Page d’accueil

 

 

“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

MATSOM-PANAHY

(RECOLLECTION)

Hoantsika rehetra izay hamonjy ny matsom-panahy

izay atao eny amin-dry masera

 

“Missions Franciscaines La Clarté-Dieu”
95, rue de Paris – 91400 ORSAY

 

ny

Asabotsy 10 Desambra, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolankandro
ka hatramin’ny
Alahady 11 Desambra, izay faranana amin’ny Lamesa amin’ny 3 ora tolankandro

 

Marihana fa tsy misy Lamesa izany ao amin’ny Chapelle Saint Paul amin’io Alahady io fa eny Orsay no fotoana.

 

FANDRAISANA

Faly mandray sy mampiantrano antsika FKMP ny « Missions Franciscaines – La Clarté-Dieu » tongasoa eto Orsay mandritra izao faran’ny herinandro izao dia ny Asabotsy 10 sy Alahady 11 Desambra 2011. Faly koa izy ireo manampy amin’ny fikarakarana mba ho tomombana ny anton-diantsika dia ny matsom-panahy fanomanana ny Noely. Araka ny toe-tsaina amam-panahin’ny Md Fransoa izay mpanorina ny Fikambanana : fahatsorana, fiadanam-panahy amam-pilaminan-tsaina, fitiava-namana ary fanajana ny tontolo iainana.

 

FANDAMINANA

“Nous gardons le souci de la relation fraternelle. Un geste de respect des consignes est utile”

Ny fandraisana antsika mianakavy dia ny Asabotsy 10 Desambra manomboka amin’ny 1 ora sy sasany izay tontosain’ny Vaomieran’ny Fifandraisana.

·        Fandoavana ny saram-pandraisan’anjara ho an’izay mbola tsy nahefa azy manontolo.

·        Fizarana ny efitrano ary fanomezana ny Lakile

 

FOTOANA FISAKAFOANA

“Soyez vigilants aux horaires de la maison”

 

·        7 ora sy fahefany alina (Dîner 19h15) : Sakafo hariva

·        8 ora sy sasany maraina (Petit-déjeuner 08h30) : Sakafo maraina

·        1 ora latsaka fahefany tolankandro (Déjeuner 12h45) : Sakafo antoandro

 

VATSIM-PANAHY

“Chapelles et oratoires sont à votre disposition”

 

Ny Sakafom-panahy kosa dia ifarimbonan’ny Pretra sy ny Vaomieran’ny Finoana ny fampizarana azy amintsika mianakavy. Tadidio fa fiomanam-panahy izao ataontsika izao. Nialana ireo asa aman-draharaha mahazatra fa misitaka kely.

 

Adidy sy andraikitry ny Lahika ao amin’ny Fiangonana”,
araka ny Fampianaran’ny Konsily Vatikana II.

 

Izany no lohahevitra izay iarahantsika mandinika sy mifampizara eny an-toerana,
miaraka amin’ireo Pretra.

 

 

P. Eugene
RAKOTOMALALA
(P. Rahavana)

P. Edmond
RAKOTONDRAMANANA
(Aumônier)

 

 

FEPETRA HAJAINA

“Pour garder la sérénité de Dieu : rester discret dans les couloirs”

 

·        Ny Fandriana sy ny kidoro dia tsy azo afindrafindra efi-trano

·        Ny drap dia misy eo an-toerana fa ny fitaovana fidiovana rehetra dia samy mitondra ny azy avy. Mitondra fonon'ondana ihany koa isika.

·        Fahanginana tanteraka manomboka amin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 7 ora maraina ho fanajana ny hafa. Fanomezan-tsarobidy ivelany sy anaty izany ka hajaina, ary ho fanajana ny hafa izay efa matory.

·        Tsy mahazo maka douches manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 7 ora maraina

·        Tsy azo ifoana sigara ny toerana satria misy “alarme incendie”

·        Ny entantsika aoka tsy hipetrapetraka eny amin’ny lalan-tsara.

 

FAMPATSIAHIVANA NY LALANA MANDEHA ENY AN-TOERANA

Paris Pont de Sèvres

  • Prendre la 4 voies N118, direction « Chartres - Nantes - Orléans etc. » (rester sur la voie de gauche).
  • à 18,4 km : sortie 11 : « Orsay centre ».

 

Paris Porte d'Orléans

  • Prendre l'autoroute A6a « Nantes – Bordeaux ».
  • à 10 km, sortie 5, prendre A10/E05/E50 « Palaiseau – Etampes ».
  • à 18,6 km, sortie « Orsay – Bures » par la RN188 [1].
  • à 22,7 km, arrivée sur la RN118.
  • à 23,5 km, Sortie 11 : « Orsay Centre ». Suivre la plan ci-dessous (en rouge).
  • [1] Pour les Bus, poursuivre jusqu'à la sortie « Chartres - Les Ullis - Orsay » à 3,5 km et rejoindre la RN118.

 

 

reconoel2010d

 

 

RER Ligne B (Direction Saint Rémy-Les-Chevreuse)

  • Descendre à Orsay - Ville.15 mn à pied : Boulevard Dubreuil
  • à gauche, passage Chemin de fer
  • à droite, Place de la République, rue de Paris

 

reconoel2010c

(en vert  sur le plan).

 

 

Dia mirary MATSOM-PANAHY hombam-piadanana ho antsika mianakavy

“Nous vous souhaitons un agréable séjour, et de vivre un temps de paix avec le Seigneur”

         

Ny mpikarakara rehetra

Eo ambany fiahian’ny Pretra sy ny Birao

 

Page d’accueil *