Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

Concert Chorale

 

“aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.”
(Kol 3,16)

 

Indro atolotro... hamasininao ny tenako, hositraninao ny taniko.

 

Toy ny fanao isan-taona, ho fanamaranana sy ho famehezana ny seho tsara rehetra nandritry ny taona, izahay Antoko mpihira Feon’Anjomara eto amin’ny FKMP dia faly manasa antsika rehetra hiara misalahy sy hanotronana ny Antsam-panahy lehibe “Concert annuel” izay ho ataonay ny 23 jiona ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora alina ao amin’ny Paroisse Saint-Benoit 35 rue Severine 92130 Issy-le-Moulineaux (Google Maps).

 

Hihira ho anao, ho antsika ary indrindra ho an’ny Tanindrazantsika izahay, ho tonga hiaraka hihira aminay ao koa i Nanie.

 

Ny fahatongavanareo dia mitondra hery lehibe ho anay amin’ny adidy Masiny tanterahanay ary indrindra hampisokatra hatrany ny Fonay ka hitorinay hatrany ny Fahasoavan’Andriamanitra ho antsika, sy ho an'ny tanindrazantsika amin’ny alalan’ny Hira.

 

 

Misaotra antsika ary manantena ny fahatongavantsika maro be ary hitondra am-bavaka ny Feon’Anjomara.

Feon’Anjomara