
Ny vola azontsika tao moa dia atolotra manontolo an’ny Paroasy.

------------------------------------------

ANDRO IRAISAM-PIRENENA NATOKANA HO AN’NY MPIAVY :

Nolazaina tamintsika koa fa alefa mivantana ao amin’ny Fahitalavitra France 2 ny Lamesa fankalazana ny andro Iraisam-pirenena ho an’ny Mpiavy “Journée Mondiale des Migrants”.

Ny FKMP no voaasa hanentana izany Lamesa lehibe izany, izay tarihan’I Mgr SCHOCKERT, Eveka mpiahy ny Mpiavy sy Mpifindra monina. Izany dia hatao ny Alahady 16 janoary 2011, ao amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge (Paris 14ème).

Ny lohahevitra dia ny hoe “Fianakaviana iray ihany”. Miaraka amintsika amin’izany ny mpiangona ao amin’ny Paroasy.

Mbola averina amintsika hatrany isan’Alahady ny andinindininy amin’izany. Ny Jour du Seigneur moa no tompon’ny fandaharana isan’alahady ao amin’ny France 2.

------------------------------------------

ASABOTSY 25 SEPTAMBRA 2010

t@ 9 ora sy sasany maraina

(Katedraly Notre-Dame de Paris)

LAMESA FANIRAHANA NY FILAN-KEVITRA PASTORALY

Notarihan'ny Kardinaly André VINGT-TROIS, Arsevekan'i Paris, sy ireo Eveka mpanampy ary ireo Pretra Curés sy Aumôniers marobe.

Nasaina tamin'io Lamesa lehibe io ireo Filan-kevitra Pastoraly rehetra isaky ny Paroasy teto amin'ny Diosezin'i Paris. Nisy solontena koa avy amin'ny FKMP.

Tatitra an-tsary

------------------------------------------

HEREZO NY DIA RAHAVANA

Manomboka taona pastôraly vaovao isika FKMP rehefa avy niala sasatra vetivety. Mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra hirotsaka amintsika mba hahefa be. Tsy mora ny iraka ampanaovina antsika nefa ny enta-jarai-mora zaka raha atao soroka miara milanja, tongotra miara-mamindra .....

(Tohin'ny teny fampidirana avy @ Biraom-piangonana FKMP)

------------------------------------------

FANENTANANA NATAON'NY FKMP TANY AMETTES (Alahady 29 Aogostra 2010)

Fisaorana

------------------------------------------

ZAIKABE 2010 PARAY LE MONIAL

Fisaorana

Tatitra sy sary

FILAZANA MANJO

Amin'ny maha-mpiray tampo antsika, Fianakaviambe iray eto amin'ny FKMP dia mampandre amin'ny alahelo lehibe sy amin'ny finoana ny Fitsanganan-ko velona fa nodimandry ny Alahady  26 septambra 2010 teo noho ny lozam-piarakodia tany an-tanindrazana

Itompokolahy RAHARIMANANA Victor
teo amin'ny faha- 51 taonany

Itompokolahy dia  Dadan'i Seheno ao amin'ny Vaomieran'ny tanora ary anadahin'i Mireille ao amin'ny Sampana Antoko Mpihira "Feon'Anjomara" eo amin'ny rohim-pihavanana.

(tohiny ....)

TERA-BAO

Mahafaly ny mampandre antsika rehetra fa teraka kambana mirahavavy tamin'ny Alahady 14 Novambra 2010 teo i Dina vadin'i Patrick RAKOTONARIVO izay sady mpikambana ao amin'ny Antoko Mpihira no Mpitambolan'ny ANCMF. Raitra sy Vanona no anarana entiny.

Faly miarahaba azy ireo tonga soa ny FKMP, ary mirary fahavitrihana ho an'ny reny sy ny zaza e.Maroroha taiza.













Archives
Vous cherchez un article, une vidéo, ou des photos?
Venez visiter nos pages d'archives.

Par ici...
Bokin-damesa
Eglizy boky lamesa

Lettre Pastorale
KATESIZY

FAMPIANARANA KATESIZY

Mitohy hatrany ny fampianarana katezizy ho an’ireo zanatsika. Manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro izany. Aoka mba ho marim-potoana.

Aorian’ny lamesa isan’alahady dia mianatra hira hatao amin’ny Noely ny ankizy.

 

KOLONTSAINA

Isaky ny Alahady voalohan'ny volana amin'ny 3 ora hariva ny fampianarana Kolontsaina malagasy ireo ankizy eto amin'ny Fiangonantsika izay tarihin'ny Vaomieran'ny Kolontsaina.

 

Ny ankizy manomboka 4 taona ka hatramin'ny 18 taona no sahanina amin'izany.

 

Fa sarobidy ny Tenindrazantsika

Lovasoa sy harena

ary ambony noho ny volamena.”

 

 

  Thierry ANDRONIC