|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France
Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
Alahady 30 MAY 2010 |
|
|
FETIN’NY
RENY |
|


|
I DONGY BE DONGY Indray andro, hono, tao Ambohitokana, tanàna
kely iray, nisy zazalahy kely antsoina hoe Dongy. Tao an-dapa izy no nonina
satria ny dadatoany izay tia azy fatratra no mpanjaka tao, ary tsy nisy
n’inon’inona nahaory azy mihitsy. Tsy manam-bady sady tsy manan-janaka
Radadatoa ka dia i Dongy no zaza tokana an-trano, sady maty voky no maty
irakiraka, hoy ny ohabolan-drazana. Resaka ihany izany fa sady tsy mety misakafo i
Dongy fa vatomamy foana no haniny, no rehefa antsoina dia tsy mamaly, rehefa
irahina moa dia tsy mandeha fa ny mpanompo no irahiny hamaly ny dadatoany.
Nanjary nankarary ny mpanjaka ny ditran’i Dongy. Mamy hoditra amin’ny vahoakany ny mpanjaka ka
nony nahalala izany ireo dia nivaky loha. Nampitondra hafatra ny voron-kely
nankany amin-dRahanta anabavin’ny mpanjaka i Lita, zazalahy kely iray monina
tsy lavitra ny lapa, ary nivavaka mafy mba hihatsara ny fahasalamany.
Tapa-kevitra Rahanta fa ho tonga ka dia niantso rahona hotaingenany izy
hankany amin-dranadahiny haingana.
Hitan-dRahanta izany ka tezitra mafy izy, ireo
kintana nomeny moa natsipin’i Dongy tao anatin’ilay dobo kely daholo ka tonga
dia vasoka, ny ankizy te-hilalao nipitrapitra. Natainginy teo ambonin’ilay
rahona i Dongy, notsipindiny ilay rahona dia lasa nandrifatra nitondra azy
tany amoron’ala. Ilay tenin’i Lita hoe: “alazako
amin’I Neninay ialahy !” no nanakoako tao an-dohany. Fa nahoana aho no
tsy mba manana Neny? hoy izy. Tsaroako ny maman’I Lita tia azy ery,
mikolokolo, mahandro, manadio, manorokoroka sady toa hafa kely mihitsy ny
tsikitsikiny. Kamboty moa izy saingy tsy nety nohazavain’ny
Dadatoany taminy ny nahatonga izany, asa, miandry azy ho lehibebe kokoa
angaha izy. Lasa aloha izy natory, ary teo vao nivavaka fa nahatsiaro
fahabangana lehibe. Nony nifoha avy teo izy dia nisy bibidia nanatona azy
moramora. Natahotra be izy, ka nihiaka “Neny
a !”. Efa saika voarapaka izy no nisy voromahery iray nipaoka azy ka
nametraka azy moramora tery an-tendron-kazo. Noana tanteraka izy nony nihantona ela teo, ka
vao nitsangana dia tapaka ilay hazo, nianjera ka nihoraka “Neny a !”. Po toy izy dia nivadika ho
rano ilay tany ka nanonjanonja sy nanambitamby azy. Nivoaka ny trondro
hataony laoka, ka dia afaka ny hanoanany. Tampoka teo anefa, nisy bibilava ‘ndeha
hamatotra azy, efa ho kenda mihitsy izy no nibitsika hoe “Neny a!” dia nitranga lela ilay
bibilava sady lasa moramora nankany anaty bozaka. Rehefa nirenireny irery ela
i Dongy dia nandini-tena ka tonga saina tamin’ny fahasiahany rehetra, ary teo
vao tsapany fa ny te-hanana tsy mahaleo ny ambinina. “Mba te-hanana Neny toa an’i Lita aho, hoy izy, dia mba ho hendry fa
tsy haditra intsony, hihaino rehefa tenenina”. Isaky ny misy ilainy dia miteny izy “Neny a !” toy ny zava-mahagaga fa
tonga izay ilainy rehetra, rehefa te-ho hendry sy hanaja ray aman-dreny izy.
Nivavaka mafy izy mba hiverina any amin’ilay Dadatoany ka hitsabo azy
haingana. Tsy nety hitany anefa ny làlana tao an’ala, reraka izy ka ‘ndeha
hipetraka iny indrindra no nahita rafotsy mitomany teo amoron-drano. “Manahoana tompoko, faly aho mahita olona
mitovy amiko, efa ela aho no tsy nisy niresaka, fa maninona ianao ?” hoy
izy. “Marary
aho, hoy ilay Ramatoabe efa mikarainkona. Mila maka voahangy ianao, ilay
avoakan’ny bibilava avy any an-kibony, ka mialoha ny maraina no tsy maintsy
alaina, saronana amin’ny sobika tsy ho tratrany fa raha tsy izany dia matiny
ianao, fa fito amin’izay no fanafodiko.” Nanaiky i Dongy satria nahaontsa azy ity
rafotsy, ka lasa tokoa izy nandrary sobika, nisedra ny fito alina sy ny
bibilava fito, ka azony ny fanafodin-drafotsy. Isaky ny nisy tsy ampy dia
nantsoiny “Neny a, ampio aho, ampianaro
aho !” dia tonga moramora eo aminy tokoa. Niova be i Dongy. Nony sitrana Rafotsy dia nisaotra azy mafy ka
namela azy hangataka zavatra iray izay tiany. Mba atoroy ahy ny lalana mody
hoy izy fa te-hitsabo an’i Dadatoa aho, malahelo azy aho. Dia raha mba azonao
atao, ataovy mahita ny endrik’i Neny aho mba hahalalako azy fotsiny na efa
maty aza izy. Natoron-drafotsy ny làlana ary rehefa tafaverina avy naka kitay
i Dongy dia efa tsy teo intsony izy. Nalahelo mafy razazalahy. Toa nisy
zavatra lalina nampifandray azy tamin’iny olona iny. Nanaraka ny làlana
natoron-dRamatoabe izy dia lasa. Tao ambadiky ny bonga iray anefa dia nahita
vehivavy iray izy mikarakara sakafo sy mitsikitsiky mijery azy, avy nanatona
azy nanafy lamba ny sorony sady niteny hoe : “ Etsy, ndeha hisakafo zanako !” Tsapany tao anaty : “I Neny ve ?” Tonga dia nifamihina izy
mianaka ary nitomanin-kafaliana. “Fa
taiza foana i Neny ?”. “Nisy
Trimokelifamasiaka izay tezitra tamin’ny rainao fa te-haka ny fanjakany, ka
rehefa avy naondrany tery an-kady ny dadanao dia navadiny ho iny rafotsibe
iny aho sady nariany tao an’ala. Tsy tafavoaka fa lanin’ny biby masiaka tao
anefa izy ka dia very tao aho. Ianao no tonga nanavotra ahy zanako,
zava-mahagaga iray azoko tanterahina rehefa afaka aho no tambin’ilay ratsy
nataon’i Trimokely, dia iny nangatahanao hahita ahy iny. Misaotra tsy
nanadino ahy”. “Faly aho, Neny
tiako.” “Tian’i Neny koa ianao, efa
eto aho izao zanako. Aza matahotra intsony.” Dia nisaotra an’Andriamanitra izy mianaka sady
sambatsambatra ery nizohy ny làlana nanatona ny tanàna. Tsy nisy nahafantatra
izy ireo fa niakanjo voronkitsay ka nitsaitsaika mora nakao an-dapa. Sambatra
ny mpanjaka ka sitrana rehefa nahita an’i Dongy manam-panahy indray moa
nampahatsiahy azy fatratra ny rahalahiny ny fahitany an-dRahety.
Hanitr’Ony 26/05/2010 |
|
FETINAO ANIO RY NENY ! Fetinao anio ry Neny ka
mijoro izahay, Neny kanto sady noro,
mamin’ny aina sady tiana, E, malalanay tokoa sady
fahasambaranay Ka milanto ny hiranay fa tsy
afaka hangina Neny hatsaran-tarehy toa
voahirana an’ony Salohy, tatamo, verovero,
hanitra mihely tiana, Ny ivon’ny fahazazana dia ny
tsikinao tony Ny herin’ny hatanorana dia ny
masonao liana Andriamanitra nahary, fa
ianao no nitondra Zanahary dia nitahy, fa ianao
no nanabe Nokajianao toa bakoly, toy ny
vonin’ny sahondra Mba ho mirana sy soa, nomenao
ny tsara ange! Nivalampatra lalao sy nahazo
izay nirina Fony izahay vololona, vao nitsiry fanja kely, Tsy mba nitsitsianao na ny
vola sy harena Na ny aina sy herim-po,
nokoloinao ‘reto tiana Raha izao ka mihary, mbola
entinao am-bavaka Izahay no tafita, d’ianao no
lakana nitàna Tokana ny an’I Neny ny
fitiavany : miavaka. Mbola tretrika tokoa misy
anao ihantana… Ka misaotra re ry Neny, Neny
tokana ao am-poko Ny fitiavako anao, mafy sady
tsy hosoloiko Ary eto no omeko : sitraka
ombieny ombieny, Raozy mena ilazako, fa TENA
TIAKO IANAO, NENY !
|
NENY Andro tokana tsy foiko Ny andronao anio, ry Neny, Voatahiry ato am-poko Irony tsikinao ombieny. Hotsarovako indrindra, fa
mitambolona ato anaty Ny tambinao tsy manam-petra
sy ny rotsy tsy mba maty. Mbola hitako etoana Ny tananao mikarakara. Mbola tazako eto foana Ilay ianao te hanan-tsara, Ka mitotototo ery mamonjy
tsena sy mahandro. Tsy mba mahalala sasatra
mandram-pahariva ny andro. Lehibe aho izao, Fa tsy mety voafafa Ireo korana sy lalao Mba hitovizako amin'ny hafa. Tsaroako ianao fola-damosina,
mandany vola sy harena, Fa ny sombin'ny aina nentinao
ho toy ny tena. Nampianarina an-tsekoly Mba tsy ho bado, hono, 'zany, Ka rehefa miala voly Mifalihavanja sesilany. Nandanianao herim-po ho
tafita any am-para. Tsaroako daholo ireny, eny
tena tsaroako tsara. Fetinao ny andro anio, Tsiahy no mameno fo, Fahatsiarovana madio No voatahiry tsy ho lo. Misaotra e, ry Neny tiako, ny
Tompo anie hitahy anao, Fa ny Fitiavanao feno no
naha-olona ahy toy izao.
|
|
Hanitr’Ony Vaomieran’ny
Kolontsaina |
Aina (Lanto Rakotoarisoa) Vaomieran’ny
Kolontsaina |
FIRARIAN-TSOAN’NY
ANKIZY
|
